Genesis 47

Genesis 47:3

Inona no nolazain'ireo rahalahin'i Josefa dimy an'i Farao fa asan'izy ireo?

Nilaza tamin'i Farao ny rahalahy dimy fa mpiandry ondry no asan'izy ireo.

Karazana fonenana inona no nolazain'ireo rahalahy fa tany amin'ny tany Egypta?

Nilaza ireo rahalahy fa nonina fotoana fohy tany amin'ny tany Egypta izy ireo.

Genesis 47:5

Inona no nolazain'i Farao mba hanaovan'i Josefa ny fianakaviany?

Nilaza an'i Josefa mba hametraka ny fianakavian'i Josefa any amin'ny faritra tsara indrindra, dia ny tany Gosena i Farao.

Genesis 47:7

Inona no nataon'i Jakoba ho an'i Farao rehefa nitsena azy izy ary rehefa nivoaka mba ho eo amin'ny fanatrehany izy?

Nitso-drano an'i Farao i Jakoba rehefa nitsena azy izy ary rehefa nivoaka mba ho eo amin'ny fanatrehany izy.

Hafiriana no niainan'i Jakoba rehefa nihaona tamin'i Farao izy?

Niaina telopolo amby zato Jakoba.

Hafiriana no nilazan'i Jakoba ny fiainany raha oharina amin'ireo razambeny?

Nilaza Jakoba fa tsy lava tahaka ny fiainan'ireo razambeny ny fiainany.

Genesis 47:13

Afaka nanao inona tamin'ny fivarotana vary i Josefa?

Afaka nanangona ny vola rehetra tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana i Josefa.

Genesis 47:15

Dia inona izany no vitan'i Josefa tamin'ny fanakalozana ny sakafo tamin'ireo Egyptiana?

Afaka nanakalo ny biby fiompy rehetran'ireo Egyptiana tamin'ny sakafo i Josefa.

Genesis 47:18

Rehefa nomena an'i Farao avokoa ny vola sy ny tahiry rehetra ho solon'ny sakafo dia inona no natolotry ny vahoakan'i Egypta an'i Farao ho solon'ny sakafo bebe kokoa?

Nanolotra ny tanin'izy ireo sy ny tenan'izy ireo ho mpanompon'i Farao ho solon'ny sakafo bebe kokoa ny vahoakan'i Egypta.

Genesis 47:23

Ampahany tamin'ny vokatra manontolo inona no notakian'i Josefa mba homena an'i Farao?

Nitaky Josefa fa ny ampahadimin'ny vokatra no homena an'i Farao.

Genesis 47:27

Tamin'ny fomba ahoana no niroboroboan'ny vahoakan'Israely tany amin'ny tany Egypta?

Nahazo fananana tao amin'ny tany Egypta ny vahoakan'Israely, ary namokatra sy nihamaro haingana izy ireo.

Tamin'ny fahafiry taonany no nahafatesan'i Jakoba?

Maty tamin'ny faha fito amby efapolo amby zato taonany i Jakoba.

Genesis 47:29

Inona no nangatahan'Israely mba hianianan'i Josefa fa hataony?

Nangataka an'i Josefa mba hianiana ny handevina an'i Israely any amin'ny toerana fandevenana ireo razambeny i Israely.