Genesis 50

Genesis 50:1

Nataon'i Josefa inona ny fatin'Israely rehefa maty Israely?

Nosorana zava-manitra ho an'i Josefa ny fatin'Israely.

Genesis 50:4

Fangatahana inona no nataon'i Josefa tamin'i Farao momba ny fandevenana ny rainy, ary nahoana no nanao izany fangatahana izany izy?

Nangataka ny ho avela handeha any amin'ny tany Kanana mba handevina ny rainy, araka ny nianianany tamin'ny rainy i Josefa.

Genesis 50:7

Iza no nandeha niaraka tamin'i Josefa mba handevina an'Israely?

Ireo manamboninahitr'i Farao, ireo tandapany, ireo manamboninahitra ambony tao Egypta, ny ankohonan'i Josefa, ireo rahalahin'i Josefa, ireo ankohonan-drainy, ary ireo kalesy sy ireo mpitaingin-tsoavaly rehetra no nandeha niaraka tamin'i Josefa.

Genesis 50:10

Inona no nolazain'ireo Kananita rehefa nahita an'i Josefa sy ireo izay niaraka taminy izy ireo?

Nilaza ireo Kananita fa fotoana tena mampalahelo ho an'ireo Egyptiana izany.

Genesis 50:12

Taiza no nalehan'i Josefa sy ireo rahalahiny taorian'ny nandevenana ny rain'izy ireo?

Niverina tany Egypta i Josefa sy ireo rahalahiny.

Genesis 50:15

Inona no natahoran'ireo rahalahin'i Josefa taorian'ny nahafatesan'i Israely?

Natahotra ireo rahalahin'i Josefa fandrao hamaly azy ireo i Josefa noho ny ratsy rehetra izay nataon'ireo rahalahiny tamin'i Josefa.

Inona no nangatahan'ireo rahalahiny mba hataon'i Josefa ny amin'ireo ratsy izay nataon'izy ireo tamin'i Josefa?

Nangataka an'i Josefa mba hamela azy ireo noho ny ratsy izay nataon'izy ireo tamin'i Josefa ireo rahalahiny.

Genesis 50:18

Inona no nataon'ireo rahalahin'i Josefa rehefa tonga tany amin'i Josefa izy ireo?

Rehefa tonga tany amin'i Josefa izy ireo, dia nandohalika teo anatrehany ireo rahalahin'i Josefa.

Soa inona no nolazain'i Josefa fa niasan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny ratsy nataon'ireo rahalahiny?

Nilaza Josefa fa nampiasa ny soa ho fiarovana ny ain'ny olona maro Andriamanitra.

Genesis 50:22

Hafiriana no niainan'i Josefa?

Niaina folo amby zato taona i Josefa.

Genesis 50:24

Inona no nolazain'i Josefa momba izay hahazo azy?

Nilaza Josefa fa efa ho faty izy.

Fampanantenana inona no nolazain'i Josefa fa hotanterahin'Andriamanitra ho an'ireo taranak'Israely?

Nilaza Josefa fa ho tonga amin'ny olona sy hitarika azy ireo hiakatra ho any amin'ny tany izay nampanantenain'Andriamanitra an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba Andriamanitra.

Nasian'i Josefa nianiana inona ny vahoakan'Israely?

Nasian'i Josefa hianiana izy ireo fa hitondra ny taolan'i Josefa hiala any Egypta rehefa miala an'Egypta izy ireo.

Inona no nanaovana ny fatin'i Josefa rehefa maty izy?

Nosorana zava-manitra ary natao tao anaty vata-paty tany Egypta ny fatin'i Josefa.