Genesis 44

Genesis 44:1

Inona no nolazain'i Josefa mba anaovan'ny mpikarakara ny lasakan'ireo rahalahy nialohan'ny nandehanan'izy ireo?

Nilaza tamin'ny mpikarakara mba hameno sakafo ireo lasakan'ireo rahalehilahly, mba hametraka ny volan'izy ireo tao amin'ny lasaka, ary mba hametraka ny kapoaka volafotsiny tao amin'ny lasakan'ny zandriny indrindra i Josefa.

Genesis 44:3

Amin'ny ankapobeny dia inona no nolazain'i Josefa tamin'ny mpikarakara mba holazaina amin'ireo rahalahy rehefa tratrany tany ivelan'ny tanàna izy?

Nilaza tamin'ny mpikarakara mba hanontany azy ireo i Josefa hoe nahoana izy ireo no mamaly ratsy ny soa ary niampanga azy ireo ho nangalatra ny kapoakan'i Josefa izy.

Genesis 44:8

Inona no nianianan'ireo rahalahy fa hataon'izy ireo raha nangalatra ny kapoak'i Josefa ny iray tamin'izy ireo?

Nilaza ireo rahalahy fa ny iray tratra naka ilay kapoaka dia ho faty, ary ho lasa andevo ireo hafa.

Sazy inona no nolazain'ny mpikarakara fa ho takiany raha nangalarina ny kapoaka?

Nilaza ilay mpikarakara fa ny iray izay ahitana ny kapoaka dia ho andevony, ary ireo hafa kosa ho tsy manan-tsiny.

Genesis 44:11

Inona no hitan'ilay mpikarakara, ary ahoana no nataon'ireo rahalahy?

Nahita ny kapoaka tao amin'ny lasakan'i Benjamina ilay mpikarakara, ary dia nandrovitra ny fitafian'izy ireo ny rahalahiny.

Genesis 44:14

Inona no nataon'ireo rahalahy rehefa niverina tany amin'i Josefa tany an-tranony izy ireo?

Niankohoka teo anatrehan'i Josefa tamin'ny tany ireo rahalahy.

Genesis 44:16

Iza no nolazain'i Joda fa nahita ny helok'ireo rahalahy?

Nilaza Joda fa Andriamanitra no nahita ny helok'izy ireo.

Nolazain'i Joda fa ho lasa inona avokoa ireo rahalahy rehetra?

Nilaza Joda fa ho lasa andevon'i Josefa avokoa ireo rahalahy rehetra.

Sazy inona no nolazain'i Josefa fa ho takiany amin'ireo rahalahy?

Nilaza Josefa fa ny olona izay hita tamin'ilay kapoaka ny tanany dia ho andevony, ary ny ambiny afaka andeha am-piadanana.

Genesis 44:20

Inona no antony nomen'i Joda ny amin'ny hoe nahoana ny rainy no tia ny zandriny indrindra?

Nilaza Joda fa zanaky rainy tamin'ny fahanterany ny zandriny indrindra, sady zaza tokana navelan-dreniny.

Inona no natahoran'ireo rahalahy fa hahazo ny rain'izy ireo raha nandao azy ny zandriny indrindra?

Natahotra ireo rahalahy fa ho faty ny rain'izy ireo raha mandao azy ny zandriny indrindra.

Genesis 44:23

Nahoana no nilaza Joda fa noterena hitondra an'i Benjamina niaraka tamin'izy ireo tany Egypta ireo rahalahy?

Nilaza i Joda fa noterena hitondra an'i Benjamina izy ireo satria nilaza Josefa fa raha tsy tonga ny zandriny indrindra, dia tsy hahita ny tavan'i Josefa izy ireo.

Genesis 44:27

Inona no noheverin'i Israely fa nahazo an'i Josefa?

Nihevitra Israely fa noviraviraina i Josefa.

Inona no nolazain'Israely fa hahazo azy raha alaina aminy Benjamina?

Nilaza Israely fa hampihintsana ny volon-dohany amin'ny alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ireo rahalahy.

Genesis 44:30

Inona no nolazain'i Joda fa hahazo ny rainy raha niverina tsy niaraka amin'i Benjamina izy ireo?

Nilaza Joda fa ho faty ny rainy.

Antok'i Benjamina inona no nolazain'i Joda fa ho lasa izy?

Nilaza Joda fa raha tsy naveriny amin'ny rainy Benjamina, dia hizaka ny heloka mandrakizay izy.

Genesis 44:33

Inona no nangatahan'i Joda mba hataon'i Josefa mba ahafahan'i Benjamina miverina any amin'ny rainy?

Nangataka an'i Josefa mba hanao azy ho andevon'i Josefa i Joda, amin'izay mba afaka hiverina any amin'ny rainy i Benjamina.