Genesis 43

Genesis 43:1

Nahoana no nilaza tamin'ireo zanany lahy mba handeha indray Israely ka hividy sakafo any Egypta?

Nahery vaika ny mosary ary efa lanin'izy ireo ny vary novidian'izy ireo tany Egypta tamin'ny dian'izy ireo voalohany.

Genesis 43:3

Inona no nolazain'i Joda fa tsy maintsy entin'izy ireo raha hidina any Egypta indray izy ireo?

Nilaza Joda fa tsy maintsy entin'izy ireo i Benjamina rahalahiny raha hidina any Egypta indray izy ireo.

Genesis 43:8

Fianianana inona no nataon'i Joda tamin'Israely rainy?

Nilaza Joda fa raha tsy mitondra an'i Benjamina miverina izy, dia hizaka ny tsiny mandrakizay izy.

Genesis 43:11

Inona no nolazain'Israely tamin'ireo rahalahiny mba ho entina miaraka amin'izy ireo any Egypta?

Nilaza tamin'ireo rahalahy i Israely mba haka sasany amin'ireo vokatry ny tany tsara indrindra, ary mba hitondra vola avo roa heny.

Genesis 43:13

Inona no nangatahin'i Israely tamin'Andriamanitra mahakasika ny diany?

Nangataka tamin'Andriamanitra mba hamindra fo ireo rahalahy any Egypta i Israely, mba ho avotsitra ireo rahalahy rehetra.

Genesis 43:18

Ahoana no navalin'ireo rahalahy rehefa nentina tao an-tranon'i Josefa izy ireo, ary nahoana?

Natahotra ireo rahalahy fa ho samborina sy alaina ho andevo noho ny vola tavela tao amin'ireo lasakany tamin'ny dian'izy ireo voalohany izy ireo.

Genesis 43:21

Inona no nolazain'ireo rahalahy tamin'ireo mpitantana ny tranon'i Josefa?

Nilaza tamin'ireo mpitantana ny tranon'i Josefa ireo rahalahy fa nitondra ny vola tavela tao amin'ny lasakan'izy ireo niverina izy ireo, ary nitondra vola mba hividianana sakafo.

Avy taiza no nolazain'ny mpitantana fa niavian'ny vola tavela tao amin'ny lasaka?

Nilaza ilay mpitantana fa ny vola tavela tao amin'ny lasakan'izy ireo dia avy amin'Andriamanitr'izy ireo.

Genesis 43:26

Inona no nataon'ireo rahalahy rehefa nody Josefa?

Nitondra ireo fanomezana tao an-trano ireo rahalahy, ary niankohoka teo anatrehan'i Josefa tamin'ny tany.

Nanontany ireo rahalahy momba ny inona i Josefa?

Nanontany azy ireo momban'ny fahasalaman'ny rain'izy ireo i Josefa.

Genesis 43:30

Nahoana no nivoaka faingana tao an'efitra i Josefa, ary inona no nataony rehefa lasa izy?

Nivoaka faingana tao an'efitra i Josefa satria nientanentana mafy noho i Benjamina izy, ary niditra tao an'efitranony ka nitomany.

Genesis 43:32

Nahoana no nihinana nisaraka ireo Egyptiana sy ireo Hebreo?

Maharikoriko amin'ireo Egyptiana ny misakafo miaraka amin'ireo Hebreo.

Ahoana no nandaminana ireo rahalahy teo an-databatra?

Nalahatra teo an-databatra araka ny fizokiana sy ny taona ireo rahalahy.

Inona no tsy nahazatra momba ireo anjara sakafo azon'ireo rahalahy?

Ny anjaran'i Benjamina dia indimy mihoatra noho ny an'ireo rahalahiny.