Genesis 42

Genesis 42:1

Iza no nirahin'i Jakoba nidina tany Egypta mba hividy vary?

Ireo rahalahin'i Josefa folo, tsy niaraka tamin'i Benjamina, no nidina tany Egypta mba hividy vary.

Genesis 42:5

Inona no nataon'ireo rahalahin'i Josefa rehefa tonga teo amin'i Josefa mba hividy vary izy ireo?

Niankohoka taminy ireo rahalahin'i Josefa ary ny tavan'izy ireo tamin'ny tany.

Genesis 42:7

Inona no nataon'i Josefa rehefa nahafantatra ireo rahalahiny izy?

Nanova endrika sy niteny mafy ireo rahalahiny i Josefa.

Genesis 42:9

Fiampangana inona no nataon'i Josefa tamin'ireo rahalahiny?

Niampanga ireo rahalahiny ho mpitsikilo i Josefa.

Genesis 42:12

Taiza no nilazan'ireo rahalahin'i Josefa fa nisy ny rahalahin'izy ireo zandriny indrindra?

Nilaza ireo rahalahin'i Josefa fa niaraka tamin'ny rainy tany amin'ny tany Kanana ny rahalahin'izy ireo zandriny indrindra.

Taiza no nolazain'ireo rahalahin'i Josefa fa nisy ny rahalahin'izy ireo tsy teo?

Nilaza ireo rahalahin'i Josefa fa tsy velona intsony ny rahalahin'izy ireo hafa izay tsy teo.

Genesis 42:14

Fitsapana inona no nataon'i Josefa tamin'ireo rahalahiny mba hanehoana fa tsy mpitsikilo izy ireo?

Nilaza Josefa fa tsy hiala an'i Egypta ireo rahalahy, raha tsy tonga any Egypta ny rahalahin'izy ireo zandriny indrindra.

Taiza no nametrahan'i Josefa ireo rahalahiny ary nandritra ny hafiriana?

Nametraka ireo rahalahiny tao am-ponja nandritra ny telo andro i Josefa.

Genesis 42:18

Inona no nolazain'i Josefa mba hataon'ireo rahalahy mba ho velona izy ireo?

Nilaza tamin'izy ireo mba hamela ny iray amin'ireo rahalahiny hotanana am-ponja i Josefa, raha hitondra ny vary ho any Kanana ny hafa ary hitondra ny zandrin'izy ireo faralahy miverina.

Genesis 42:21

Nahoana no nino ireo rahalahin'i Josefa fa tonga tamin'izy ireo izany olana izany?

Nino izy ireo fa nitaky tamin'izy ireo izay vitan'izy ireo tamin'i Josefa ny ràn'i Josefa.

Genesis 42:23

Inona no nataon'i Josefa rehefa nandre ireo rahalahiny niresaka momba izay nataon'izy ireo taminy izy?

Rehefa nandre ireo rahalahiny niresaka momba izay nataon'izy ireo taminy Josefa, dia niala teo amin'izy ireo Josefa ka nitomany.

Inona no naverin'i Josefa tao amin'ireo lasakan'ny rahalahy tsirairay avy?

Namerina ny volan'ny rahalahy tsirairay tao amin'ny lasakany i Josefa.

Genesis 42:26

Ahoana no nataon'ireo rahalahy rehefa fantatr'izy ireo fa tao amin'ny lasakany ny volan'ny rahalahy iray?

Nihontana ny fon'izy ireo ary nifampiresaka tamim-pangovitana izy ireo.

Iza no nampangain'ireo rahalahy noho ny olan'izy ireo teo aloha?

Niampanga an'Andriamanitra ireo rahalahy, nanontany hoe nahoana no nanao izany tamin'izy ireo Andriamanitra.

Genesis 42:35

Inona no fantatr'ireo rahalahiny sy Jakoba rehefa nanafoana ny lasaka rehetra izy ireo?

Fantatr'izy ireo fa tao amin'ny lasakany avy ny volan'ny lehilahy tsirairay avy.

Ahoana no nitrangan'ny tahotr'i Jakoba noho ny trangan'izy ireo?

Natahotra Jakoba fa ho Simeona sy Benjamina no halana aminy.

Genesis 42:37

Fianianana inona no nataon'i Robena tamin'i Jakoba?

Nianiana ny hitondra an'i Benjamina hiverina any amin'i Jakoba avy any Egypta i Robena; raha tsy izany, dia ho faty ireo zanak'i Robena roalahy.

Namela an'i Robena hitondra an'i Benjamina tany Egypta ve i Jakoba?

Tsia, tsy namela an'i Robena hitondra an'i Benjamina tany Egypta i Jakoba.

Inona no nolazain'i Jakoba fa hahazo azy raha maty Benjamina?

Nilaza Jakoba fa hidina any amin'ny Fiainan-tsy hita amin-kalahelo izy raha maty Benjamina.