Genesis 45

Genesis 45:1

Inona no nataon'i Josefa, izay ren'ireo Egyptiana raha nampahafantatra ny tenany izy?

Nitomany mafy i Josefa raha nampahafantatra ny tenany tamin'ireo rahalahy izy.

Ahoana no nataon'ireo rahalahy rehefa nanambara ny tenany tamin'izy ireo i Josefa?

Tsy nahavaly an'i Josefa ireo rahalahy satria tohina mafy izy ireo.

Genesis 45:7

Amin'i Josefa, dia nahoana no nandefa an'i Josefa tany Egypta Andriamanitra?

Andriamanitra naniraka azy mba hitahiry ny aina, ary hitahiry ny fianakaviana ho sisa eto an-tany.

Nataon'Andriamanitrra inona tany amin'ny tany Egypta i Josefa?

Nataon'Andriamanitra ho rain'i Farao, tompon'ny tranony rehetra, sy mpanapaka ny tany rehetra manerana an'i Egypta i Josefa.

Genesis 45:9

Ahoana no tetik'i Josefa mba hiahiana ny fianakaviany?

Nilaza tamin'ny fianakaviany mba ho tonga sy honina any amin'ny tany Gosena izay hamatsiany azy ireo i Josefa.

Genesis 45:12

Inona no nolazain'i Josefa tamin'ireo rahalahy mba ho fainganin'izy ireo sy mba hataony?

Nilaza ireo rahalahiny mba ho faingana sy hitondra ny rainy any Egypta i Josefa.

Genesis 45:16

Ahoana no fihetsik'i Farao rehefa reny fa tonga tao Egypta ireo rahalahin'i Josefa?

Nankasitraka tokoa i Farao, ary nilaza an'i Josefa mba hilaza ireo rahalahiny mba hitondra ny rain'izy ireo sy ny ankohonan'izy ireo mba hipetraka amin'ny tany tsara any Egypta izy ireo.

Genesis 45:21

Iza no nandray fanomezana sy vatsy fanampiny ho an'ny dia?

Benjamina no nahazo sekely volafotsy telonjato sy akanjo ho soloina dimy, ary nahazo boriky roapolo nitondra entana i Israely.

Genesis 45:24

Ahoana ny fihetsik'i Israely rehefa reny fa velona Josefa ary mpanapaka ny tany Egypta rehetra?

Gaga ny fon'Israely, satria tsy nino ireo rahalahy izy rehefa nilaza taminy izy ireo.

Genesis 45:27

Inona no nolazain'i Israely fa tiany hatao mialohan'ny ahafatesany?

Nilaza Israely fa te hahita an'i Josefa mialohan'ny ahafatesany izy.