Genesis 39

Genesis 39:1

Iza no nividy an'i Josefa tany Egypta?

Potifara, manam-pahefana an'i Farao, no nividy an'i Josefa tany Egypta.

Genesis 39:3

Nahoana no niroborobo tany Egypta i Josefa?

Niroborobo i Josefa satria nomba azy Yaveh.

Genesis 39:5

Inona no nataon'i Potifara teo ambany fiahian'i Josefa?

Napetrak'i Potifara teo ambany fiahian'i Josefa ny zavatra rehetra.

Genesis 39:7

Inona no nangatahan'ny vadin'i Potifara mba hataon'i Josefa?

Nangataka an'i Josefa mba hiray ara-nofo taminy ny vadin'i Potifara.

Ahoana no navalin'i Josefa ny fangatahan'ny vadin'i Potifara?

Nandà Josefa ary nilaza fa tsy afaka nanao izany faharatsiana lehibe sy fahotana nanohitra an'Andriamanitra izany izy.

Genesis 39:10

Inona no nataon'i Josefa rehefa nisambotra azy teo amin'ny akanjony ny vadin'i Potifara?

Navelan'i Josefa teo an-tanany ny fitafiany ka nitsoaka tany ivelany izy.

Genesis 39:13

Fiampangana inona no nataon'ny vadin'i Potifara hanoherana an'i Josefa?

Niampanga azy ho nitady hiray ara-nofo taminy tsy araka ny sitra-pony izy.

Genesis 39:19

Inona no nataon'i Potifara rehefa reny ny fiampangana natao tamin'i Josefa?

Nanjary tezitra mafy i Potifara ary nandefa an'i Josefa tany am-ponja.

Genesis 39:21

Tamin'izany fotoana izany, dia inona no nasehon'i Yaveh an'i Josefa?

Naneho ny tsy fivadiham-panekena tamin'i Josefa tamin'izany fotoana izany Yaveh.

Inona no napetraky ny mpiambina ny fonja teo ambany fiahian'i Josefa?

Nametraka ny voafonja rehetra teo ambany fiahian'i Josefa ilay mpiambina ny fonja.

Inona no vokatry ny zavatra rehetra nataon'i Josefa, ary nahoana?

Nambinin'i Yaveh ny zavatra rehetra nataon'i Josefa.