Genesis 40

Genesis 40:1

Nahoana no nalefan'ny mpanjakan'i Egypta tao am-ponja ny mpitondra kapoakany sy ny mpanao mofony?

Nalefany tany am-ponja izy satria nanafintohina azy ireo izy.

Genesis 40:4

Inona no nanjo ny mpitondra kapoaka sy ny mpanao mofo tamin'izany alina izany ihany?

Samy niara-nanofy tamin'izany alina izany ihany ny mpitondra kapoaka sy ny mpanao mofo.

Genesis 40:6

Nahoana no samy nalahelo ny mpitondra kapoaka sy ny mpanao mofo ny ampitso maraina?

Samy nalahelo izy ireo satria tsy nisy afaka nandika ny hevitry ny nofin'izy ireo.

Iza no nolazain'i Josefa fa afaka mandika ny hevitr'ireo nofy?

Nilaza Josefa fa Andriamanitra no afaka mandika ny hevitr'ireo nofy.

Genesis 40:12

Inona no nolazain'i Josefa fa dikan'ny nofin'ilay mpitondra kapoaka?

Nilaza i Josefa fa ilay nofy dia midika fa ao anatin'ny hateloana dia hamerina ilay mpitondra kapoaka ao amin'ny asany i Farao.

Genesis 40:14

Fangatahana inona no nataon'i Josefa tamin'ilay mpitondra kapoaka rehefa avy nanome ny dikan'ny nofiny i Josefa?

Nangataka i Josefa mba hahatsiaro azy ilay mpitondra kapoaka, ka hanonona azy any amin'i Farao, ary hamoaka azy ao am-ponja.

Genesis 40:18

Inona no nolazain'i Josefa fa hevity ny nofin'ilay mpanao mofo?

Nilaza Josefa fa ilay nofy dia midika fa ao anatin'ny telo andro dia hanantona ilay mpanao mofo amin'ny hazo i Farao.

Genesis 40:20

Tranga miavaka inona no nitranga telo andro taty aoriana?

Fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Farao ny telo andro taty aoriana.

Nataon'i Farao inona ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofo tamin'izany andro izany?

Namerina ilay mpitondra kapoaka, fa nanantona ilay mpanao mofo kosa, tahaka ny nadikan'i Josefa tamin'izy ireo i Farao.

Tsaroan'ilay mpitondra kapoaka ve ny fangatahan'i Josefa taminy?

Tsia, tsy nahatsiaro ny hanampy an'i Josefa ilay mpitondra kapoaka, ary nanadino ny momba azy.