Genesis 38

Genesis 38:1

Avy amin'iza no nakan'i Joda vady?

Naka vady avy amin'ny lehilahy Kananita i Joda.

Genesis 38:6

Nataon'i Yaveh inona i Era zanaka lahimatoan'i Joda, ary nahoana?

Nanomo an'i Era i Yaveh satria ratsy fanahy izy.

Genesis 38:8

Ahoana no tsy nanefan'i Onana zanaka lahin'i Joda faharoa ny adidiny amin'ny maha-zaodahy azy mba hanangana zanaka ho an'i Era?

Nararak'i Onana tamin'ny tany ny tsirin'ainy rehefa niara-nandry tamin'i Tamara izy.

Nataon'i Yaveh inona i Onana zanaka lahin'i Joda faharoa, ary nahoana?

Namono an'i Onana i Yaveh satria ratsy izay nataony.

Genesis 38:11

Fampanantenana inona izany no nataon'i Joda tamin'i Tamara?

Nampanantena an'i Tamara i Joda fa Sela zanany fahatelo no ho vadiny rehefa mitombo i Sela.

Genesis 38:12

Fotoana maro taty aoriana, dia nahoana no nila nampaherezina i Joda?

Nampaherezina i Joda satria maty ny vadiny.

Inona no nataon'i Tamara rehefa reny fa handeha ho any Timna i Joda?

Nanala ny akanjo maha-mpitondratena azy i Tamara, nanao voaly ary nanarona ny tenany, ka nipetraka teo akaikin'ny lalana mankany Timna.

Nahoana no nanao izany i Tamara?

Nanao izany i Tamara satria efa nihalehibe ny zanaka lahin'i Joda fahatelo, nefa tsy nomena azy ho vadiny izy.

Genesis 38:17

Inona no nalain'i Tamara ho antoka amin'ny fandoavana nialohan'ny niraisan'i Joda ara-nofo taminy?

Nomen'i Joda an'i Tamara ny tombo-kaseny, ny kofehiny, ary ny tehiny mba ho antoka amin'ny fandoavana.

Genesis 38:21

Rehefa niezaka ny haka ny antoka tamin'ny fandoavana zanak'osy tamin'ilay mpivaro-tena i Joda, dia inona no fantany?

Fantatr'i Joda fa tsy nisy tempoly mpijangajanga tao amin'izany faritra izany.

Genesis 38:24

Inona no tian'i Joda atao rehefa fantany fa bevohoka i Tamara?

Te handoro an'i Tamara i Joda satria bevohoka tahaka ny mpivaro-tena i Tamara.

Inona no nataon'i Tamara rehefa nentina nivoaka tany amin'i Joda izy?

Nilaza izy fa bevohokan'ny lehilahy izay tompon'ny fanombohan-kase, kofehy, ary tehina izay tany aminy izy.

Ahoana no navalin'i Joda rehefa hitany ny fanombohan-kase, kofehy, ary tehina?

Nilaza i Joda fa marina mihoatra azy i Tamara, satria tsy nanolotra an'i Tamara ho vadin'i Sela izy.

Genesis 38:27

Firy ny zanaka naterak'i Tamara?

Nanana zanaka lahy kambana roa i Tamara.

Inona no nataon'ilay mpampivelona rehefa namoaka ny tanany avy tao an-kibon'ny reniny ny iray tamin'ireo kamban'i Tamara?

Rehefa namoaka ny tanany avy tao an-kibon'ny reniny ny iray tamin'ireo kamban'i Tamara dia naka kofehy mena ary namatotra izany teo amin'ny tanany ilay mpampivelona ary niteny hoe: "Ity no teraka voalohany."

Genesis 38:29

Iza no anaran'ireo mpirahalahy izay naterak'i Tamara?

Pereza sy Zera no anaran'ireo mpirahalahy izay naterak'i Tamara.