Genesis 34

Genesis 34:1

Inona no nataon'i Sekema, zanaka lahin'i Hamora, rehefa nahita an'i Dina, zanaka vavin'i Lea izy?

Nisambotra an'i Dina, naka an-keriny azy, ary nanery azy hiara-nandry taminy i Sekema.

Genesis 34:4

Inona no nataon'i Jakoba voalohany rehefa nandre ny momba izay nitranga tamin'i Dina izy?

Nitazona ny fahanginany mandra-pahatongan'ireo zanany lahy avy any an-tsaha i Jakoba.

Genesis 34:6

Inona no fihetsik'ireo zanaka lahin'i Davida rehefa ren'izy ireo izay nataon'i Sekema tamin'i Dina?

Tezitra mafy ireo zanaka lahin'i Davida.

Genesis 34:8

Inona no no tian'i Hamora, rain'i Sekema, mba hataon'i Jakoba?

Tian'i Hamora hanome an'i Dina ho an'i Sekema ho vadiny i Jakoba, ary mba hamela ny fianakavian'i Jakoba mba hifanambady amin'ny fianakavian'i Hamora.

Genesis 34:11

Inona no nolazain'i Sekema fa tiany hatao mba hahazoany an'i Dina ho vadiny?

Nilaza Sekema fa handoa sandan'ny vady lehibe araka izay tenenin'i Jakoba izy.

Ahoana no namalian'ireo zanaka lahin'i Jakoba an'i Sekema, ary nahoana?

Namaly am-pitaka an'i Sekema ireo zanaka lahin'i Jakoba, satria nandoto an'i Dina anabavin'izy ireo i Sekema.

Genesis 34:14

Inona no notakian'ireo zanaka lahin'i Jakoba mba hatao amin'i Hamora mialohan'ny haneken'izy ireo ny hifanambady amin'ny fianakavian'i Hamora?

Nitaky ireo zanaka lahin'i Jakoba fa ireo lahy rehetra amin'ny fianakavian'i Hamora dia tsy maintsy foraina.

Genesis 34:22

Rehefa niresaka tamin'ireo lehilahin'ny tanànan'izy ireo, dia inona no nolazain'i Hamora sy Sekema fa ho azy ireo raha nifanambady amin'ny fianakavian'i Jakoba izy ireo?

Nilaza izy ireo fa ho azy ireo ny biby fiompin'i Jakoba, ny fananany, ary ireo biby raha nifanambady amin'ny fianakavian'i Jakoba izy ireo.

Genesis 34:24

Ahoana no navalin'ireo lehilahin'ny tanànan'i Hamora rehefa nanontaniana raha te ho foraina izy ireo?

Nihaino an'i Hamora sy Sekema ireo lehilahin'ny tanànan'i Hamora ka noforaina ny lehilahy rehetra.

Inona no nataon'i Simeona sy Levy tamin'ny andro fahatelo taorian'ny namorana ireo lahy tamin'ny fianakavian'i Hamora?

Namono ny lahy rehetra tao amin'ny tanànan'i Hamora i Simeona sy Levy.

Genesis 34:27

Dia inona izany no nataon'ireo zanaka lahin'i Jakoba rehetra?

Nambabo ny tanàna ireo zanaka lahin'i Jakoba rehetra, naka ny harena rehetra, ary naka ireo zaza sy ireo vady.

Genesis 34:30

Ahoana no navalin'i Jakoba rehefa fantany ny momba izay nataon'i Simeona sy Levy?

Nilaza Jakoba fa nitondra olana ho azy i Simeona sy Levy satria mety hamotika azy sy ny ankohonany ireo mponin'ny tany.

Nahoana no nilaza i Simeona sy Levy fa tsy maintsy nanao izany izy ireo?

Nilaza Simeona sy Levy fa nanao izany izy ireo satria nitondra ny anabavin'izy ireo tahaka ny vehivavy janga i sekema.