Genesis 35

Genesis 35:1

Inona no nolazain'Andriamanitra mba halehan'i Jakoba sy hataony?

Nilaza tamin'i Jakoba mba handeha any Betela ary hanangana alitara ho an'Andriamanitra Andriamanitra.

Dia inona izany no nolazain'i Jakoba mba hataon'ny olona tao amin'ny ankohonany?

Nilaza azy ireo mba hanala ny andriamanin-kafan'izy ireo, mba hanadio ny tenan'izy ireo, ary mba hanolo ny akanjon'izy ireo Jakoba.

Genesis 35:4

Raha nandeha izy ireo, dia nahoana no tsy nanenjika azy ireo ny vahoakan'ireo tanàna nanodidina an'i Jakoba sy ny ankohonany?

Tsy nanenjika azy ireo ny vahoakan'ireo tanàna nanodidina an'i Jakoba sy ny ankohonany satria natahotra an'Andriamanitra izy ireo.

Genesis 35:6

Nahoana no niantso ilay toerana nalehan'izy ireo hoe "El-betela" Jakoba?

Niantso izany hoe "El-betela" Jakoba satria izany no toerana izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Jakoba rehefa nandositra an'i Esao i Jakoba.

Genesis 35:9

Anarana vaovao inona no nomen'Andriamanitra an'i Jakoba?

Nomen'Andriamanitra anarana vaovao hoe Israely i Jakoba.

Genesis 35:11

Fampanantenana inona no naverin'Andriamanitra nolazaina tamin'i Jakoba indray?

Namerina nilaza indray ny fampanantenana Andriamanitra fa ho lasa fikambanam-pirenena miaraka amin'ireo mpanjaka eo amin'ireo taranany i Jakoba, ary fa homena azy sy ireo taranany ny tany nampanantenain'Andriamanitra an'i Abrahama sy Isaka.

Genesis 35:16

Inona no nahazo an'i Rahely nandritra ny fiterahany an'i Benjamina?

Maty teo am-piterahana an'i Benjamina i Rahely.

Genesis 35:21

Nandre momba ny zavatra inona izay nataon'i Robena i Israely?

Nandre Israely fa niara-nandry tamin'i Bila, vaditsindranon'Israely i Robena.

Firy ireo zanaka lahin'i Jakoba?

Nanan-janaka lahy roambin'ny folo i Jakoba.

Genesis 35:23

Iza tamin'ireo zanaka lahin'i Jakoba no naterak'i Rahely?

Josefa sy Benjamina no naterak'i Rahely.

Genesis 35:28

Firy taona no niveloman'Isaka?

Niaina valopolo amby zato taona Isaka.

Iza no nandevina an'Isaka?

Esao sy Jakoba no nandevina an'Isaka.