Genesis 33

Genesis 33:1

Raha nankany amin'i Jakoba i Esao, dia ahoana no nandaharan'i Jakoba ireo vadiny tao aoriany?

Nametraka ireo mpanompo vavy aloha i Jakoba, avy eo Lea, ary avy eo Rahely.

Inona no nataon'i Jakoba raha nanatona ny rahalahiny izy?

Niankohoka tamin'ny tany impito i Jakoba raha nanatona ny rahalahiny izy.

Genesis 33:4

Inona no nataon'i Esao rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny izy?

Nihazakazaka Esao hitsena an'i Jakoba, namihina azy, nisakambina ny tendany, ary nanoroka azy.

Genesis 33:9

Inona no nolazain'i Esao mba hanaovan'i Jakoba ireo fanomezana izay nalefany ho an'i Esao mialoha?

Nilaza an'i Jakoba mba hihazona ireo ho azy i Esao, satria efa nanana ny ampy izy.

Antony roa inona avy no nomen'i Jakoba an'i Esao mba hanekeny ireo fanomezany?

Nilaza Jakoba fa satria efa nanome fahasoavana azy Andriamanitra, ary satria nanana ny ampy izy, dia tokony hanaiky ireo fanomezany i Esao.

Genesis 33:12

Nahoana no nilaza Jakoba fa tiany handeha hialoha Esao, raha andeha moramora kokoa izy?

Nilaza Jakoba fa tiany handeha hialoha Esao satria ho faty ireo biby fiompy raha mandeha mafy izy ireo.

Taiza no nolazain'i Jakoba fa handehanany hitondrany ny fianakaviany sy ny biby fiompiny?

Nilaza i Jakoba fa handeha hitondra ny fianakaviany sy ny biby fiompiny any amin'i Esao any Seira izy.

Genesis 33:15

Taiza no nalehan'i Jakoba, taiza no nananganany trano ho azy?

Nandeha tany Sokota i Jakoba, ary tao no nananganany trano ho azy.

Genesis 33:18

Taiza no nalehan'i Jakoba, izay nividianany ampahan-tany?

Nandeha nankany Sekema i Jakoba, ary tany no nividianany ampahan-tany.