Genesis 32

Genesis 32:3

Nandefa hafatra tamin'iza i Jakoba raha tamin'ny lalany mankany Kanana izy?

Nandefa hafatra tany amin'i Esao rahalahiny i Jakoba raha tamin'ny lalany mankany Kanana izy.

Inona no antony nandefan'i Jakoba izany hafatra izany?

Te hahita fitia eo imason'i Esao i Jakoba.

Genesis 32:6

Inona no fihetsik'i Jakoba rehefa reny fa tonga niaraka tamin'ny efajato lahy Esao, ary inona no nataony?

Natahotra Jakoba, koa nizara ny olony tao anaty antoko roa izy amin'izay raha nanafika ny antoko iray Esao, dia handositra ny antoko iray.

Genesis 32:11

Inona no nangatahin'i Jakoba tamin'i Yaveh?

Nangataka tamin'i Yaveh mba hanafaka azy amin'ny tanan'i Esao i Jakoba.

Fampanantenana inona no nampahatsiahivin'i Jakoba an'i Yaveh?

Nampahatsiahy an'i Yaveh i Jakoba fa nampanantena ny hanambina an'i Jakoba, ary hanao ny taranany ho tahaka ny fasi-dranomasina Izy.

Genesis 32:19

Inona no noheverin'i Jakoba fa afaka tanterahiny tamin'ny fandefasana fanomezana ho an'i Esao rahalahiny?

Nihevitra Jakoba fa angamba afaka hampitony an'i Esao amin'ireo fanomezana izay nalefany ho an'i Esao mba any aoriana kely, rehefa nahita azy Jakoba, dia handray azy Esao.

Genesis 32:22

Ahoana no nahatonga an'i Jakoba ho tavela irery tamin'izany alina izany?

Nitondra ireo vadiny, ireo mpanompo vaviny, ireo zanany niampita ny fitàn'i Jaboka izy.

Genesis 32:24

Inona no nataon'i Jakoba tamin'izany alina izany mandra-parain'ny andro?

Nitolona tamin'ny lehilahy iray mandra-parain'ny andro Jakoba.

Inona no nataon'ilay lehilahy rehefa tsy nahavita nandresy an'i Jakoba izy?

Novelesin'ilay lehilahy ny foto-pen'i Jakoba ka nopitsohiny izany.

Inona no nangatahan'i Jakoba nialohan'ny namelany ilay lehilahy mba handeha?

Nangataka ilay lehilahy mba hitso-drano azy i Jakoba.

Genesis 32:27

Inona no nolazain'ilay lehilahy tamin'i Jakoba fa ho lasa anarany?

Nilaza ilay lehilahy fa ho Israely ny anaran'i Jakoba ankehitriny.

Genesis 32:29

Iza no nolazain'i Jakoba fa hitany nifanatri-tava tamin'izany alina izany?

Nilaza Jakoba fa nahita an'Andriamanitra nifanatri-tava tamin'izany alina izany izy.

Genesis 32:31

Olana ara-batana inona no azon'i Jakoba taorian'izany alina izany?

Nandringa noho ny feny i Jakoba taorian'izany alina izany.