Genesis 31

Genesis 31:1

Avy taiza no ninoan'i Labana sy ireo zanany lahy fa nahazoan'i Jakoba ny hareny rehetra?

Nino Labana sy ireo zanany lahy fa nahazo ny hareny rehetra avy amin'ireo fananan'i Labana i Jakoba.

Inona no baiko nomen'i Yaveh an'i Jakoba?

Nibaiko an'i Jakoba mba hiverina any amin'ny tanin'ireo razambeny sy ireo havany i Yaveh.

Genesis 31:7

Ahoana no nakan'Andriamanitra ny biby fiompin'i Labana sy nanomezany ireo ho an'i Jakoba?

Nataon'Andriamanitra ho sadika, sy pentipentina ny zanak'ireo biby izay karaman'i Jakoba.

Genesis 31:14

Inona no fihetsik'i Rahely sy Lea tamin'i Labana rain'izy ireo?

Nilaza Rahely sy Lea fa nitondra azy ireo toy ny vahiny i Labana ary nandany ny volan'izy ireo.

Genesis 31:19

Inona no nataon'i Rahely nialohan'ny nandehanany niaraka tamin'i Jakoba?

Nangalatra ireo sampin-drainy i Rahely.

Ahoana no namitahan'i Jakoba an'i Labana tamin'izany fotoana izany?

Namitaka an'i Labana i Jakoba tamin'ny tsy nitenenany fa andeha hoe andeha izy.

Genesis 31:22

Inona no nataon'i Labana rehefa nolazaina izy fa nitsoaka i Jakoba?

Naka ireo havany ary nanaraka an'i Jakoba, ary nahatratra azy taorian'ny fito andro i Labana.

Genesis 31:24

Inona no nolazain'Andriamanitra tamin'i Labana tao amin'ny nofy?

Nilaza an'i Labana mba tsy hiteny tsara na ratsy amin'i Jakoba Andriamanitra.

Genesis 31:31

Nahoana no nilaza Jakoba fa nandositra an'i Labana an-tsokosoko izy?

Nilaza Jakoba fa nandositra an'i Labana an-tsokosoko izy satria natahotra izy fandrao halain'i Labana aminy an-keriny ireo zanany vavy.

Inona no nolazain'i Jakoba rehefa niampanga azy ho nangalatra ny sampiny Labana?

Nilaza Jakoba fa izay nangalatra ny sampiny dia tsy hihaina intsony.

Genesis 31:34

Nahoana no tsy hitan'i Labana teo amin'ireo fananan'i Jakoba ny sampiny?

Tsy hitan'i Labana ny sampiny satria nipetrahan'i Rahely ireo ka dia nilaza izy fa tsy afaka ny hitsangana satria tonga fadim-bolana izy.

Genesis 31:41

Hafiriana no niasan'i Jakoba ho an'i Labana, ary impiry no nanova ny karamany i Labana?

Niasa ho an'i Labana roapolo taona i Jakoba, ary nanova ny karamany impolo i Labana.

Genesis 31:43

Ahoana no nanehoan'i Labana fa mbola nihevitra ireo fananan'i Jakoba ho azy izy?

Nilaza Labana fa ny rehetra izay hitany fa fananan'i Jakoba dia azy.

Genesis 31:45

Ahoana no nanamarihan'i Jakoba sy Labana ny toerana tamin'ny faneken'izy ireo?

Nanamarika ny toeran'ny faneken'izy ireo tamin'ny fanaovana antontam-bato teo i Jakoba sy Labana.

Genesis 31:48

Iza no nambara ho vavolombelona teo amin'i Jakoba sy Labana mba hanamarina fa notanana ny fanekena?

Andriamanitra no nambara ho vavolombelona teo amin'i Jakoba sy Labana mba hanamarina fa notanana ny fanekena.

Genesis 31:51

Natao inona ny antontam-bato sy ny tsangam-bato?

Ny antontam-bato sy ny tsangam-bato dia samy vavolombelon'ny fanekena izay nilaza fa na Labana na Jakoba dia tsy hihoatra ny antontam-bato sy ny tsangam-bato mba hifandratra.

Fanekena inona no nataon'i Jakoba sy Labana?

Nifanaiky ny tsy hihoatra ny antontam-bato mba hanisy ratsy ny hafa i Jakoba sy Labana.

Inona no nataon'i Jakoba mba hanehoana fa nanakaiky ilay fanekena izy?

Mba hanehoana fa nanaiky an'i Labana momba ny fanekena dia nianianan tamin'Andriamanitra, izay natahoran'Isaka rainy i Jakoba.

Genesis 31:54

Inona no nataon'i Labana ny ampitso maraina?

Nifoha Labana, nanoroka ireo zafikeliny sy ireo zanany vavy, nitso-drano azy ireo, ary niverina nody.