Genesis 12

Genesis 12:1

Raha mbola nipetraka tany Harana i Abrama, dia inona no nolazain'i Yaveh mba hataon'i Abrama?

Niteny an'i Abrama mba hiala ao amin'ny tokantranon-drainy ka handeha any amin'ny tany izay tiany aseho an'i Abrama i Yaveh.

Fampanantenana inona no nataon'i Yaveh tamin'i Abrama?

Nampanatena i Yaveh fa hitahy an'i Abrama, hanao azy ho firenena lehibe, ary hitahy ny fianakaviany rehetra eto an-tany amin'ny alalany.

Genesis 12:4

Iza no nandeha niaraka tamin'i Abrama?

Nandeha niaraka tamin'i Saray, vadiny, ary Lota, zanaka lahin'ny rahalahiny i Abrama.

Tanàna taiza no nandehanan'i Abrama?

Nandeha nankany amin'ny tany Kanana i Abrama.

Genesis 12:6

Rehefa niseho tamin'i Abrama i Yaveh, dia fampanantenana inona no nataony tamin'i Abrama?

Nampanantena Yaveh fa hitoetra ao Kanana ireo taranak'i Abrama.

Genesis 12:8

Ahoana no nanompoan'i Abrama an'i Yaveh?

Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh sy niantso ny anaran'i Yaveh i Abrama.

Genesis 12:10

Niala tao Kanana, dia nandeha nankaiza i Abrama?

Niala tao Kanana, dia nankany Egypta i Abrama.

Inona no nampiahiahy an'i Abrama raha niditra an'i Egypta izy?

Niahiahy Abrama fandrao hamono azy ary haka an'i Saray vadiny ireo Egyptiana satria tsara tarehy izy.

Inona no nasian'i Abrama ho lazain'i Saray ireo Egyptiana momba azy?

Nasian'i Abrama hilaza amin'ireo Egyptiana i Saray fa anabavin'i Abrama izy.

Genesis 12:14

Inona no nitranga tamin'i Saray rehefa niditra an'i Egypta izy ireo?

Nalain'i Farao tao an-tokantranony i Saray.

Genesis 12:17

Inona no nanjo an'i Farao tamin'izany fotoana izany?

Nampahory an'i Farao sy ny ankohonany tamin'ny loza lehibe Yaveh.

Fanontaniana inona no napetrak'i Farao tamin'i Abrama?

Nanontany an'i Abrama i Farao hoe nahoana no nilaza izy fa anabaviny Saray fa tsy vadiny.

Nataon'i Farao inona i Abrama sy Saray?

Nandroaka an'i Abrama sy Saray i Farao.