Genesis 13

Genesis 13:1

Taiza no nandehanan'i Abrama taorian'ny nialany tao Egypta?

Nandeha nankany Negeva i Abrama.

Inona no nentin'i Abrama niaraka taminy?

Nitondra biby maro, sy volafotsy sy volamena marobe i Abrama.

Genesis 13:5

Nahoana no nisy fifandirana teo amin'ireo mpiandry ondrin'i Abrama sy Lota?

Nisy fifandirana teo amin'ireo mpiandry ondrin'i Abrama sy Lota satria tsy nahazaka an'i Abrama sy Lota hiara-hipetraka akaiky miaraka amin'ny fananan'izy ireo rehetra ny tany.

Genesis 13:8

Inona no natolotr'i Abrama mba hatao amin'i Lota?

Nanolotra Abrama fa hifidy izay hitoerany Lota, ka dia hitady ny toerana hitoerana izay nisaraka tamin'i Lota i Abrama.

Genesis 13:10

Taiza no nofidian'i Lota mba hitoerana ary nahoana?

Nifidy ny hifindra niatsinanana mba hitoetra ao amin'ny lemak'i Jordana i Lota satria tsara tondraka tokoa izany.

Genesis 13:12

Dia taiza izany i Abrama no nipetraka?

Nipetraka tany amin'ny tany Kanàna i Abrama.

Karazana olona inona no nipetraka tao Sodoma?

Ireo olon'i Sodoma dia tena mpanota ratsy fanahy manohitra an'i Yaveh.

Genesis 13:14

Tamin'izany fotoana izany, dia inona no nolazain'i Yaveh fa homeny an'i Abrama?

Nampanantena Yaveh fa ny tany rehetra izay hitan'i Abrama teo amin'izay nijoroany dia homena azy.

Genesis 13:16

Taranaka firy no nolazain'i Yaveh fa ho azon'i Abrama?

Nilaza an'i Abrama i Yaveh fa hanan-taranaka maro izay tsy hay isaina, "maro toy ny vovoky ny tany" izy.

Akaikin'ny tanàna inona no nifindran'i Abrama?

Nifindra akaikin'ny tanànan'i Hebrona i Abrama.