Genesis 11

Genesis 11:1

Vao tao aorian'ny safo-drano, dia nisy fiteny firy teto an-tany manontolo?

Vao tao aorian'ny safo-drano, dia teny iray ihany no nisy eran-tany.

Taiza no nananganan'ny olona ny tanàna sy ny tilikambon'izy ireo?

Nanangana ny tanàna sy ny tilikambon'izy ireo tao amin'ny tany Sinara ny olona.

Genesis 11:3

Inona no notapahin'ny olona atao raha tokony hiely maneran-tany araka ny nandidian'Andriamanitra?

Raha tokony hiely maneran-tany araka ny nandidian'Andriamanitra, dia nanapa-kevitra ny hanangana tanàna sy tilikambo ny olona.

Inona no tian'ny olona mba hatao ho azy ireo?

Te hanao anarana ho azy ireo ny olona.

Genesis 11:5

Inona no nidinan'i Yaveh sy nanaovany ny olona?

Nidina Yaveh ka nampifangaro ny fitenin'ny olona.

Nahoana no nanao izany Andriamanitra?

Nampifangaro ny fitenin'izy ireo Andriamanitra mba tsy hifankahazo izy ireo.

Genesis 11:8

Dia nataon'Andriamanitra naninona izany ny olona?

Nahatonga ny olona hiparitaka nanerana ny velaran-tany rehetra, araka ny nandidiany Andriamanitra.

Inona no anaran'ny tanàna izay noezahan'ny olona hatsangana?

Babela no anaran'ilay tanàna.

Genesis 11:10

Taranaky ny zanak'i Noa iza no nomena tato amin'ity toko ity?

Ireo taranak'i Sema, zanak'i Noa, no nomena tato amin'ity toko ity.

Genesis 11:24

Iza no rain'i Abrama?

Tera no rain'i Abrama.

Genesis 11:27

Harana zanak'i Tera dia nanan-janaka lahy dia iza no anarany?

Harana zanak'i Tera dia nanan-janaka lahy nantsoina hoe Lota.

Taiza i Tera no nipetraka?

Nipetraka tany Ora tao Kaldeana i Tera.

Genesis 11:29

Iza no anaran'ny vadin'i Abrama?

Saray no anaran'ny vadin'i Abrama.

Inona no olan'ny vadin'i Abrama?

Momba i Saray vadin'i Abrama ka tsy nanan-janaka.

Genesis 11:31

Nifindra niaraka tamin'i Abrama, Saray, ary Lota taiza i Tera?

Nifindra tany amin'ny tany Kanana niaraka tamin'i Abrama, Saray, ary Lota i Tera.