Genesis 48

Genesis 48:1

Ary

Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny fizaran-tantara vaovao.

nisy nilaza tamin'i Josefa

"nisy olona nilaza tamin'i Josefa"

Indro, (...) rainao

"Indro, (...) rainao." Eto ny teny hoe "indro" dia nampiasaina hisarihana ny fifantohan'i Josefa.

Dia nentiny

"Dia nentin'i Josefa"

Rehefa nilazana Jakoba hoe

Afaka atao izany hoe: DH: "Raha nisy nilaza tamin'i Jakoba" (UDB)

Josefa zanakao lahy tonga mba hijery anao

"tonga eto aminao i Josefa zanakao lahy"

nanangona hery Israely ka niarina nipetraka teo am-pandriana

Eto ny mpanoratra dia miresaka ny miezaka miharina hipetraka eo am-pandriana toy ny hoe manangona "hery" toy ny olona izay manangona zavatra tena misy. DH: "Nanao ezaka mafy Israely mba hipetraka eo am-pandriana" na "'Niady ny hipetraka eo am-pandriana Israely"

Genesis 48:3

Lozy

Anaran-tanàna izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:18.

tany amin'ny tany Kanana. Nitso-drano ahy Izy ka nanao tamiko hoe

Afaka adika amin'ny fehezanteny vaovao izany antomboka amin'ny toerana samihafa. DH: "ao amin'ny tany Kanana, dia nitahy ahy izy. Ary nilaza tamiko hoe"

Nitso-drano

Ilazana ny fanononan'Andriamanitra tso-drano ho an'ny olona iray izany.

ka nanao tamiko hoe: 'Indro, hampamokatra, sy hahamaro anao Aho. Hahatonga firenena maro avy aminao Aho. Dia homeko ny taranakao ity tany ity ho fananana mandrakizay.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "ary niteny tamiko fa hampamokatra sy hahamaro ahy. Ary, nilaza tamiko fa hanao ahy ho firenena maro ary hanome ity tany ity ho fananana mandrakizay."

Indro

Nampiasa ny teny hoe "indro" Andriamanitra eto mba hanairana an'i Jakoba mba hitandrina tsara izay holazainy aminy.

hampamokatra, sy hahamaro anao Aho

Ny andian-teny "hahamaro anao" dia manazava ny fomba hanaovan'Andriamanitra an'i Jakoba "'hamokatra." DH: "Hanome anao taranaka maro tokoa aho"

Hahatonga firenena maro avy aminao Aho

Eto ny "ianao" dia ilazana an'i Jakoba, kanefa dia manondro ireo taranak'i Jakoba izany. DH: "Ataoko ho tonga firenena maro ireo taranakao"

fananana mandrakizay

"fananana maharitra"

Genesis 48:5

Ary

Eto ny "Ary" dia tsy midika hoe "ankehitriny," fa kosa nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka.

Efraima sy Manase dia ho ahy

Efraima sy Manase dia samy hahazo zara amin'ny tany toy ireo rahalahin'i Josefa.

ho tanisain'izy ireo ny anaran'ireo rahalahiny araka ny lovan'izy ireo

Ireo mety ho heviny dia 1) ny sisa amin'ireo zanak'i Jakoba dia handova ny tany toy ny zara fokon'i Efraima sy Manase na 2) homena tany mitokana avy amin'i Efraima sy Manase i Josefa ary ireo zanak'i Josefa dia handova ny tany. DH: " ary ho an'ireo mpandova anao, dia hotanisainao araka ny anaran'ireo rahalahiny izy ireo"

Efrata

Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Betlehema izany. Jereo ny nandikanao izany anaran-tanàna izany ao amin'ny 35:16.

(izay atao hoe, Betlehema)

Manome fampahafantara fototra ny mpanoratra.

Genesis 48:8

An'iza moa ireto?

"Zanak'iza ireto?"

hitsofako rano

Ny ray matetika dia manonona tso-drano ho fitahiana amin'ireo zanany na zafiny.

Ary efa nanjavona ny mason'i Israely ... tsy afaka mahita

Ny teny hoe "Ary" eto dia nampiasaina hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Israely.

nanoroka (...) azy ireo izy

"Nanoroka azy ireo Israely"

Genesis 48:11

hahita ny tavanao indray

Eto ny "tava" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "hahita anao indray"

teo anelanelan'ny lohalik'i Israely

Raha mametraka ireo zanany lahy teo amin'ny fe na ny lohalik'Israely i Josefa, izany dia marika fa hanangana azy ireo Israely. Manome zom-pandovana manokana an'ireo zaza avy amin'i Jakoba izany.

ary niankohoka tamin'ny tany izy

niankohoka tamin'ny tany i Josefa haneho fanomezam-boninahitra ny rainy.

Manase teo an-tanan-kaviany manatrika ny an-tanan-kavanan'i Israely

Nametraka ireo zazalahy i Josefa mba hametrahan'i Israely ny tanany ankavanana amin'i Manase. Manase no lahimatoa ary ny tanana ankavanana dia marika fa hahazo ilay fitahiana lehibe izy.

Genesis 48:14

ny tanany havanana ka napetrany teo ambonin'ny lohan'i Efraima

Ny mametraka ny tanany havanana eo amin'ny lohan'i Efraima dia famantarana fa izy no hahazo ilay fitahiana lehibe.

nitso-drano an'i Josefa i Israely

Eto i "Josefa" dia ilazana an'i Efraima sy Manase. Koa satria i Josefa ny rainy, dia izy ihany no voantonona eto.

Ilay Andriamanitra izay nandeha teo alohan'i Abrahama sy Isaka

Ny fanompoana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe mandeha eo anoloan'Andriamanitra. DH: "Ilay Andriamanitra izay notompoin'i Abrahama sy Isaka"

izay niahy ahy

Niahy an'i Israely toy ny mpiandry ondry izay miahy ny ondriny Andriamanitra. DH: "izay niahy ahy toy ny mpiandry ondry izay miahy ireo biby fiompiny"

ilay anjely

Ireo mety ho heviny dia 1) ilazana ilay anjely izay nirahan'Andriamanitra hiaro an'i Jakoba izany na 2) ilazana an' Andriamanitra izay naka endrika anjely ka niharo an'i Jakoba.

niaro ahy

"nanavotra ahy"

Ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako, ary ny anaran'i Abrahama sy Isaka razako

Eto ny "anarana" dia ilazana olona. Ny andian-teny "ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako" dia fomba fiteny izay midika fa ny olona iray dia tsaroana nohon'ny olona iray hafa. Afaka atao izany hoe: DH: "Ho tsaroan'ny olona anie Abrahama, Isaka, ary izaho noho Efraima sy Manase"

Hihamaro eto an-tany anie izy ireo

Eto ny "izy ireo" dia ilazana an'i Efraima sy Manase, kanefa ilazana ireo taranak'izy ireo. DH: "Hanana taranaka maro anie izy ireo izay hiaina manerana ny tany manontolo"

Genesis 48:17

Apetraho eo ambonin'ny lohany ny tananao an-kavanana

Ny tanana ankavanana dia marikin'ny fitahiana lehibe izay natao ho an'ny lahimatoa.

Genesis 48:19

Ho tonga firenena, sy ho tonga lehibe ihany koa izy

Eto ny "izy" dia ilazana an'i Manase, kanefa ilazana an'ireo taranany ihany koa izany. DH: "Hanana zanaka maro ireo taranakao, ary ho tonga firenena lehibe izy ireo"

Izao teny izao (...) tamin'izany andro izany

Eto ny "teny" dia ilazana izay voalaza. DH: " tamin'izany andro izany, nilaza hoe"

Amin'ny anaranareo no hanononan'ny vahoakan'i Israely fitahiana

"Hiresaka ny anaranareo ny vahoakan'i Israely rehefa manonona fitahiana ho an'ny hafa"

Amin'ny anaranareo no hanonona (...) hoe 'Andriamanitra anie hahatonga anareo tahaka an'i Efraima sy Manase

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Amin'ny anaranareo. No hangatahin'izy ireo amin'Andriamanitra mba hanao ny hafa ho toan'i Efraima sy Manase ihany koa"

tahaka an'i Efraima sy Manase

Ny fanonon'Andriamanitra ny anaran'i Efraima mialoha dia fomba ilazana fa Efraima dia ho lehibe noho i Manase.

nametrahan'i Israely an'i Efraima ho eo alohan'i Manase

Ny manome tso-drano lehibe an'i Efraima sy ny manao azy hanan-danja kokoa noho i Manase dia resahina toy ny hoe tena eo anoloan'i Manase tokoa i Efraima.

Genesis 48:21

homba anao ... hitondra anao hiverina ... any amin'ireo razanao

Eto ny "ianao" sy "..nao" dia ilazana ny vahoaka Israely rehetra.

homba anao

Fomba fiteny izay midika izany fa Andriamanitra dia hanampy sy hitahy ny vahoaka Israely. DH: "Hanampy anao Andriamanitra" na "Hitahy anao Andriamanitra"

hitondra anao hiverina

Eto ny "mitondra" dia azo adika ihany koa hoe "maka"

tanin'ireo razanao

"tanin'ireo razambenao"

Ho anao, izay ambony noho ireo rahalahinao, dia omeko anao ny "zaratany" na ny "tany kisolosolo"

Ireo mety ho heviny dia 1) Ny fananan'i Josefa voninahitra sy fahefana ambony noho ireo rahalahiny dia resahina toy ny tena hoe ambony noho izy ireo izy. DH: "Ho anao, izay lehibe noho ireo rahalahinao, no homeko ny "zaratany" na ny "tany kisolosolo" na 2) tian'i Jakoba ambara fa hanome tany betsaka kokoa an'i Josefa izy mihoatra noho izay homeny ireo rahalahin'i Josefa. DH: "Homeko, anao ny tany lemaka iray mihoatra noho izay omeko ireo rahalahinao. Homeko anao ny tendrombohitrin'ny "zaratany" na ny "tany kisolosolo"

Ho anao

Eto ny "ianao" dia ilazana an'i Josefa.

ny zaratany izay nalaiko tamin'ny Amorita tamin'ny sabatro sy ny tsipikako

Eto ny "sabatra" sy ny "tsipika" dia ilazana ny fifanandrinana amin'ny ady. DH: "ilay ampahan-tany izay niadivako sy nalaiko tamin'ireo Amorita"