Genesis 47

Genesis 47:1

naka dimy tamin'ireo rahalahiny i Josefa

Ny UDB dia mandahatra ny tranga araka ny fotoana nanjakan'i Farao, raha mandahatra ny tranga araka ny nanoratan'ny mpanoratra izany kosa ny ULB.

Genesis 47:3

Mpiandry ondry ny mpanomponao

"Mpiandry ondry aman'osy ireo mpanomponao"

ireo mpanomponao

Ny fianakavian'i Josefa dia manondro ny tenany amin'ny hoe "Ireo mpanomponao" raha niresaka tamin'i Farao. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony kokoa. Afaka atao izany hoe: DH: "Izahay, mpanomponao" na "izahay"

tahaka ireo razambenay

"izahay sy ireo razambenay"

Tonga ho mpivahiny fotoana fohy amin'ity tany ity izahay

"Tonga hipetraka mandritra ny fotoana fohy aty Egypta izahay"

Tsy misy ahitra

"Tsy misy bozaka hohanina"

Ary

Tsy midika izany hoe "amin'izao fotoana izao" izany, fa nampiasaina kosa hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja izay manaraka.

Genesis 47:5

Eo anoloanao ny tany Egypta

"misokatra ho anao ny tany Egypta" na "ny tanin'i Egypta manontolo dia azonao ampiasaina avokoa"

Ampitoero ao amin'ny faritra tsara indrindra ny rainao sy ireo rahalahinao, dia ny tanin'i Gosena

"Ampitoero any Gosena ny rainao sy ireo rahalahinao, izay tany tsara indrindra amin'ny faritra"

Raha mahafantatra olona mahay amin'izy ireo ianao, dia ampitantano ny biby fiompiko ireo

Azo ambara avy amin'izany fa mahay mikarakara biby izy ireo. DH: "Raha mahafantatra lehilahy amin'ireo izay manana traikefa amin'ny fikarakarana biby fiompy"

Genesis 47:7

Nitso-drano an'i Farao i Jakoba

Eto ny "nitso-drano" dia manonona faniriana tsara na zavatra mitondra tombotsoa hitranga eo amin'ny olona iray.

Hafiriana izay no nahavelomanao?

"Firy taona ianao?"

Telo-polo amby zato izay no taonan'ny diako

Ny andian-teny "taonan'ny diako" dia ilazana ny fotoana izay niainany teto an-tany nivezivezy teny amin'ny toerana iray nankany amin'ny toerana iray hafa. DH: "nifindrafindra teto an-tany aho nandritra ny 130 taona"

Vitsy ary nangirifiry ny androm-piainako ... Tsy mba lava tahaka ny an'ny razako ireo

Milaza i Jakoba fa fohy ny androny raha mitahy amin'ny an'i Abrahama sy Isaka.

ary nangirifiry

Nandia fijaliana mafy sy olana na sedra i Jakoba nandritra ny fiainany.

Genesis 47:11

nampitoetra ny rainy sy ireo rahalahiny i Josefa

"Ary nandray an-tanana ny rainy sy ireo rahalahiny i Josefa ary nanampy azy ireo hanangana ny toerana izay honenany"

tanin'i Ramesesa

Anarana hafa iantsoana ny tanin'i Gosena izany.

araka ny isan'ny zanany avy

Eto, ny teny hoe "zanaka" dia midika hoe zanaka mbola kely ao anatin'ny fianakaviana. DH: "araka ny hahamaron'ny zazakely ao amin'ny fianakavian'izy ireo"

Genesis 47:13

Ary

Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fiatoana ao amin'ny votoatin'ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka milaza amintsika ny fizaran-tantara vaovao.

ny tany Egypta sy Kanana

Ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'ireo tany ireo izany. DH: "Ny olon'i Egypta sy ny olon'i Kanana"

Simba

"tonga nahia sy reraka"

Nangonin'i Josefa tamin'ny alalan'ny fivarotana vary tamin'ireo mponina avokoa ny vola rehetra teo amin'ny tany Egypta sy ny tany Kanana

"Nandany ny volan'izy ireo tamin'ny fividianana vary tamin'i Josefa ny olon'ny tany Egypta sy Kanana"

Nangonin'i Josefa ... nentin'i Josefa

Azo antoka tokoa fa nandamina ireo mpanompony hanangona sy hitondra ny vola i Josefa.

Genesis 47:15

Rehefa lany avokoa ny volan'ny tany Egypta sy tany Kanana

Eto ny "tany" dia ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'ny tany. Afaka atao izany hoe: "Rehefa nampiasa ny volany rehetra ny mponin'i Egypta sy Kanana"

ny tany Egypta sy tany Kanana

"avy any amin'ny tany Egypta sy tany Kanana"

Nahoana izahay no dia ho faty eto anatrehanao satria lany ny volanay?

Mampiasa izany fanontaniana izany ny olona mba hanindriana ny fahadisoam-panantenany ny amin'ny fividianana sakafo. Afaka adika ho fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "Aoka re, aza avela ho faty izahay nohon'ny nampiasainay ny volanay rehetra!"

Novokisany mofo izy ireo

Eto ny "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "Nanome sakafo azy ireo izy" (UDB) na "Namatsy sakafo azy ireo izy"

Genesis 47:18

tonga teo aminy (...) izy ireo

"tonga teo amin'i Josefa ny olona"

Tsy anafina amin'ny tomponay izahay

Manondro an'i Josefa amin'ny hoe "tompoko" ny olona. Izany dia fomba mihaja ilazana ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "Tsy hiafina aminao tomponay izahay" na "Tsy hiafina aminao izahay"

Tsy misy na inona na inona tavela eo imason'ny tomponay

Eto ny "maso" dia ilazana an'i Josefa. DH: "Tsy manana na inona na inona tavela homena anao izahay, ry tomponay"

Nahoana izahay no ho faty eo imasonao, miaraka amin'ny taninay?

Ny teny "maso" dia ilazana ny fahitan'i Josefa. Mampiasa izany fanontaniana izany ny olona mba hanindriana ny fahadisoam-panantenany ny amin'ny fividianana sakafo. Afaka adika ho fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "Aoka re, aza mijery anay ho faty sy ny taninay ho simba!"

Nahoana izahay no ho faty ... izahay sy amin'ny taninay

Lasa tsy misy ilaina azy sy simba ny tany satria tsy misy voa hampanirina; izany no nahatonga ny tany horesahina hoe ho faty.

Genesis 47:20

Tamin'izay dia lasan'i Farao ny tany

"ary dia lasan'i Farao ny tany"

Ny tanin'ny mpisorona no hany tsy novidian'i Josefa

"Kanefa tsy mba novidiany ny tanin'ireo mpisorona"

satria nomena tombony ireo mpisorona

Ny "tombony" dia vola be na sakafo izay omen'ny olona tsy tapaka ny olona iray hafa. Afaka atao izany hoe: DH: "Nanome vola be ho an'ireo mpisorona i Farao isan'andro"

Nihinana tamin'ny anjara nomen'i Farao azy izy ireo

"Nihinana tamin'izay nomen'i Farao izy ireo"

Genesis 47:23

dia hamboly

"izay afaka hambolenao"

Amin'ny fijinjana, dia tsy maintsy manome ny ampaha-diminy ho an'i Farao ianareo, ary ny ampahany efatra ho anareo manokana

Ny teny hoe "ampaha-dimy" dia fizarana. DH: "Amin'ny fotoam-pijinjana dia hizara ny vokatra ho ampahany dimy ianareo. Averinaoamin'i Farao ny ampahany iray ho hofany ary ny efatra ambiny no ho anareo manokana"

ho sakafo ho an'ny ankohonanareo sy ny zanakareo

Afaka ataonao mazava izany. DH: "ho sakafo ho an'ny ankohonanao sy sakafo ho an'ny zanakareo"

Genesis 47:25

Enga anie ka hahita fitia eo imasonao izahay

Eto ny "maso" dia ilazana ny fisainana na ny hevitra. DH: "Aoka ho faly aminay ianao"

hahita fitia

Ny heviny dia manaiky ny olona iray ny olona iray hafa.

teo amin'ny tany Egypta

"manerana ny tany Egypta" na "manerana an'i Egypta"

hatramin'izao andro izao

ilazana ny fotoana izay nanoratan'ny mpanoratra izany.

iray ampaha-diminy

Adikao mitovy amin'ny nandikanao ny "ampahadimy" ao amin'i 47:23.

Genesis 47:27

Namokatra be izy ireo ary nitombo isa fatratra

Ny teny hoe "nitombo" dia manazava ny maha "namokatra" azy ireo. DH: "Nanana zanaka maro izy ireo"

Namokatra

Eto ny "Namokatra" dia ilazana ny fanambinana na ny fananana zanaka.

fito ambin'ny folo taona

"17 taona"

ka fito amby efa-polo amby zato taona ny androm-piainany (Jakoba)

niaina 147 taona i Jakoba

Genesis 47:29

Rehefa akaiky ny fotoana hahafatesan'Israely

Miresaka ny fotoana toy ny zavatra izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "Rehefa nanakaiky ny fotoana hahafatesan'Israely"

Raha nahita fitia teo imasonao aho

Eto ny "maso" dia ilazana ny fisainana na ny hevitra. DH: "Raha nahita fitia aminao aho" na "Raha faly amiko ianao" (UDB)

ary

Tsy midika izany hoe "amin'izao fotoana izao" izany, fa nampiasaina kosa hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja izay manaraka.

nahita fitia

Ny heviny dia manaiky ny olona iray ny olona iray hafa.

apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao

Marikin'ny fahamatoran'ny fampanantenana izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:1.

anehoy fahatokiana sy fahamendreham-pitokisana aho

Ny anarana hoe "fahatokiana" sy ny "fahamendreham-pitokisana" dia afaka adika ho lasa mpamari-toetra. DH: "ento amin'ny fomba mahatoky sy mendri-pitokisana aho"

Aza mba halevina eto Egypta re aho

Ny teny hoe "aoka" dia manindry ny fangatahana.

Rehefa mody mandry miaraka amin'ireo razako aho

Eto ny "mody mandry" dia fomba mihaja ilazana ny fahafatesana. DH: "Rehefa maty aho ka manjoy ireo fianakaviako izay efa maty talohako"

Mianiana amiko

"manaova fampanantenana amiko" na "manaova fihanianana amiko"

nianiana taminy

"nanao fampanantenana taminy" na "nanao fihanianana taminy"