Genesis 49

Genesis 49:1

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manomboka eto ny tsodranon'i Jakoba farany ho an'ireo zanany lahy. Mitohy hatrany amin'ny 49:27 izany. Ny fanoratan'i Jakoba dia natao miendrika asa soratra kanto.

Mivoria ary mihainoa, ianareo ry zanaka lahin'i Jakoba. Mihainoa an'i Israely, rainareo

Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza zavatra iray ary natao hanasongadinana izany. DH: "Manantòna ary mihainoa tsara ny rainareo"

ianareo ry zanaka lahin'i Jakoba. Mihainoa an'i Israely, rainareo

Manondro ny tenany amin'ny hoe Jakoba i Israely. Afaka atao izany hoe: DH: " ianareo zanako. Mihainoa ahy, rainareo"

Genesis 49:3

lahimatoako, ny maheriko, ary ny fiandohan'ny heriko

Ny andian-teny "lahimatoako, ny maheriko" sy ny "ny fiandohan'ny heriko" dia midika zavatra mitovy ihany. Ny teny hoe "mahery" sy "hery" dia ilazana ny fahafahan'i Jakoba mamokatra zanaka. Ny teny hoe "lahimatoa" sy "fiandohana" dia midika fa i Robena no zaza voalohany. DH: "ny zanako voalohany nahatonga ahy ho ray"

miavaka amin'ny fahamendrehana, ary miavaka amin'ny fahefana

Afaka atao ho lasa fehezan-teny vaovao izany. DH: "Ianao no ho voalohany amin'ny voninahitra sy ny fahefana" na "hihoatra ny olona rehetra ianao amin'ny voninahitra sy ny fahefana"

Tsy voafehy toy ny rano mandeha

Mampitahy an'i Robena amin'ny rano entin'ny herin-driaka i Jakoba mba hanindrina fa tsy hahafehy ny hatezerany izy ary tsy tony.

tsy hahazo ny lohany ianao

"tsy ho lohany amin'ireo rahalahinao ianao"

satria niakatra teo amin'ny fandrian'ny rainao ianao. Avy eo nandoto izany ianao; niakatra teo amin'ny fandriako ianao

Eto ny "fandriana" dia ilazana an'i Bila vaditsindranon'i Jakoba. Nilaza ny niarahan'i Robena natory tamin'i Bila izany. DH: "satria ianao nandeha tao am-pandriako ary niara-nandry tamin'i Bila vaditsindranoko. Nampahamenatra ahy ianao"

niakatra teo amin'ny fandrian'ny rainao ianao ... niakatra teo amin'ny fandriako ianao

Ireo fanambarana roa ireo dia manana hevitra mitovy.

Genesis 49:5

Simeona sy Levy dia mpirahalahy

Tsy midika fotsiny izany hoe mpirahalahy iray tampoho izy ireo.Tian'i Jakoba hasongadina ihany koa fa niara-niasa namono ny olona tao Sekema ihany koa izy ireo.

Ireo fitaovam-piadian'ny herisetra no sabatr'izy ireo

"Mampiasa ny sabany izy ireo handratrana sy hamonoana olona"

Ry fanahiko ... ny foko

Mampiasa ny teny hoe "fanahy" sy "fo" i Jakoba ilazany ny tenany sy izay lazain'ny olona azy, ary mety ilazan'Andriamanitra azy koa, hanome voninahitra azy fatratra tokoa ka tsy tiany ny hanaraka ireo izay manao tetika ratsy.

aza miditra ao amin'ireo filan-kevitr'izy ireo; aza miditra ao amin'ny fivorian'izy ireo

Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza zavatra iray ihany. Namperahan'i Jakoba ireo mba hanasongadinany fa izy dia tsy nandray anjara na niray petsapetsa tamin'ny teti-dratsy. DH: "Tsy hiaraka tokoa amin'izy ireo hanao teti-dratsy aho"

nitraingoin'izy ireo omby

Ilazana an'i Simeona sy Levy mandratra omby ho an'ny fialambolin'izy ireo ihany.

nitraingo

Ilazana ny fanapahana ireo oza-pen'ny biby mba tsy hahafahany mandeha izany.

Genesis 49:7

Aoka hozonina ny hatezeran'izy ireo, fa nasiaka izany—sy ny faharomotan'izy ireo, fa loza be izany

Ny fanozonan'Andriamanitra an'i Simeona sy Levy dia resahina toy ny hoe manozona ny hatezeran'izy ireo sy ny faharomotany. Afaka atao izany hoe: DH: "Niteny ny tompo hoe, 'hanozona azy ireo aho nohon'ny faharomotan'ny fahatezerany sy ny fahavinirany loza be" na "Izaho, ilay Tompo, dia hanozona azy nohon'ny faharomotan'ny fahatezerany sy ny fahavinirany loza be"

Aoka hozonina ny hatezeran'izy ireo

Amin'ny faminaniana, ny mpaminany matetika dia miresaka ny tenin'Andriamanitra toy ny hoe Andriamanitra mivantana no miresaka. Manindry ny fifandraisana akaiky amin'ilay mpaminany sy Andriamanitra izany.

ary ny faharomotan'izy ireo, fa loza be izany

Ny teny hoe "hozoniko" dia azo avy hatrany. DH: "ary hozoniko ny faharomotan'izy ireo satria loza be izany"

Hizara azy ireo any amin'i Jakoba aho ary hampiely azy ireo any amin'i Israely

Ny teny hoe "Izaho" dia ilazana an'Andriamanitra. Ny teny hoe "azy ireo" dia ilazana an'i Simeona sy Levy kanefa izy ireo dia sarinteny ilazana an'ireo taranany. Ny teny hoe "Jakoba" sy "Israely" dia sarinteny ilazana ny vahoakan'Israely rehetra. DH: "Hizara ireo taranany ary hampiely azy ireo eo amin'ny vahoakan'Israely aho"

Genesis 49:8

hidera anao ireo rahalahinao ... Hiankohoka eo alohanao ireo zanaka lahin'ny rainao

Mitovy ihany ny dikan'ireo fanambarana ireo.

hidera anao (...) ny tananao

Ny fehezanteny faharoa dia mampitombina ilay fehezanteny voalohany. Ny teny "satria" sy "nohon'ny" dia azo ampiana eto hampahazava izany. DH: "hidera anao. Fa ny tananao" na "hidera anao nohon'ny tananao"

Ho eo am-bozon'ireo fahavalonao ny tananao

Fomba hilazana ny hoe "handresy ireo fahavalonao ianao"

Hiankohoka

Ny heviny dia mandohalika haneho fanetre-tena sy hampiseho fanajana sy voninahitra manolona ny olona iray.

Genesis 49:9

Joda dia zana-diona

Miresaka an'i Joda toy ny zana-diona i Jakoba. Manindry ny herin'i Joda i Jakoba. DH: "Toy ny liona tanora i Joda" (UDB)

Ry zanako lahy, niakatra tamin'ireo fandresenao ianao

"ianao, ry zanako lahy, dia niverina avy tamin'ny fihinanana ny hazanareo"

toy ny liona

Nampitahy an'i Joda tamin'ny liona vavy ihany koa i Jakoba. Ny liom-bavy no voalohany amin'ny fihazana sy ny fiarovana ireo zanany.

Iza no hahasahy hamoha azy?

Nampiasa izany fanontaniana izany Jakoba mba hanindrina ny fahatahoran'ny olona an'i Joda. DH: "Tsy misy olona te hamoha azy"

Genesis 49:10

Ny tehim-panjakana dia tsy hiala eo amin'i Joda, na ireo tehin'ireo mpanapaka eo anelanelan'ny tongony

Ny "tehina" dia hazo lava voaravaka izay entin'ny mpanjaka. Eto izany dia sarinteny ilazana ny fahefan'ny olona hanapaka. Ary ny "Joda" dia ilazana ireo taranany. DH: "Ny fahefana hanjaka dia ho eo amin'ny taranak'i Joda mandrakizay"

mandra-pahatongan'i Silo. Hankatoa azy ireo firenena

Ireo mety ho heviny dia 1)"Silo" dia midika hoe "fanomezam-boninahitra." DH: "mandra-pankatoa van'ireo firenena azy sy hitondrany fanomezam-boninahitra ho azy" na 2)"Silo" dia ilazana ny tanànan'i Silo. DH: "mandrapahatongan'ny mpanapaka any Silo. Ary dia hankatoa azy ireo firenena." Maro ny olona mihevitra izany ho faminaniana mahakasika an'ilay Mesia izay avy amin'ny taranak'i Davida. Taranak'i Joda i Davida.

Hankatoa azy ireo firenena

Eto ny "firenena" dia ilazana ireo olona. DH: "Hankatoa azy ireo olon'ny firenena"

Genesis 49:11

Namatotra ny apondrany ...teo amin'ny voaloboka voasafidy

Milaza zavatra iray ihany izany fanambarana roa izany. Hita avy amin'izany fa vokatra be ilay voaloboka ka tsy mampaninona ny tompony na dia mihinana amin'izany aza ilay apondra.

azy ... izy

Ireo mety ho heviny dia 1)ilazana ireo taranak'i Jakoba. DH: "azy ... ireo" na 2) ilazana ilay mpanapaka ao amin'ny 49:10, izay mety ilazana ilay Mesia.

nanasa ireo fitafiany ... tao anatin'ny ràm-boaloboka

Milaza zavatra iray ihany izany fanambarana roa izany. Hita avy amin'izany fa betsaka ny voaloboka ka afaka manasa ny ankanjony amin'ny ranon'izany izy ireo.

nanasa ireo fitafiany

Matetika amin'ny faminaniana ny tranga izay hiseho amin'ny ho avy dia manoritsoritra zavatra izay efa nitranga tamin'ny lasa. Manasongadina izany fa hiseho tokoa izany tranga izany. DH: "hanasa izy ireo" na "hanasa izy"

ny ràm-boaloboka

Miresaka ny ranom-boaloboka toy ny rà izany. Manindry ny lokon'ny ranomboakazo izay mena izany.

Ho mainty toy ny divay ireo masony

Ilazana ny lokon'ny mason'ny olona amin'ny lokon'ny voaloboka mena izany. Ireo mety ho heviny dia 1) ny maso mainty dia manambara fa salama ny olona iray na 2) mena ny mason'ny olona misotro divay be loatra.

ho fotsy toy ny ronono ireo nifiny

Mampitahy ny lokon'ny nifin'ny olona amin'ny lokon'ny ronono izay fotsy. Milaza izany fa ho maro ireo ombivavy salama tsara izay ho be ronono ho sotroina.

Genesis 49:13

Hipetraka (...) i Zebolona

Ilazana ireo taranak'i Zebolona izany.

Ho seranan'ireo sambo izy

Eto ny "izy" dia ilazana ny tanàna eny amoro-dranomasina izay hatsangana na hipetrahan'ireo mponin'ny Zebolona. Ireo tanàna ireo dia ho fialofana ho an'ireo sambo.

seranan-tsambo

ampahany ao amin'ny ranomasina izay manakaiky ny tany sy toerana azo antoka ho an'ireo sambo.

Genesis 49:14

Isakara dia apondra matanjaka

Miresaka momba an'i Isakara sy ireo taranany toy ny apondra i Jakoba. Manasongadina izany fa hiasa mafy izy ireo. DH: "Ho tahaka ireo apondra matanjaka ireo taranak'Isakara"

Isakara dia

Matetika amin'ny faminaniana ny tranga izay hiseho amin'ny ho avy dia manoritsoritra zavatra izay efa nitranga tamin'ny lasa. Manasongadina izany fa hiseho tokoa izany tranga izany. DH: "Isakara dia (...) tokoa" na "Ireo taranak'Isakara dia"

Isakara ... Mahita ...

Eto ny "Isakara" dia ilazana ireo taranany. DH: "Ireo taranak'Isakara dia" ... Mahita ...

mandry anelanelan'ireo valan'ondry

Ireo mety ho heviny dia 1)mandry anelanelan'ny zavatra izay entin'izy ireo" na 2)mandry anelanelan'ireo ondry." Na izany aza, i Jakoba dia miresaka ireo tantaran'i Isakara toy ny apondra izay avy niasa mafy ka mitsotra miala sasatra.

toerana fialan-tsasatra tsara sy tany mahafinaritra

"ny toerana fialan-tsasatra dia tsara sy tany izay mahafinaritra"

Hanondrika ny sorony ho amin'ny enta-mavesatra izy

Ny andian-teny "Hanondrika ny sorony ho amin'ny enta-mavesatra" dia midika "ho fanaovana asa mafy amin'ny fitondrana entana"

ho lasa mpanompo ho an'ny asa

"hiasa ho andevon'ny hafa"

Genesis 49:16

Hitsara ny vahoakany (...) i Dana

Eto ny "Dana" dia ilazana an'ireo taranany. DH: "ireo taranak'i Dana dia hitsara ireo olony"

ny vahoakany

Ireo mety ho heviny dia 1) "ny vahoakan'i Dana" na 2) "ny olon'Israely"

Ho bibilava akaikin'ny lalana i Dana

Miresaka mahakasika an'i Dana sy ireo ankohonany i Jakoba toy ny hoe bibilava izy ireo. Na dia kely aza ny bibilava, dia mety hampianjera ny mpitaingin-tsoavaly. Noho izany, na dia foko kely aza i Dana, dia tena mampidi-doza ireo fahavalony. DH: "Ho tahaka ny bibilava eny amin'ny lalana ireo taranak'i Dana"

Miandry ny famonjenao aho, ry Yaveh

Ny anarana hoe "famonjena" dia azo atao hoe "voavonjy." DH: "Hiandry anao aho, ry Yaveh, hanavotra ahy"

hiandry aho

Ny teny hoe" izaho" dia ilazana an'i Jakoba.

Genesis 49:19

Gada ... Asera ... Naftaly

Ilazana ireo taranaky ny lehilahy tsirairay izany.

eo amin'ny ombelahin-tongon'izy ireo

Eto ny "ombelahin-tongotra" dia ilazana ireo mpanafika izay mitsoaka an'ireo taranak'i Gada.

Ho tsara ny sakafo

Eto "ny tsara" dia ilazana hoe "matsiro"

Naftaly dia diera vavy novahana

Miresaka ny taranak'i Naftaly toy ny diera vavy novahana ka afaka mihazakazaka i Jakoba. Mety manasongadina izany fa hiova ho mpitondra hafatra izy ireo. DH: "Ho tahaka ny diera vavy afaka ireo taranak'i Naftaly"

hanana biby tsara tarehy

zanaka diera no lazainy amin'izany. Ny tena dikan'ny teny Hebreo dia tsy mazava loatra. Misy dikan-teny sasany mandika izany hoe "manana teny tsara" na "miresaka zavatra tsara"

Genesis 49:22

Josefa dia sampam-bokatra,

Eto ny Josefa dia sarinteny ilazana ireo taranany. Resahan'i Jakoba toy ny sampana izay mamokatra voa maro izany. Manindry izany fa hitombo fatratra ny isan'izy ireo.

sampaho

ilay tena sampan'ilay hazo

izay ny sampany dia mananika mihoatry ny fefy

Ny fanirian'ny sampana mihoatra ny fefy dia resahina toy ny hoe mananika izany.

Genesis 49:24

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy nitahy an'i Josefa sy ireo taranany i Jakoba.

ny tsipikany dia hijanona hateza

Ny fitazoman'ny olona ny tsipika dia resahina toy ny hoe ny tsipika no mijoro ho azy. Hita avy amin'izany fa mitazona ny tsipika izy hikendry ny fahavalo. DH: "hitazona ny tsipika izy raha mikendry ny fahavalony"

ny tsipikany ...ireo tanany

Ilazana an'i Josefa sy ireo taranany izany. DH: "ireo tsipikan'izy ireo ...ireo tanan'izy ireo"

ireo tanany dia hanana fahaiza-manao

Eto ny "tanana" dia ilazana ny sandrin'ny olona izay mitazona ny tsipika mijoro tsara. DH: "hatanjaka ny sandriny raha mikendry ny tsipikany izy"

ny tanan'ilay Mahery

Ny "tanana" dia ilazana ny herin'i Yaveh. DH: "Ilay herin'ilay Mahery indrindra"

noho ny anaran'ny Mpiandry ondry

Eto ny anarana dia ilazana ny olona manontolo. DH: "nohon'ny mpiandry ondry"

Mpiandry ondry

Miresaka an'i Yaveh toy ny "mpiandry ondry" i Jakoba. Manasongadina izany fa mitantana sy miharo ny olony Yaveh.

ny Vatolampy

Miresaka an'i Yaveh toy ny "Vatolampy" izay hiakaran'ny olona mitady fialofana amin'ny fahavalony i Jakoba. Manasongadina izany fa miharo ny olony Yaveh.

Genesis 49:25

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy nitahy an'i Josefa sy ireo taranany i Jakoba.

hanampy anao ... hitahy anao

Eto ny "anao" dia ilazana an'i Josefa sy ireo taranany. DH: "hanampy ireo taranany ... hitahy azy ireo"

fitahian'ny lanitra

Eto ny "lanitra" dia ilazana ny orana izay manampy ny vokatra haniry.

ireo fitahian'ny lalina izay nandry ambany

Eto ny "lalina" dia ilazana ny rano ambanin'ny tany izay manampy ny ony sy ireo fatsakana.

ireo fitahian'ny tratra sy kibo

Eto ny "tratra sy ny kibo" dia ilazana ny hanan'ny reny zanaka sy ny hahafahany mamahana azy ireo amin'ny ronono.

Genesis 49:26

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy nitahy an'i Josefa sy ireo taranany i Jakoba.

ireo havoana taloha

Ny dikan'ny lahatsoratra niaingana dia tsy fantatra tsara. Misy baiboly sasany mandika izany hoe "ireo razambeko" raha tokony hoe "ireo havoana taloha."

Ho eo an-dohan'i Josefa anie ireo

Eto ny ireo dia ilazana ny tsodranon-drainy.

eo amin'ny satro-boninahitry ny lohan'ny printsin'ireo rahalahiny mihintsy

Maniry ireo fitahiana ireo hifindra amin'ireo ambony indrindra amin'ireo taranany i Jakoba. DH: "eo an-dohan'ny olona manan-danja indrindra amin'ireo taranak'i Josefa"

printsin'ireo rahalahiny mihintsy

"ny olona ambony indrindra amin'ireo rahalahiny"

Genesis 49:27

Benjamina dia amboadia noana

Eto ny Benjamina dia sarinteny ilazana ireo taranany. Miresaka ireo taranak'i Benjamina ho toy ny amboadia noana i Jakoba. Manasongadina izany fa ho toy ny mpiady masika izy ireo. DH: "Ho tahaka ny amboadia noana ireo taranak'i Benjamina"

Genesis 49:28

Ireo no foko roa ambin'ny folon'i Israely

"Ireo" dia ilazana ireo zanaka lahin'i Jakoba izay voatonina ao amin'ny 49:1-27. Ny zanaka lahy tsirairay dia ho tonga mpitarika ny fokony avy.

tamin'ny fitsofan-drano

Eto ny "mitsodrano" dia ilazana ny fanononana fitahiana.

Ny tsirairay avy dia notsofina rano tamin'ny fitsofan-drano mifanaraka avy

"Nanome tsodrano sahaza ny zanany lahy tsirairay avy izy"

nandidy azy ireo izy

"nibaiko azy ireo"

Efa andeha any amin'ny vahoakako aho

Fomba mihaja ilazana ny fahafatesan'ny olona izany. DH: "Efa ho faty aho"

andeha any amin'ny vahoakako

Milaza ny hafatesan'ny vatany i Jakoba. Manantena ny hahita an'i Abrahama sy Isaka izy ao aorian'ny fahafatesan'ny vatany.

Efrona Hetita

Anaran-dehilahy izany. Ny "Hetita" dia midika hoe "taranak'i Heta". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.

Makpela

Makpela dia anarana faritra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.

Mamre

Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Hebrona izany. Anaran'ilay lehilahy izay tompon'ireo hazo terebinta izany, izay naman'i Abrahama nipetraka tao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:16.

Genesis 49:31

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'ireo zanany lahy i Jakoba.

izany dia novidiana

DH: "izany dia novidian'i Abrahama"

tamin'ireo vahoakan'i Heta

"avy amin'ireo Hetita"

vitan'i Jakoba tamin'ireo zanany izany didy izany

"nahavita nanome baiko ireo zanany lahy" na " nahavita nandidy ireo zanany lahy"

namonkina ny tongony ho eny am-pandriana izy

Nipetraka teo am-pandriana i Jakoba. Ary namadika ary nametraka ny tongony hitsotra teo am-pandriana izy.

niala aina

Fomba mihaja ilazana ny fahafatesan'ny olona izany.

nankany amin'ny vahoakany

Rehefa maty i Jakoba dia nandeha nanjohy ireo havany izay efa maty talohany ny fanahiny