Genesis 43

Genesis 43:1

Nisy mosary nahery vaika teo amin'ilay tany

Ny teny hoe "Kanana" dia takatra avy hatrany. Izany andinindiny izany dia afaka atao mazava. DH: "Nahery vaika loatra ny mosary tany amin'ny tany Kanana"

Ary

Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny fanombohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.

rehefa lanin'izy ireo

"rehefa lanin'i Jakoba sy ireo havany"

noentin'izy ireo

"noentin'ireo zanaka lahin'i Jakoba" (ireo zokiny)

mividiana (...) ho antsika

Eto ny "antsika" dia ilazana an'i Jakoba, ireo zanany lahy, ary ny fianakaviana sisa.

Genesis 43:3

Joda niteny azy hoe

"niteny tamin'i Jakoba rainy i Joda hoe"

ralehilahy

Ilazana an'i Josefa izany, kanefa ireo rahalahiny dia tsy mahafantatra hoe Josefa izy. Nanondro azy tamin'ny hoe: "ralehilahy" na "ilay lehilahy, ilay tompon'ny tany" toy ny ao amin'ny 42:29.

Nampitandrina mafy anay ralehilahy hoe: 'Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka amin'ny rahalahinareo.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Nampitandrina mafy anay fa tsy hahita ny tavany izahay mandra-pitondranay ny zandrinay faralahy miaraka aminay"

Nampitandrina mafy anay

"tena matotra tokoa raha nampitandrina anay, nanao hoe"

Tsy hahita ny tavako ianareo

Nampiasa izany andian-teny izany indroa i Joda ao amin'ny 43:3-5 mba hanindrina amin'ny rainy fa tsy afaka hiverina mankany Egypta izy ireo raha tsy miaraka amin'i Benjamina. Ny andian-teny "ny tavako" dia ilazana an-dralehilahy, izay tsy iza fa i Josefa. DH: "Tsy ahita ahy ianareo"

miaraka amin'ny rahalahinareo

I Benjamina no lazain'i Joda amin'izany, faralahin'i Rahely naterany tao alohan'ny nahafatesany.

tsy handeha hidina izahay.

Efa mahazatra ny mampiasa ny andian-teny "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.

Genesis 43:6

Nahoana ianareo no nampidi-doza ahy

"Nahoana no mahatonga adin-tsaina ho ahy ianareo"

Nanontany ny antsipirihany (...) ralehilahy

"Fanontaniana maro no napetrak'ilay lehilahy"

momba anay

Eto ny "anay" dia ilazana ireo rahalahy izay nandeha nankany Egypta sy niresaka tamin'ilay "lehilahy."

Hoy izy hoe: "Mbola velona ve rainareo? Mbola manana rahalahy hafa ve ianareo?'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Nanontany anay mivantana izy raha mbola velona ny rahalahinay ary koa raha mbola manana rahalahy hafa izahay."

Dia novalianay araka ireo fanontaniany ireo izy

"Namaly ireo fanontaniana izay napetrany taminay izahay"

Ahoana no hahafantaranay fa hiteny izy hoe: "Ento midina ny rahalahinareo?

Mampiasa izany fanontaniana izany ireto zanany mba hanindrina fa tsy fantatr'izy ireo izay ho hasain'ilay lehilahy ho atao. Afaka adika ho fanambarana izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Tsy fantatray izay ho lazainy ... midina!"

hiteny izy hoe: "Ento midina ny rahalahinareo

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "hiteny aminay ny hitondranay ny rahalahinay midina mankany Egypta izy"

Ento midina ny rahalahinareo

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.

Genesis 43:8

Hiainga ka handeha izahay mba ho velona fa tsy ho faty, isika, ianao sy ireo zanantsika

Ny andian-teny " ho velona (...) isika" sy ny "tsy ho faty" dia midika zavatra iray ihany. Te hanasongadina i Joda fa mila mividy sakafo any Egypta izy ireo mba ho velona. DH: "Handeha ho any Egypta izahay ary haka vary ho an'ny fianakaviana iray manontolo mba ho velona"

Hiainga (...) izahay

Eto ny "izahay" dia ilazana an'ireo rahalahy izay handeha mankany Egypta.

mba ho velona (...) isika

Eto ny "isika" dia ilazana ireo rahalahin'i Josefa, Israely, ary ny fianakaviana manontolo.

izahay sy ianao

Eto ny "izahay" dia ilazana ireo rahalahin'i Josefa.

izahay sy ianao

Eto ny "ianao" dia ilazana an'i Israely.

sy ireo zanakay ihany koa

Eto ny "...kay" dia ilazana an'ireo rahalahin'i Josefa. Ilazana ny ankizy kely izay mety ho fatin'ny mosary.

Ho antoka ho azy aho

Ny anarana hoe "antoka" dia afaka atao koa hoe "mampanantena." DH: "Mampanantena ny hitondra azy miverina"

Hotazominao ho tompon'andraikitra aho

Ny fomba hitazoman'i Jakoba an'i Joda ho tompon'andraikitra dia afaka atao mazava. DH: "Hampamalinao izay nitranga amin'i Benjamina aho"

aoka ho zakaiko mandrakizay ny tsiny

Miresaka ny "tsiny" toy ny zavatra izay entin'ny olona izany. DH: "afaka manome tsiny ahy ianao"

Fa raha tsy tara izahay

Manoritsoritra ny zavatra izay tokony nitranga teo aloha nefa tsy niseho i Joda. Mibedy ny rainy i Joda nohon'ny niandrasany ela ka tsy nandefasany ireo zanany tany Egypta mba haka sakafo.

tena efa niverina teto fanindroany izahay

"efa tafaverina teto fanindroany izahay"

Genesis 43:11

Raha izany, dia ataovy izao

"Raha tsy manan-tsafidy afa-tsy izay isika, dia izao atao"

Midina ary mitondrĂ 

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.

balsama

menaka manim-pofona nampiasaina hitsaboana na hiarovana hoditra. Jereo ny nandikanao izany teny izany ao amin'ny 37:25. DH: "fanafody"

"zavatra manim-pofona"

"hanitra." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 37:25.

voanjo

voan-dratsakazo kely

zava-manitra

hazo manim-pofona

Ataovy avo roa heny ny vola eo an-tananareo

Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo fa tsy ny faritry ny tanana ihany. DH: "Ataovy avo roa heny ny vola entinareo"

Ny vola izay naverina tao amin'ny vavan'ny kitaponareo, dia ento miverina eny an-tananareo indray

Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo fa tsy ny faritry ny tanana ihany. Ny andian-teny "izay naverina" dia afaka atao hoe : DH: "ento miverina mankany Egypta ny vola izay nataon'ny olona tao anaty lasakanareo"

Genesis 43:13

Ento ihany koa ny rahalahinareo

"Ento ihany koa i Benjamina"

mandehana indray

"miverena"

Andriamanitra Tsitoha anie hanome famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy

Ny anarana hoe "famindram-po" dia afaka atao koa hoe "fahatsoram-po". DH: "Andriamanitra Tsitoha anie hanao izay hahatso-po an-dralehilahy aminareo"

ilay rahalahinareo hafa

"Simeona"

Raha misaona ireo zanako aho, dia misaona

"Raha mamoy ireo zanako aho, dia mamoy ireo zanako." Midika izany fa fantatr'i Jakoba izay tsy maintsy ho ekeny amin'izay mety hitranga amin'ireo zanany.

nitondra (...) teny an-tanan'izy ireo

Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo fa tsy ny faritry ny tanana ihany. DH: "nitondra (...) izy ireo"

niverina nidina tany Egypta

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.

Genesis 43:16

Bejamina niaraka tamin'izy ireo

"Bejamina niaraka tamin'ireo rahalahin'i Josefa"

ilay tompon'andraikitra mpampandroso tao an-tranony

Ny "tompon'andraikitra mpampandroso" dia olona miandraikitra ny fikarakarana ny raharaha ao tokantranon'i Josefa.

Noentiny (...) ireo lehilahy

Eto ny "mitondra" dia azo adika ihany koa hoe "naka."

tao an-tranon'i Josefa

"tao anatin'ny an-tranon'i Josefa"

Genesis 43:18

Natahotra ireo lehilahy

"Natahotra ireo rahalahin'i Josefa"

nentina tao an-tranon'i Josefa izy ireo

Afaka atao izany hoe: DH: "nandeha nankany an-tranon'i Josefa izy ireo" na "no entin'ilay tompon'andraikitra mpampandroso tao an-tranon'i Josefa izy ireo"

Noho ilay vola naverina tao anaty kitapontsika tamin'ny voalohany nampidirana antsika tato

Afaka atao izany hoe: DH: "ilay tompon'andraikitra mpampandroso no nampidirana antsika tato an-trano nohon'ny vola izay nisy namerina tao anaty lasakantsika"

mba hahafahany manararotra antsika. Mety hisambotra antsika (...) izy

Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany. DH: "Miandry ny fotoana mety hahafahany manasoketa antsika mba hahafahany managatra antsika"

tonga nidina (...) izahay

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.

Genesis 43:21

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy miresaka amin'ilay tompon'andraikitra mpampandroso ao amin'ilay trano.

Ary

Nampiasaina izany teny izany eto hanamarihana ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.

nony tonga teo amin'ny toeram-pitsaharana izahay

"raha tonga teo amin'ny toerana izay hijanonay mandritra ny alina"

indro

Ny teny "indro" eto dia maneho fa talanjona tamin'izay hitany ireto rahalahin'i Josefa.

samy tao ambavan'ny kitapon'ireo lehilahy ny volany, tsisy nanimbinana ny volanay

"ny tsirairay taminay dia samy nahita ny vola feno tao anatin'ny lasakany"

Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "Nitondra ny vola niverina niaraka aminay izahay"

Nitondra vola hafa ihany koa izahay hividianana sakafo

Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo fa tsy ny faritry ny tanana ihany. DH: "Nitondra vola hafa hividianana sakafo ihany koa izahay"

Nitondra (...) nidina

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.

Fiadanana anie ho anareo

Ny anarana hoe "Fiadanana" dia azo atao hoe "mitonia". DH: "Mitonia" (UDB) na "mitonia ianareo"

Ny Andriamanitrareo sy ny Andriamanitry ny rainareo

Tsy miresaka Andriamanitra samy hafa ilay tompon'andraikitra mpampandroso fa Andriamanitra iray ihany. DH: "Ilay Andriamanitra, ilay Andriamanitra izay tompon'ny rainareo" (UDB)

Genesis 43:24

nanasa ny tongony izy ireo

Fomba fanao hanapiana ireo mpandeha avy lavitra hamelombelona azy ireo ao aorian'ny fandehanany tongotra alavitra izany. Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia afaka atao mazava.

nomeny sakafo ny ampondran'izy ireo

"manome sakafo" dia mamahana sakafo maina eo anilan'ireo biby

Genesis 43:26

nentin' izy ireo tao an-trano ny fanomezana teny an-tanan'izy ireo

Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo fa tsy ny faritry ny tanana ihany. DH: "Nitondra ireo fanomezana izay no entin'izy ireo ireo rahalahin'i Josefa"

niankohoka tamin'ny tany teo anoloany

Fomba fanehoana fanajana sy fanomezam-boninahitra izany.

Genesis 43:28

ny mpanomponao izay rainay

Milaza ny rain'izy ireo ho "mpanomponao" izy ireo mba haneho fanajana. DH: "Ny rainay izay manompo anao"

Niondrika sy nihankohoka izy ireo

Manana hevitra mitovy ihany ireo teny ireo. Niondrika sy niankohoka teo antrehan-dralehilahy izy ireo mba haneho fanajana. DH: "nihankohoka teo anatrehany izy ireo"

nanopy ny masony izy

Ny heviny dia "niandrandra izy."

izay zanaky ny reniny, ary hoy izy hoe

Afaka adika ho fehezan-teny vaovao izany. DH: "Ny zanaky ny reniny. Niteny i Josefa hoe"

Inty ve ilay faralahinareo ... tamiko?

Ireo mety ho heviny dia 1)Mametraka izany fanontaniana izany i Josefa fa hanamarinany fa Benjamina tokoa izany Lehilahy izany, na 2) fanontaniana fampisainana izany. DH: "Inty tokoa ve ilay faralahinareo ... tamiko."

ry zanako

Fomba firesaka maneho ny finamanana misy eo amin'ny lehilahy iray sy ny lehilahy iray hafa izay ambany kokoa izany. DH: "tovolahy" (UDB)

Genesis 43:30

Nivoaka haingana tao an'efitra

"Nivoaka malaky tao an'efitra"

satria nientanentana mafy noho ireo rahalahiny izy

Ny andian-teny "nientanentana mafy" dia ilazana ny fihetseham-po mafy na ny fahatsapana rehefa misy zavatra manan-danja mitranga. DH: "fa nanana fihetseham-po mafy nohon'ny fangoraham-po ho an'ireo rahalahiny izy" na "satria nanana fihetseham-po mafy nohon'ny fitiavana ireo rahalahiny izy"

niteny hoe

Afaka atao mazava ny amin'izay noresahan'i Josefa. DH: "ary niteny tamin'ireo mpanompony" (UDB)

Arosoy ny sakafo

Ny heviny dia mizara ny sakafo ho an'ny olona mba hinanan'izy ireo.

Genesis 43:32

Nomen'ireo mpanompo an'i Josefa ny anjarany sy ny anjaran'ireo rahalahiny. Niara-nihinana taminy ireo Egyptiana teo

Midika izany fa i Josefa, ireo rahalahiny, ary ireo Egyptiana sasany dia nihinana teo amin'ny toerana samy hafa tao anatin'ny efitrano iray. DH: "Ireo mpanompo dia nanolotra sakafo an'i Josefa sy ireo rahalahiny ary ireo Egyptiana, izay niara-ninana taminy"

Niara-nihinana taminy ireo Egyptiana tao

Azo antoka tokoa fa ireo manam-boninahitra Egyptiana no niara-ninana tamin'i Josefa, kanefa izy ireo dia nisaran-toerana taminy sy ireo rahalahy Hebreo.

satria ny Egyptiana tsy mahazo mihinana mofo miaraka amin'ny Hebreo, satria zavatra maharikoriko eo amin'ireo Egyptiana izany

Afaka adika ho fehezan-teny vaovao izany: "Nanao izany izy ireo satria nihevitra ireo Egyptiana fa zavatra mahamenatra ny mihinana miaraka amin'ireo Hebreo"

tsy mahazo mihinana mofo

Eto ny "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny.

Nipetraka teo anoloany ireo rahalahy

Azo tsoahina avy amin'izany fa nandamina ny toerana izay nipetrahan'ireo rahalahy i Josefa. Afaka ataonao mazava tsara izany fampahafantarana izany. DH: "Nipetraka teo ampitan'ilay lehilahy ireo rahalahy, araka izay nandaminana ny toerana"

ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny zandriny indrindra araka ny hatanorany

Ny "lahimatoa" sy ny "faralahy" dia nampiasaina niaraka ilazana fa ireo rahalahiny dia nipetraka araka ny taonan'izy ireo avy.

Talanjona izy ireo lehilahy

"Talanjona ilay lehilahy raha nahafantatra izany"

Nefa ny anjaran'i Bejamina dia indimy mihoatra noho ny an'ireo rahalahiny

Ny andian-teny "indimy mihoatra " dia afaka atao amin'ny ankapobeny kokoa. DH: "Kanefa i Benjamina dia nahazo ny anjara izay betsaka kokoa noho ireo izay azon'ireo rahalahiny"