Genesis 42

Genesis 42:1

Ary fantatr'i Jakoba

Ny teny hoe "ary" dia manamarika ny fizaran-tantara vaovao.

Nahoana no mifampijery ianareo?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Jakoba hibedesana ireo zanany lahy ny amin'ny tsy nanaovan'izy ireo n'inona n'inona amin'ireo vokatra. DH: "Aza mipetra-potsiny eto!"

Midìna any ... nandeha nidina

Mahazatra ny miresaka ny mandeha avy any Kanana mankany Egypta ho toy ny "midina" na "ambany."

any Egypta

Eto ny "Egypta" dia ilazana ireo olona izay mivarotra ny vokatra. DH: "any amin'ireo izay mivarotra ny vokatra any Egypta"

Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy nalefan'i Jakoba

Iray ihany ny ray sy renin'i Benjamina sy Josefa. Tsy foin'i Jakoba ny handefa an'i Josefa izay hany zanaka lahin'i Rahely sisa.

Genesis 42:5

Tonga ireo zanaka lahin'Israely mba hividy niaraka tamin'ireo izay tonga

Ny teny hoe "tonga" dia azo adika ihany koa hoe "nandeha." Ny teny hoe "vokatra" sy ny "Egypta" ihany koa dia azo avy hatrany. DH: "Nandeha ireo zanaka lahin'Israely mba hividy vokatra niaraka tamin'ireo olona hafa izay nankany Egypta"

Ary Josefa

"Ary" dia manamarika ny fiovana avy amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana mahakasika an'i Josefa.

amin'ilay tany

Eto ny "tany" dia ilazana an'i Egypta. DH: "manerana an'i Egypta"

ireo vahoaky ny tany rehetra

Eto ny "tany" dia ilazana an'i Egypta sy ireo firenena hafa manodidina. DH: "ny olon'ireo firenena rehetra izay tonga hividy ny voa na ny vary"

Tonga (...) ireo rahalahin'i Josefa

Eto ny "tonga" dia azo adika hoe "lasa."

nampiankohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany

Fomba fanehoana fanajana izany.

Genesis 42:7

Nahita ireo rahalahiny i Josefa ary nahalala azy ireo

"Rehefa nahita ireo rahalahiny sy nahalala azy ireo i Josefa"

nanova ny endriny tamin'izy ireo izy

"nanao toy ny hoe tsy rahalahin'izy ireo izy" na "tsy navelany ho fantatr'izy ireo hoe rahalahany izy"

Avy aiza ianareo?

Tsy fanontaniana fampisainana izany na dia fantatr'i efa Josefa aza ny valiny. Tena safidiny mihitsy ny hitazona ny momba azy tsy ho fantatr'ireto rahalahiny.

Genesis 42:9

Mpitsikilo ianareo

Ny mpitsikilo dia olona manao fikarohana miafina mahakasika ny firenena iray mba hanampiana ny firenena iray hafa.

Tonga mba hizaha ireo faritra tsy mbola voaaro eto amin'ny tany ianareo

Ny tena dikan'izanydia afaka atao mazava. DH: "tonga mba hizaha izay tany tsy ambenanay ianareo mba hahafahanareo manafika anay"

tompoko

Fomba fanehoana fanajana olona hanomezam-boninahitra azy izany.

ireto mpanomponao

Manao ny tenany hoe "ireto mpanomponao" ireo rahalahiny." Izany dia fomba mihaja hilazana ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "Izahay, mpanomponao,dia" na "Izahay dia"

Genesis 42:12

Hoy izy tamin'izy ireo

"Niteny tamin'ireo rahalahany i Josefa"

Tsia, tonga mba hizaha ireo faritra mbola tsy voaaro eto amin'ny tany ianareo

Ny tena dikan'izanydia afaka atao mazava. DH: "tonga mba hizaha izay tany tsy ambenanay ianareo mba hahafahanareo manafika anay"

Roa ambin'ny folo mirahalahy

"rahalahy 12"

Indro, ny faralahy

"Mihainoa anay, fa ilay faralahy." Ny teny hoe "indro" dia nampiasaina hanindrina izay holazain'izy ireo manaraka.

ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny

"amin'izao fotoana iresahantsika izao ny faralahy aminay dia miaraka amin'ny rainay"

Genesis 42:14

Izao no nolazaiko anareo; mpitsikilo ianareo

"Arak'izay efa nambarako, fa mpitsikilo ianareo." Jereo ny nandikanao ny "mpitsikilo" ao amin'ny 42:9.

Amin'izao no hitsapana anareo

Afaka atao izany hoe: DH: "Toy izao no fomba hahafantarako anareo"

Raha velona koa Farao

Izany andian-teny izany dia milaza fihanianana mankadiry. DH: "Mianiana aho fa raha mbola velona koa i Farao"

Iraho ny iray aminareo ary aoka izy haka ny rahalahinareo

"mifidiana iray aminareo handeha haka ny rahalahinareo"

Ary ianareo hijanona ao am-ponja

"ny sisa aminareo hijanona ao am-ponja"

mba hahafahana mitsapa ny teninareo, raha misy fahamarinana ao aminareo

Eto ny "teny" dia ilazana izay nolazainy. Afaka atao izany hoe: DH: "mba hahafantarako raha tena milaza ny marina tokoa ianareo"

tany am-ponja

"tany am-pigadrana" (UDB)

Genesis 42:18

Ny andro fahatelo

Ny teny hoe "fahatelo" dia telo amin'ny filaharan'isa. DH: "ao aorian'ny roa andro"

Izao no ataovy mba ho velona

Afaka atao izany hoe: DH: "Raha manao izay lazaiko ianareo, dia avelako ho velona"

matahotra an'Andriamanitra

Ilazana ny fanajana lalina an'Andriamanitra sy fanehoana fanajana amin'ny fankatoavana azy izany.

aoka ny iray amin'ireo rahalahinareo tsy hiala ao amin'ny fonja

Afaka atao izany hoe: DH: "ajanony ato am-ponja ny iray amin'ireo rahalahinao"

fa mandehana ianareo

Eto ny "ianareo" dia ilazana ireo rahalahy rehetra izay nijanona ao am-ponja. DH: "fa ny sasany aminareo kosa"

mivimbìna vary ho amin'ny mosary amin'ny tranonareo

Eto ny "trano" dia ilazana an'ireo fianakaviana. DH: "mitondra vary ho any an-tranonareo mba hanampiana ireo fianakavianareo mandritra ny mosary"

hanamarinana ny teninareo

Eto ny "teny" dia ilazana izay nolazaina. Afaka atao izany hoe: DH: "mba ho fantatro fa marina izay lazainao"

tsy hahafaty anareo

Midika izany fa hovonoin'ireo miaramilan'i Josefa ireo rahalahy raha fantatra tokoa fa mpitsikilo izy ireo.

Genesis 42:21

izay hitantsika ny fahorian'ny fanahiny

Ny teny hoe "fanahy" dia ilazana an'i Josefa. DH: "satria hitantsika tokoa ny fahorian'i Josefa" na "satria hitantsika tokoa fa nijaly i Josefa"

Koa noho izany no nahatonga izao fahoriana izao tamintsika

Ny hoe "fahoriana" dia azo atao koa hoe "mijaly". DH: "Izany no antony mahatonga antsika mijaly tahaka izao"

Tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: 'Aza manota amin'ilay zazalahy,' nefa tsy nihaino ahy ianareo?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Robena mba hibedesana ireo rahalahiny. DH: "nilaza taminareo ny tsy hampahory ny zazalahy aho, kanefa tsy nihaino ianareo!"

Indro, izao

Eto ny "izao" dia tsy midika hoe "ankehitriny," kanefa ny "izao" sy ny "indro" dia nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka.

takiana amintsika ny ràny

Eto ny "rà" dia ilazana ny fahafatesan'i Josefa. Nihevitra ireo rahalahan'i Josefa fa maty izy. Ny andian-teny "takiana amintsika" dia midika hoe tsy maintsy voasazy amin'izay nataon'izy ireo. DH: "mivaly amintsika izay nataontsika tamin'ny nahafatesany" na "mijaly nohon'ny namonoantsika azy isika"

Genesis 42:23

Tsy fantatr'izy ireo ... nisy mpandika teny teo anelanelan'izy ireo

Fiovana teo amin'ny fizotry ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra izay manazava ny antony niheveran'ireo rahalahany fa i Josefa dia tsy hahatakatra azy ireo.

mpandika teny

Ny "mpandika teny" dia olona izay mandika izay nolazain'ny olona iray amin'ny fiteny hafa. Nasian'i Josefa mpandika teny hanelanelana azy ireo mba hanaovany toy ny hoe tsy miteny ny fitenin'izy ireo izy.

Nihodina niala tamin'izy ireo izy ka nitomany

Hita avy amin'izany fa nitomany i Josefa satria nihetsim-po izy tao aorian'ny nandrenesany izay nolazain'ireo rahalahany.

niteny tamin'izy ireo

Mbola niresaka tamin'ny fiteny hafa ihany i Josefa ary nisy mpandika teny izay niresaka tamin'ireo rahalahiny.

nafatony teo imason'izy ireo

Eto ny "maso" dia ilazana ny fahitana. DH: "namatotra azy teo anatrehany" na "namatotra azy raha nijery izy ireo"

hanome azy ireo vatsy

"hanome azy ireo izay sakafo ilain'izy ireo"

Natao ho azy ireo izany

Afaka atao izany hoe: DH: "Nataon'ireo mpanompo izay rehetra nandidin'i Josefa"

Genesis 42:26

Raha nanokatra ny lasakany ny iray tamin'izy ireo mba hamahana ny ampondrany teo amin'ny toerana nandriany, dia nahita ny volany izy. Indro, teo ambavan'ny lasakany izany

"Raha nijanona teo amin'ny toerana iray izy ireo ny alina, ny iray tamin'ireo rahalahy dia nanokatra ny lasakany hahazoana sakafo ho an'ny ampondrany. Indro nisy vola tao anatin'ilay lasaka!"

Indro

Ny teny hoe "indro" dia manaitra antsika hihaino tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.

Afaka atao izany hoe: DH: "Nisy namerina tamiko ny volako"

Jereo

"Jereo ny lasakako!"

Nihontan'ny tahotra ny fon'izy ireo

Ny tahotra dia resahina toy ny mihontana na difotra ny fo. Eto ny "fo" dia ilazana ny herim-po. : DH: "Natahotra mafy tokoa izy ireo"

Genesis 42:29

tompon'ny tany

"ilay tompon'ny tany Egypta"

niteny mahery

"nasiaka fiteny"

mpitsikilo (...) izahay

Ny mpitsikilo dia olona manao fikarohana miafina mahakasika ny firenena iray mba hanampiana ny firenena iray hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 42:9.

Hoy izahay taminy hoe: 'Olo-marina izahay. Ary tsy mpitsikilo akory. Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay, zanaky ny rainay. Efa maty ny iray, ary ny faralahy dia miaraka amin'ny rainay any amin'ny tany Kanàna ankehitriny.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Nilaza taminy izahay fa olona marina fa tsy mpitsikilo. Niteny izahay fa roa ambin'ny folo mirahalahy, zanakin'ny rainay, ary ny iray amin'ireo rahalahinay dia efa maty ... tany Kanàna"

Efa maty ny iray

Azo avy hatrany ny teny hoe "rahalahy". DH: "ny iray amin'ireo rahalahy dia efa maty"

ny faralahy dia miaraka amin'ny rainay

Azo avy hatrany ny teny hoe "rahalahy". DH: "ny faralahy aminay dia efa maty"

Genesis 42:33

tompon'ny tany

"ilay tompon'ny tany Egypta"

mitondrà vary ho amin'ny mosary any amin'ny tranonareo

Eto ny "trano" dia ilazana ny "fianakaviana". DH: "mitondrà vary hanampiana ny fianakavianareo mandritra ny mosary"

zory ny lalanareo

"modia" na "mandehana"

dia hividy eto amin'ny tany ianareo

"ary dia havelako hividy sy hivarotra eto amin'ny tany ianareo"

Genesis 42:35

Ary

Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.

indro

"amin'ny fahatairan'izy ireo." Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa talanjona noho izay hitany ireo rahalahy.

Efa nanaisotra ireo zanako tamiko ianareo

"Efa nanala ireo zanako tamiko ianareo" na "nanao izay namoizako ireo zanako roa ianareo"

Manohitra ahy avokoa ireo zavatra rehetra ireo

"mandratra ahy avokoa ireo zavatra rehetra ireo"

Genesis 42:37

Apetraho eo an-tanako izy

Fangatahan'i Robena ny hitondra an'i Benjamina miaraka aminy sy hikarakara azy mandritra ny dia. DH: "Ataovy ho andraikitro izy" na "Aoka izaho no hisahana azy"

Tsy handeha hidina hiaraka aminareo izany ny zanako lahy

Efa mahazatra ny mampiasa ny andian-teny "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta. DH: "i Benjamina zanako lahy, dia tsy hiaraka aminareo mankany Egypta"

hiaraka aminareo

Eto ny "ianareo" dia ilazana ireo zokiny amin'ireo zanaka lahin'i Jakoba.

Fa efa maty ny rahalahiny ary izy irery sisa

Afaka hazavaina ny tena hevitr'izany. DH: " Fa i Rahely, vadiko, dia tsy nanana afa-tsy zanaka roa. I Josefa efa maty ary i Benjamina ihany no sisa velona"

eny amin'ny lalana izay alehanareo

"rehefa mandeha sy miverina mankany Egypta ianareo" na "rehefa lasa ianareo." Eto ny "lalana" dia ilazana ny dia.

dia hitondra amin-kalahelo ny volo-fotsiko ianareo midina any Fiainan-tsy hita ianareo

Ny "mitondra midina ...mankany amin'ny Fiainan-tsy hita" dia fomba ilazana fa hanao izay hahafaty azy sy handehanany any amin'ny Fiainan-tsy hita. Mampiasa ny teny hoe "midina" izy satria ninoana fa ny Fiainan-tsy hita dia any ambanin'ny tany. DH: "dia hanao izay, hahafatin'ny alahelo, ity lahy antitra ity ianareo"

ny volo-fotsiko

Ilazana an'i Jakoba sy hanindrina fa efa antitra izy. DH: "ity izaho, efa lahy antitra"