Genesis 44

Genesis 44:1

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manomboka tranga vaovao ao amin'ny tantara izany. Azo antoka tokoa fa ny ampitson'ny nanaovana ny fety izany.

tompon'andraikitra mpampandroso ao an-trano

Ny "tompon'andraikitra mpampandroso" dia tompon'andraikitra izay misahana ny asa rehetra atao ao an-tokantranon'i Josefa.

ny volan'ireo lehilahy rehetra

Ny volan'izy ireo dia vola volafotsy boribory kely izay azo antoka fa ao anaty kitapo kely.

ao amin'ny vava kitapony

"ao anaty lasakany"

ny kapoakako, ilay kapoaka volafotsy

"ataovy ao ilay kapoaka volafotsiko"

ao amin'ny vava kitapon'ny zandriny indrindra

Ny teny hoe "rahalahy" dia azo avy hatrany. DH: "ao anatin'ny lasakan'i zandriny indrindra amin'ireo rahalahy"

Genesis 44:3

Niposaka ny maraina

"Niposaka ny taratra hazavan'ny maraina"

nalefa ireo lehilahy ireo, izy ireo sy ny borikiny

Afaka atao izany hoe: DH: "nalefan'izy ireo ireo lehilahy, niaraka tamin'ireo borikin'izy ireo"

Nahoana ianareo no mamaly ratsy ny soa?

Nampiasaina izany fanontaniana izany hibedesana ireo rahalahiny. DH: "Nahoana ianareo no nanao zava-dratsy taminay, tao aorian'ny nanaovanay soa anareo!"

Moa ve tsy ilay kapoaka isotroan'ny tompoko ity, sy ilay kapoaka izay hampiasainy amin'ny faminaniany?

Nampiasaina izany fanontaniana izany hibedesana ireo rahalahy. DH: "Efa fantatrareo fa ity kapoaka ity no fisotroan'ny tompoko sy hampiasainy amin'ny faminaniany harena!"

Nanao ratsy ianareo, izany zavatra izay nataonareo izany

Naverina indroa ny "nanao sy ny nataonareo" entina hanindrina. DH: "Tena ratsy tokoa izay nataonareo"

Genesis 44:6

niteny ireo teny ireo tamin'izy ireo

Eto ny "teny" dia ilazana an'izay nolazaina. DH: "niteny izay nolazain'i Josefa taminy"

Nahoana no miteny toy ireo ny tompoko?

Eto ny "teny" dia ilazana an'izay nolazaina. Ireo rahalahy dia manondro ilay mpiandraikitra ny fampandrosoana ho "tompoko." Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Afaka atao izany hoe: DH: "Nahoana ianao no miteny izany, ry tompoko?"

Sanatria amin'ireo mpanomponao no hanaovan'izy ireo zavatra toy izany

Manondro ny tenany amin'ny "mpanomponao" sy "izy ireo" ireo rahalahy. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. DH:"Tsy mba hanao zavatra toy izany mihitsy izahay!"

Sanatria amin'ireo mpanomponao

Ny zavatra izay tsy ho hataon'ny olona dia resahina toy ny zavatra izay tian'ny olona hapetraka lavitra azy.

Genesis 44:8

Indro

Manampy amin'ny fanindrina izay holazain'ireo rahalahy manaraka izany.

vola izay hitanay tao amin'ny vavan'ny kitaponay

"fantatrao ny vola izay hitanay tao anaty lasakanay"

nentinay niverina aty aminao indray avy amin'ny tany Kanana

"nentinay niverina avy amin'ny tany Kanana aty aminao indrindra"

Ahoana no afahanay mangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao?

Nampiasa izany fanontaniana izany ireo rahalahy mba hanindrina fa tsy nangalatra tany amin'ny tompon-tanin'i Egypta izy ireo. DH: "Koa tsy afaka ny haka zavatra avy amin'ny tranon'ny tomponao izahay!"

volafotsy na volamena

Nampiasaina niaraka ireo teny ireo mba hilazana fa tsy angalatra zavatra sarobidy izy ireo.

Izay ahitana an'izany amin'ireo mpanomponao

Manondro ny tenany amin'ny hoe "ireo mpanomponao." Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Ny "ahitana an'izany" dia afaka atao ihany koa hoe: DH: "Raha hitanao fa ny iray taminay no nangalatra ilay kapoaka"

izahay ihany koa dia ho andevon'ny tompoko

Ny andian-teny "ny tompoko" dia ilazana ny tompon'andraikitra amin'ny fampandrosoana. Afaka atao izany hoe: DH: "afaka alainao ho andevonao izahay"

Aoka ary ho araka ny teninareo izany

Eto ny "ary" dia tsy midika hoe "ankehitriny," fa nampiasaina mba hisarihana ny saintsika amin'ny teboka manan-danja izay manaraka azy. Ny "teny" ihany koa dia hanambarana izay lazainy. DH: "Eny tokoa. Hataonay izay lazainao"

Ilay iray izay hahitana ilay kaopy dia ho andevoko

Afaka atao izany hoe: DH: "Raha toa ka hitako ao amin'ny lasakan'ny iray aminareo ny kapoaka, dia ho andevoko izany olona izany"

Genesis 44:11

nametraka ny kitapony tamin'ny tany

"nanao ny lasakany tamin'ny tany"

lehibe indrindra ... tanora indrindra

Ny teny hoe "rahalahy" dia azo avy hatrany. DH: "ilay lahimatoa amin'ny rahalahy ... ilay faralahy amin'ireo rahalahy"

tanora indrindra, ka hita tao amin'ny kitapon'i Benjamina ilay kapoaka

Afaka adika ho fehezan-teny vaovao izany fehezanteny izany. DH: "faralahy. Hitan'ilay tompon'andraikitra amin'ny fampandrosoana tao anaty lasakan'i Benjamina ilay kapoaka"

Ary nandriatra ny akanjony izy ireo

Ny teny hoe "izy ireo" dia ilazana ireo rahalahy. Ny fandrovitana ny akanjo dia marika hanehoana ny adin-tsaina lehibe sy ny alahelo.

ary niverina

"ary niverina izy ireo"

Genesis 44:14

Mbola tany izy

"Mbola tany i Josefa"

niankohoka teo anatrehany (...) izy ireo.

"nandohalika teo anolohany izy ireo." Izany dia famantarana fa irian'ireo rahalahy ny hamindran'ilay tompo fo amin'izy ireo.

Moa ve tsy fantatrareo fa ny lehilahy tahaka ahy dia manao faminaniana?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Josefa mba hibedesana ireo rahalahiny. DH: "Fantatrareo tsara fa ny olona toa ahy dia mahafantatra zava-miafina!"

Genesis 44:16

Inona no afaka lazainay amin'ny tompoko? Inona no azonay lazaina? Ahoana no afahanay manamarina ny tenanay?

Ireo fanontaniana 3 ireo dia midika zavatra iray ihany. Mampiasa ireo fanontaniana ireo izy hanindrina fa tsy misy afaka hanazavain'izy ireo izay nitranga. DH: "Tsy manan-kambara izahay, tompoko. Tsy afaka miresaka zavatra manan-danja izahay. Tsy afaka manamarina ny tenanay izahay."

Inona no afaka lazainay amin'ny tompoko ... andevon'ny tompoko

Eto ny "ny tompoko" dia ilazana an'i Josefa. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Afaka atao izany hoe: DH: "Inona no azonay lazaina anao ... ireo andevonao"

Hitan'Andriamanitra ny helok'ireo mpanomponao

Eto ny "hita" dia tsy midika hoe Andriamanitra mahita fotsiny izay nataon'ireo rahalahy. Ny heviny dia hoe manasazy azy ireo ny amin'izay nataony Andriamanitra. DH: "Manasazy antsika Andriamanitra ny amin'ireo fahotantsika taloha"

ny helok'ireo mpanomponao

Manondro ny tenany amin'ny hoe "ireo mpanomponao" ireo rahalahy. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Afaka atao izany hoe: DH: "ny helokay"

sy izy dia nahitana ny kapoaka teny an-tanany

Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo. Ny "nahitana" ihany koa dia afaka atao hoe: DH: " ary ny iray izay nahitana ny kapoakanao"

Sanatria amiko ny tsy maintsy hanao izany

Ny zavatra izay tsy tokony hataon'ny olona dia resahina toy ny zavatra izay tian'ny olona atao lavatra azy. DH: "Tsy mba ny toa ahy ny hanao zavatra toy izany"

Ilay lehilahy izay nahitana ny kapoaka teny an-tanany

Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo. Ny "nahitana" ihany koa dia afaka atao hoe: DH: "Ilay lehilahy izay nahitana ny kapoako"

Genesis 44:18

nanatona akaiky

"nanakaiky"

aoka (...) ny mpanomponao

Manondro ny tenany amin'ny hoe "ny mpanomponao" i Joda. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Afaka atao izany hoe: DH: "Aoka aho, izay mpanomponao"

hiresaka teny iray eo an-tsofin'ny tompoko

Eto ny "teny" dia sarinteny ilazana an'izay nolazainy. Ary ny "sofina" dia fibangoan-teny ilazana ny olona manontolo. DH: "hiresaka aminao, ry tompoko"

eo an-tsofin'ny tompoko

Eto ny "tompoko" dia ilazana an'i Josefa. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Afaka atao izany hoe: DH: "aminao"

aoka ny fahatezeranao hirehitra amin'ny mpanomponao

Ny fahatezerana dia resahina toy ny afo mirehitra. DH: "aoka tsy ho tezitra amiko, mpanomponao ianao"

fa ianao dia tahaka an'i Farao

Mampitahy ilay tompo amin'i Farao i Joda mba hanindrina fa manana fahefana ambony ilay tompo. Tsapa avy amin'izany koa fa tsy tiany ho tezitra aminy ilay tompo na hamono azy. DH: "fa manana fahefana tahaka an'i Farao ianao ary afaka maniraka ireo miaramilanao hamono ahy"

Nanontany ireo mpanompony ny tompoko, niteny hoe: 'Moa ve ianao manana ray na rahalahy iray?'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Nanontany anay ny tompoko raha manana ray sy rahalahy izahay."

Nanontany ireo mpanompony ny tompoko

Manondro an'i Josefa amin'ny teny hoe "ny tompoko" sy "izy" i Joda. Manondro ny tenany sy ireo rahalahiny amin'ny hoe "ireo mpanompony" ihany koa izy. DH: "Ianao, tompoko, manontany anay, izay mpanomponao" na "Manontany anay ianao"

Genesis 44:20

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy miresaka eo anatrehan'i Josefa i Joda

Hoy izahay tamin'ny tomponay hoe: 'Manana ray izahay ... tia azy.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Ary niteny tamin'ny tomponay izahay fa manana ray ... izay tian'ny rainy"

Hoy izahay tamin'ny tomponay

Manondro an'i Josefa amin'ny hoe "tompoko" i Joda. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "niteny taminao, ianao tompoko"

ny rainy tia azy

Ilazana ny fitiava-namana sy fianakaviana izany.

Avy eo nilaza tamin'ireo mpanomponao ianao hoe: 'Ento midina eto amiko izy mba hafahako mahita azy.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Ary nilaza tamin'ny mpanomponao ianao fa tsy maintsy mitondra ny zandrinay faralahy aminao izahay mba hahafahanao mahita azy"

Avy eo nilaza tamin'ireo mpanomponao ianao hoe

Manondro ny tenany sy ireo rahalahiny amin'ny hoe "ireo mpanomponao" i Joda. DH: "Ary dia niteny taminay ianao, izahay mpanomponao"

Ento midina eto amiko izy

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta. DH: "Ento eto amiko izy"

Tao aorian'izany, dia nilaza tamin'ny tompoko izahay hoe: ''Tsy afaka (...) ilay zazalahy ... ho faty ny rainy.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Ho setrin'izany, dia niteny tamin'ny tomponay izahay fa ilay zazalahy ... ho faty ny rainy"

ho faty ny rainy

Azo ambara avy amin'izany fa ho fatin'ny alahelo ny rain'izy ireo.

Genesis 44:23

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka ny tantarany tamin'i Josefa i Joda

Ary ianao nilaza tamin'ireo mpanomponao hoe: 'Raha tsy midina miaraka aminao ny rahalahinao zandriny indrindra, dia tsy hahita ny tavako intsony ianao

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Ary dia niteny tamin'ny mpanomponao ianao fa raha tsy tonga miaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia tsy ahita anao intsony izahay"

Ary ianao nilaza tamin'ireo mpanomponao hoe:

Manondro ny tenany sy ireo rahalahiny amin'ny hoe "ireo mpanomponao" i Joda. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "Ary dia niteny taminay ianao, izahay mpanomponao"

midina mankany ... mandeha midina

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.

tsy hahita ny tavako intsony ianao

Eto ny "tava" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "tsy ahita ahy intsony ianao"

Ary

Izany andian-teny izany dia nampiasaina eto hanamarihana ny fiantombohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao.

niakatra nankany amin'ny raiko mpanomponao izahay

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any Egypta mankany Kanana.

nolazainay taminy ireo tenin'ny tompoko

Manondro an'i Josefa amin'ny hoe "tompoko" i Joda. Ny "teny" ihany koa dia ilazana izay voalaza. DH: "nolazainay azy izay nolazainao, ry tompoko"

Hoy ny rainay hoe: ''Mandehana indray, mividiana sakafo ho antsika'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Niteny taminay ny mba handehananay aty Egypta indray mba hividy sakafo ho anay sy ireo fianakavianay ny rainay"

Avy eo dia nilaza izahay hoe: 'Tsy afaka midina izahay. Raha miaraka aminay ny rahalahinay zandriny indrindra ... miaraka amin'ny (...).'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Ary dia niteny taminy izahay fa tsy afaka hidina mankany Egypta. Niteny taminy izahay fa ny faralahinay dia miaraka aminay ... miaraka aminay"

hahita ny tavan'ilay lehilahy

Eto ny "tava" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "hahita ilay lehilahy"

Genesis 44:27

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka ny tantarany tamin'i Josefa i Joda

niteny taminay hoe: 'Fantatrareo fa niteraka roa lahy tamiko ny vadiko. Ny iray tamin'izy ireo dia niala tamiko ary hoy aho hoe: "Azo antoka fa voaviravira izy, ary tsy nahita azy aho hatramin'izao." Izao raha maka ilay iray aty amiko koa ianareo, ka loza no tonga eo aminy, dia hampihintsana ny volon-dohako miaraka amin'ny alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo.'

Misy farango roa sy telo ao anatin'izany. Afaka atao izany hoe: DH: "nilaza taminay fa fantatray tokoa fa i Rahely, vadiny, dia niteraka zaza roa lahy monja taminy, ary ny iray tamin'ireo raha nivoaka dia noviravirain'ny biby, ary tsy hitany intsony hatramin'izay. Ary dia niteny izy fa raha mbola halainay koa ilay zanany hafa ka misy zava-dratsy mitranga aminy, dia hanao izay hahafatin'ny alahelo azy izahay."

niteny taminay

Eto ny "...nay" na "anay" dia tsy milaza an'i Josefa.

Fantatrareo

Eto ny "ianareo" dia ilazana ireo rahalahiny.

voaviravira izy

Afaka atao izany hoe: DH: "nisy bibidia namiravira azy"

ka loza no tonga eo aminy

Ny zavatra ratsy izay mitranga amin'ny olona dia resahina toy ny "loza" izay nandeha ary tonga teo amin'ny olona.

hampihintsana ny volon-dohako miaraka amin'ny alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo

Ny "mitondra midina ... mankany amin'ny Fiainan-tsy hita dia fomba ilazana fa hanao izay hahafaty sy andehanany any amin'ny Fiainan-tsy hita. Mampiasa ny teny hoe "midina" izy satria nahazatra ny mihevitra fa ny Fiainan-tsy hita dia any ambanin'ny tany. DH: "ary dia hahatonga ity lahy antitra, ho fatin'ny alahelo ianao"

ny volo fotsiko

Ilazana an'i Jakoba izany ary hanindrina ny fahanterany. DH: "izaho, lahy antitra"

Genesis 44:30

Ary

Eto ny "Ary" dia tsy midika hoe "ankehitriny," kanefa nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka.

noho izany, rehefa tonga ... alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita

Manoritsoritra amin'ny Josefa zavatra mitombina i Joda kanefa izany dia petra-kevitra ny amin'izay hampoiziny hitranga amin'i Jakoba rehefa miverina tsy miaraka amin'i Benjamina izy.

rehefa tonga any amin'ilay mpanomponao aho

Eto ny "tonga" dia azo adika hoe "mandeha" na "miverina."

tsy miaraka aminay ilay zazalahy

"tsy miaraka aminay ilay ankizilahy"

satria mifamatotra amin'ny ain'ilay zazalahy ny ainy

Ny filazan'ny ilay ray fa ho faty izy raha maty ny zanany lahy dia resahina toy ny hoe mifamatotra ny ain'ny anankiroa. DH: "satria izy niteny fa ho faty raha tsy miverina ilay zazalahy"

fa ho tonga izany

Miresaka mahakasika ny petra-kevitra mety hitranga amin'ny ho avy toy ny hoe hitranga tokoa i Joda.

Ireo mpanomponao dia hampihintsana ny volon-dohan'ilay tompoko mpanomponao miaraka amin'ny alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita

Ny "mitondra midina ... mankany amin'ny Fiainan-tsy hita dia fomba filaza fa hanao izay hahafaty azy sy hidinany any amin'ny Fiainan-tsy hita izy ireo. Mampiasa ny teny hoe "midina" izy satria nahazatra ny mihevitra fa ny Fiainan-tsy hita dia any ambanin'ny tany. DH: "ary dia hahatonga ilay rainay efa antitra ho fatin'ny alahelo izahay"

Ireo mpanomponao

Manondro ny tenany sy ireo rahalahiny amin'ny hoe "ireo mpanomponao" i Joda. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "Ary izahay, izahay mpanomponao" na "ary izahay"

ny volo fotsin'ny raiko mpanomponao

Eto ny "volo fotsy" dia ilazana an'i Jakoba ary hanindrina ny fahanterany. DH: "ny rainay izay tena antitra"

Satria ny mpanomponao dia efa lasa antoka ho an'ilay zazalahy amin'ny raiko

Ny anarana hoe "antoka" dia azo atao koa hoe "nampanantenana". DH: "Satria nampanantena ny raiko mahakasika ilay zazalahy aho"

Satria ny mpanomponao

Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Joda." DH: "Fa izao, mpanomponao" na "Fa izao"

dia hitondra heloka eo amin'ny raiko (...) aho

Ny heverina toy ny meloka dia resahina toy ny zavatra izay entin'ny olona ny "heloka". DH: "dia mety hanameloka ahy ny raiko"

Genesis 44:33

Ary

Eto ny "Ary" dia tsy midika hoe "ankehitriny," fa kosa nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka.

avelao re ny mpanomponao

Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Joda. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "Aoka aho, izay mpanomponao" na "aoka aho"

ho an'ny (...) tompoko

Manondro an'i Josefa ho "tompony" i Joda. DH: "ho anao, tompoko" na "ho anao"

avelao ilay zazalahy hiakatra

Hampiasaina ny teny hoe "hiakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any Egypta mankany Kanana.

Fa amin'ny fomba ahoana no hiakarako any amin'ny raiko raha tsy miaraka amiko ilay zazalahy?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Joda mba hanindrina ny alahelony raha tsy miverina any an-trano i Benjamina. DH: "Tsy afaka miverina any amin'ny raiko aho raha tsy miaraka amiko ilay zazalahy."

Matahotra ny hahita ilay ratsy izay ho tonga eo amin'ny raiko aho

Ny fijalian'ny olona fatratra dia resahina toy ny zavatra "ratsy" izay tonga amin'ny olona. DH: "Matahotra ny hahita ny fijalian'ny raiko aho"