Genesis 24

Genesis 24:1

Ary

Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fiatoana ao amin'ny tena fizotran'ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka miresaka fizaran-tantara vaovao amintsika.

Apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao

Mikasa ny hampianina ilay mpanompony hanao zavatra iAbrahama. Ny manao ny tanany ao ambanin'ny fen'i Abrahama dia maneho fa tena hanao tokoa izay hianianany izy.

asaiko mianiana ianao

Azo atao toy ny baiko izany. DH: "mianiàna" na "manaova fianianana"

mianiana amin'i Yaveh

Ny teny hoe: "mianiana amin'i" dia midika fampiasana anaran-javatra na olona ho fototra na hery amin'ny fanaovana ny fianianana." "mianianà amiko amin'ny fanatrehan'i Yaveh ho vavolombelona"

ilay Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany

"ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany." Ny teny hoe: "lanitra" sy "tany" dia nampiasaina niaraka mba ilazana ny zavatra rehetra izay noharian'Andriamanitra. DH: "ilay Andriamanitrin'ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany"

lanitra

Ilazana ny toerana honenan' Andriamanitra izany.

avy amin'ireo zanaka vavin'ny Kananita

"avy amin'ireo vehivavy Kananita" na "avy amin'ireo Kananita." Ilazana ireo vehivavin'ny Kananita izany.

eo amin'ireo izay hanorenako ny fonenako

"eo amin'ireo izay hitoerako." Eto ny mpisolo tena tampisaka "ko" = izaho dia milaza an'i Abrahama sy ny fianakaviany rehetra ary ireo mpanompony. DH: "eo amin'ireo izay hitoeranay"

Fa handeha ianao

Azo atao toy ny baiko izany. DH: "mianiàna fa handeha ianao" na "kanefa mandehana"

ireo havako

"ny fianakaviako"

Genesis 24:5

Ahoana raha

"Ahoana ny tokony ataoko raha"

tsy vonona ny handeha hanaraka ahy

"tsy hanaraka ahy" na "handà ny hiverina hiaraka amiko"

Tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina any amin'ny tany niavianao ve aho?

"Ho entiko honina any amin'ny tany izay nihavianao ve ny zanakao lahy"

Mahazò antoka ny tsy hitondranao ny zanako lahy hiverina any

Ny andian-teny hoe: "Mahazò antoka" dia manindry ny baiko izay ao aoriany. "Tandremo mba tsy hitondra ny zanako lahy hiverina any" na "'azonao antoka ny tsy hitondranao ny zanako lahy hiverina any"

izay naka ahy avy tao an-tranon'ny raiko

Eto ny "trano" dia ilazana ny olona ao anatin'ny tranony. DH: "izay naka ahy avy tao amin'ny raiko sy ny sisam-pianakaviako"

nampanantena ahy tamin'ny fianianana manetriketrika

"mianiàna ary manaova voady amiko"

nilaza hoe: 'Omeko ho an'ny taranakao ity tany ity,'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "nilaza fa hanome ity tany ity ho an'ny taranako"

Izy no haniraka ny anjeliny

Ny teny hoe "Izy " sy ny mpisolo tena tampisaka "..ny" dia ilazana an'i Yaveh.

Genesis 24:8

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny andininy 8 dia fanohizana ny toro-lalana izay nomen'i Abrahama ny mpanompony.

Saingy raha tsy vonona ny hanaraka anao ilay vehivavy

"Saingy raha mandà ny handeha hiaraka aminao ilay vehivavy." Namaly ny fanontanian'ilay mpanompony Abrahama manomboka eo amin'ny 24:5

dia ho afaka amin'ny fianianako ianao

"dia ho votsitra amin'ny fianianana izay nataonao tamiko ianao." Ny hoe afaka tsy manantanteraka ny fianianana dia resahina toy ny olona izay malalaka amin'ny zavatra izay namatotra azy. DH: "tsy voatery manao izay nianiananao ho atao tamiko ianao"

nametraka ny tanany tao ambanin'ny fen'i Abrahama tompony

Maneho izany fa tena hanao tokoa izay hianianany hatao izy.

nianiana taminy

"nanao fianianana taminy"

mahakasika izany raharaha izany

"mahakasika ny fangatahan'i Abrahama" na "fa hanao izay nambaran'i Abrahama izy"

Genesis 24:10

nandeha. Nitondra ihany koa

Miantomboka amin'ny "Nitondra ihany koa" ny fehezanteny mba hanome fanampin'andinindininy mahakasika izay zavatra nentin'ilay mpanompo niaraka taminy nandritra ny diany. Nanagona izany izy mialohan'ny niaingany.

Nitondra ireo karazam-panomezana rehetra avy tamin'ny tompony ihany koa izy

Midika izany fa nitondra zava-tsoa maro izay tian'ny tompony homena ny fianakavian'ilay vehivavy koa izy.

Niainga izy ka nandeha

"lasa ka nandeha" na "niala ka nandeha"

ilay tanànan'i Nahora

Ireo mety ho heviny dia 1) ny tanàna izay nonenan'i Nahora" na 2) "ny tanàna izay nantsoina hoe Nahora." Raha azonao atao ny mandika izany tsy an-kifidy hevitra, dia ataovy izany.

Nataony nipetraka ireo rameva

Biby avo manana tongotra roa lava ny rameva. Nataony namoritra ny tongony ary nametraka ny vatany tamin'ny tany izy ireo. "Nataony nipetraka ireo rameva"

fatsakan-drano

"fatsakana rano" na "fatsakana" (UDB)

hatsaka rano / hisiton-drano

"maka rano" (UDB)

Genesis 24:12

Hoy izy avy eo

"Hoy ilay mpanompo avy eo"

omeo ahy anio ny fanambinana ary asehoy ny tsy fivadiham-panekena amin'i Abrahama tompoko

Azonao ampiasaina ny mpampitohy "amin'ny". Manazava ny amin'ny tian'ilay mpanompo hanehoan'Andriamanitra ny tsy fivadiham-panekena izany. DH: "asehoy ny tsy fivadiham-panekena amin'i Abrahama tompoko amin'ny fanambinana ahy anio"

Indro

Eto ny teny hoe "Indro" dia manampy amin'ny fanasongadinana izay manaraka.

ny loharano

"ny loharano" na "fatsakana"

ireo zanaka vavin'ny olon'ny tanàna

"ireo tovovavin'ny tanàna"

Aoka ho tanteraka tahaka izao izany

"Aoka hitranga tahaka izany" na "Ataovy mitranga"

Rehefa milaza amina vehivavy iray aho hoe: 'Mba ampidino re ny sininao mba hafahako misotro,'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Rehefa manontany tovovavy iray ny hamelany ahy hisotro amin'ny rano avy amin'ny sininy"

Mba ampidino re ny sininao

Fanaon'ireo vehivavy ny mitondra ny sinin'izy ireo amin'ny sorony. Tsy maintsy mampidina izany izy raha hanome rano ho sotroin' ilay lehilahy.

siny

siny antonitoniny izay vita amin'ny tanimanga izay nampiasaina hitazomana sy handrarahana ranon-javatra

fa nampiseho tsy fivadiham-panekena tamin'ny tompoko Ianao

Afaka atao izany hoe: DH: "koa satria nahatoky tamin'ny tompoko ianao nohon'ny fanekena"

Genesis 24:15

Ary

Nampiasaina izany teny izany eto mba hanamarihana ny toerana izay niantombohan'ny tantara. Raha manana fomba fanaovana izany ny fiteninao, dia mihevera ampiasa izany eto.

indro

Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.

siny

siny antonitoniny izay vita amin'ny tanimanga izay nampiasaina hitazomana sy handrarahana ranon-javatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:12.

Rebeka dia naterak'i Betoela, zanaka lahin'i Milka, vadin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama

"Betoela no rain'i Rebeka. Ny ray aman-drenin'i Betoela dia i Milka sy Nahora. Nahora rahalahin'i Abrahama"

Betoela

Rain'i Rebeka i Betoela. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:20.

Nahora

Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:22.

Milka

vadin'i Nahora i Milka ary renin'i Betoela. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:29.

Nandeha nidina teny amin'ilay loharano izy ... ary niakatra

Ilay loharano dia ambanimbany nohon'ny fiakarana izay nijoroan'ilay mpanompo.

Genesis 24:17

mba hihaona aminy

"mba hihaona amin'ilay tovovavy"

rano kely ho sotroina

"rano kely"

siny

siny antonitoniny izay vita amin'ny tanimanga izay nampiasaina hitazomana sy handrarahana ranon-javatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:12.

ry tompoko

"tompoko." Eto ilay vehivavy dia mampiasa izany fomba fiteny maneho fanajana izany mba ilazana an-dralehilahy, na dia tsy andevony aza izy.

nampidininy faingana ho eo an-tanany ilay siny

"nampidininy faingana ny sininy." Nitondra ilay siny teny an-tsorony izy. Tsy maintsy mampidina izany izy mba hanomezana rano ilay mpanompo.

Genesis 24:19

Hisintomako rano

"haka rano aho"

Koa nahidiny faingana ary noritrainy ny rano tao anaty sininy

"Malaky tokoa ny nandritrainy / nandrarahany ny rano tao anaty sininy"

tavy fisotroana

"ilay tavy fisotroanan'ireo 'biby'"(UDB). Ny tavy fisotroana dia fitoeran-drano hasiana ny rano ho sotroin'ireo biby.

Genesis 24:21

Ilay lehilahy

"Ilay mpanompo" (UDB)

Nandinika azy

"Nandinika an'i Rebeka" na "Nandinika ilay tovovavy"

mba hahita

Ny mianatra zavatra dia resahina foana toy ny hoe mahita. DH: "mahafantatra" (UDB) na "mamaritra"

nanambina ny diany

"nahatanteraka ny tanjon'ny diany" na "nampahomby ny diany." Azonao azavaina izay tian'ilay mpanompo ho faritana. DH: "nahita an'ilay vehivavy izay ho lasa vadin'i Isaka"

na tsia

Azonao atao mazava ny hevitra ambadik'izany: DH: "na tsy nanambina ny diany"

kavin'orona volamena milanja antsasaka sekely

"kavin'orona volamena milanja enina grama" (UDB). Ny lanja dia maneho ny hasarobidin'ilay kavina. DH: "kavin'orona volamena lafo vidy"

firavaka volamena anankiroa fanao amin'ny sandry milanja folo sekely

"ny firavaka volamena anankiroa fanao amin'ny tanana ho azy dia milanja 110 grama." Ny lanjan'izy ireo dia maneho ny hasarobidiny. DH: "firavaka volamena anankiroa lehibe fanao amin'ny sandry ho azy" (UDB)

Zanaka vavin'iza moa ianao

"iza no rainao"

misy efitra ve ao an-tranon'ny rainao

"misy toerana ve ao an-tranon'ny rainao"

ho anay

Misy lehilahy hafa niara nandeha tamin'ny mpanompon'i Abrahama tokoa. Eto ny "izahay" dia ilazana ilay mpanompo sy ireo izay niaraka nanao ny dia taminy.

handany ny alina

"hijanona amin'ny alina" na "hijanonana mandritra ny alina"

Genesis 24:24

Hoy izy

"niteny i Rebeka hoe" na "ilay tovovavy niteny hoe"

taminy

"tamin'ilay mpanompo"

Zanaka vavin'i Betoela zanaka lahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora aho

"i Betoela noraiko, ary i Milka sy Nahora no ray aman-dreniny"

Ary manana mololo sy vilona be dia be ihany koa izahay

Mazava avy amin'izany fa ho an'ireo rameva ireo mololo sy vilona. Afaka ataonao mazava ny hevitra fonosin'izany fampahafantarana izany. DH: "Manana mololo sy vilona betsaka ho an'ireo rameva izahay"

ho anareo mba handaniana ny alina

"ho anareo mba hijanonana mandritry ny alina" na "izay afaka hitoeranareo mandritry ny alina"

ho anareo

Eto ny "ianareo" dia ilazana ilay mpanompo sy ireo izay niaraka nanao ny dia taminy.

Genesis 24:26

ilay lehilahy

"ilay mpanompo" (UDB)

niankohoka

Famataram-panetre-tena eo anatrehan'Andriamanitra izany.

izay tsy nahafoy ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fahamendreham-pitokisany nanoloana ny tompoko

"tsy nitsahatra naneho ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fahamendreham-pitokisany tamin'ny tompoko." Afaka atao izany hoe: DH: "mbola nanohy ny hahatoky sy tsy mivadika nohon'ny fanekeny tamin'ny Tompoko"

tsy nahafoy

Afaka atao izany hoe: DH: "manohy maneho"

ireo havana

"fianakaviana" na "fianakaviambe"

Genesis 24:28

nihazakazaka ary nitantara tamin'ny ankohonan-dreniny

Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny olona rehetra izay mipetraka ao an-tranon'ny reniny. DH: "nihazakazaka ho any an-trano ary niteny tamin-dreniny sy ny olona rehetra tao"

izany zavatra rehetra izany

"ny zavatra rehetra izay nitranga"

Ary

Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fiatoana ao amin'ny tena fizotran'ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka miresaka fizaran-tantara vaovao amintsika.

Rehefa nahita ny kavin'orona ... ary rehefa nandre ny tenin'i Rebeka anabaviny

Nitranga talohan'ny nihazakazahany nankeny amin'ilay lehilahy ireo zavatra ireo. Milaza ny antony nihazakazahan'i Labana teny amin'ilay lehilahy izany.

rehefa nandre ny tenin'i Rebeka anabaviny hoe: "Izao no nolazain'ilay lehilahy tamiko,"

Afaka atao izany hoe: DH: "rehefa nandre ny fitataran'i Rebeka anabaviny mahakasika izay nambaran'ilay lehilahy taminy izy"

indro

"marina tokoa." Ny teny "indro" dia manampy manasongadina izay manaraka.

Genesis 24:31

Avia

"mandroso" na "Midira"

ianao ry voatahin'i Yaveh

"ianao izay notahin'i Yaveh"

ianao

Eto ny teny hoe "ianao" dia ilazana ny mpanompon'Abrahama.

Nahoana ianao no mijoro eny ivelany eny?

Mampiasa izany fanontaniana izany Abrahama mba hanasana ny mpanompon'i Abrahama hiditra ao an-trano. Azo atao toy ny fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "tsy tokony mijanona any ivelany ianao."

Koa dia niditra tao an-trano ilay lehilahy

Ny teny hoe: "niditra" dia azo adika hoe "nandeha."

nampidina ny entana teo amin'ireo rameva izy

Tsy tena mazava loatra izay nanao izany asa izany. Afaka atao izany hoe: "nampidina ny entana teo amin'ireo rameva ireo mpanompon'i Labana" (UDB) na "nampidinina ireo entana amin'ireo rameva"

Nomena mololo sy vilona ireo rameva, ary nisy rano novatsiana

Tsy milaza izay nanao izany asa izany. Ampiasao ho lazaina ny hoe: "ireo mpanompon'i Labana". DH: "nomen'ireo mpanompon'i Labana mololo sy vilona ireo rameva, ary namatsy rano izy ireo "

hanasana ny tongony ... taminy

"ho an'ilay mpanompon'i Abrahama sy ireo lehilahy izay niaraka taminy hanasany ny tongotr'izy ireo"

Genesis 24:33

Nandroso (...) izy ireo

Eto, ny teny hoe"izy ireo" dia ilazana ireo ao anatin'ny fianakavian'i Labana na ireo mpanompo ao an-tokantrano

Nandroso sakafo teo anoloany

"nanome sakafo ilay mpanompo"

voalazako izay tokony hambarako

"nilaza ireo teniko" na "hilaza aminareo izay anton-diako eto"

lasa olona manam-be izy

Eto ny teny hoe: "izy" dia ilazana an'i Abrahama.

lasa olona manam-be

"tonga mpanakarem-be"

Izy nanome azy

Ny teny hoe: "Izy" dia ilazana an'Yaveh.

Genesis 24:36

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.

niteraka zaza lahy ho an'ny tompoko

"niteraka zaza lahy"

nomeny azy ... nananany

"nomena ny tompoko ... ho an'i zanany lahy"

Nasain'ny tompoko nianiana aho, tamin'ny nilazany hoe:

"Nasain'ny tompoko nianiana aho fa hanao izay asainy hataoko. Hoy izy hoe"

avy amin'ireo zanaka vavin'ny kananita

Ilazana ireo vehivavy Kananita izany. DH: "avy amin'ireo vehivavy Kananita" na "avy amin'ireo Kananita"

izay nataoko fonenana ny taniny

"eo amin'ireo izay hitoerako." Eto ny mpisolo tena tapisaka "...ko" na "izaho" dia ilazana an'i Abrahama sy ireo fianakaviany ary ireo mpanompony. DH: "eo amin'ireo izay hitoeranay"

any amin'ireo havako

"any amin'ny fianakaviambeko" (UDB)

Genesis 24:39

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.

Mety tsy hanaraka ahy ilay vehivavy

Zavatra izay mety hitranga tokoa izany. DH: "Ahoana raha tsy mety miverina miaraka amiko ilay vehivavy." na "Inona no tokony hataoko raha tsy mety miverina miaraka amiko ilay vehivavy?"

izay andehanako eo anoloana

Ny manompo an'i Yaveh dia resahina toy ny mandeha eo anoloan'ny fanatrehan'i Yaveh i Abrahama. DH: "Izay tompoko"

hanambina ny lalanao Izy

"hampahomby ny dianao Izy"

firazanam-pianakaviana

"fianakaviana"

Saingy ho afaka amin'ny fianianako ianao raha tonga any amin'ny havako ka tsy hanome azy ho anao izy ireo. Dia ho afaka amin'ny fianianako ianao.

Zavatra mety hitranga izay tsy dia ninoan'i Abrahama loatra ny hisehoany. Ireo mety ho heviny dia 1) "Fomba iray ihany no hahafahanao miala amin'ny fianianako: raha mankany amin'ireo havako ianao ary tsy manome azy ho anao izy ireo, dia ho afaka amin'ny fianianako ianao" na 2) miainga amin'ny andininy faha 40, "raha mandeha any amin'ny fianakavian-draiko ianao ary manontany vehivavy amin'izy ireo, dia efa nanao izay nasaiko natao. Raha tsy manome azy ho anao izy ireo, dia ho afaka amin'ny fianianana izay nianiananao tamiko ianao."

ho afaka amin'ny fianianako ianao

"dia ho votsitra amin'ny fianianana izay nataonao tamiko ianao." Ny hoe afaka tsy manantanteraka ny fianianana dia resahina toy ny olona izay malalaka amin'ny zavatra izay namatotra azy. DH: "tsy voatery manao izay nianiananao ho atao tamiko ianao"

raha mankany amin'ireo havako

Misy ireo fiteny izay mampiasa ny teny hoe tonga sy mandeha amin'ny fomba samy hafa. DH: "Raha tonga ao amin'ireo havako ianao' tranoko" na "raha mandeha any amin'ireo havako ianao"

Genesis 24:42

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.

ny loharano

"ny fatsakana"

indro aho, mijoro eto akaikin'ny loharano

Natsahatr'ilay mpanompo izay nasainy nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fisintonana ny fifantohan'Andriamanitra ho amin'ny toerana izay nijoroany.

aoka izay tovovavy mivoaka haka ... izay vehivavy hilazako hoe ... izay vehivavy milaza amiko hoe

Miverina mametraka ny fangatahany ilay mpanompo, ary manana zavatra telo holazaina mahakasika ilay vehivavy izay hantenainy ho avy.

hantsaka rano

"haka rano"

siny

siny antonitoniny izay vita amin'ny tanimanga izay nampiasaina hitazomana sy handrarahana ranon-javatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:12.

aoka ho izy ilay vehivavy

Namarana ny fangatahany ilay mpanompo.

Genesis 24:45

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.

niteny tao am-poko

Ny mivavaka mangina ao an-tsaina dia resahina toy ny hoe miresaka ao am-pony izy. Ny teny hoe: "fo" dia ilazana ny eritreriny sy ny fisainany. DH: "mivavaka" (UDB) na "mivavaka mangina"

indro

"iny tokoa" na "tampoka teo." Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra ny fifantohantsika ho amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.

siny

siny antonitoniny izay vita amin'ny tanimanga izay nampiasaina hitazomana sy handrarahana ranon-javatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:12.

nandeha nidina ho eo amin'ny loharano izy

Nampiasaina ny andian-teny hoe: "nandeha nidina" satria ny loharano dia any ambanimbany kely noho izay nitsanganan'ilay mpanompo.

loharano

"fantsakana"

nomena rano ireo rameva

"nanome rano ireo rameva"

Genesis 24:47

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.

Ilay zanaka vavin'i Betoela, zanak'i Nahora, izay naterak'i Milka taminy

"Betoela no raiko. I Nahora sy Milka no ray aman-dreniny"

ny kavina ... ravaka

Voalaza ao amin'io tantara io, fa vita amin'ny volamena avokoa ireo zavatra ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:21.

niankohoka

Famataram-panetre-tena eo anatrehan'i Andriamanitra izany.

nitondra ahy tamin'ny lalana marina

"nitondra ahy eto"

izay nitondra ahy

Ny mpampitohy "satria" dia afaka ampiasaina mba hanehoana ny antony nideran'ilay mpanompo an'Andriamanitra. DH: "satria Yaveh nitondra ahy"

ny havan'ny tompoko

Ilazana an'i Betoela, zanaka lahin'i Nahora rahalahin'i Abrahama izany.

Genesis 24:49

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.

Koa ankehitriny

"Ankehitriny" (UDB). Eto ny "ankehitriny" dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao," fa kosa nampiasaina mba hisarihana ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.

raha vonona ny hitondra ny tompoko amin'ny fitokiam-pianakaviana sy fahamendreham-pitokiana ianareo, dia ambarao amiko

Azo atao mazava ny amin'ny fomba hanehoan'izy ireo ny fahatokiana sy ny fahamendreham-pitokiana. DH: "lazao ahy raha mahatoky sy ho mendri-pitokiana ny tompoko ianareo amin'ny fanomezana an'i Rebeka ho vadin'ny zanany lahy"

ianareo

Ny teny hoe "ianareo" dia ilazana an'i Labana sy Betoela.

fitokiam-pianakaviana sy fahamendreham-pitokiana

Afaka atao izany hoe: "mahatoky sy mendrim-pitokiana"

fitokiam-pianakaviana

Fahatokiana eo amin'ny mpianakavy izany.

Kanefa raha tsy izany

Ny hevitra ambadik'izany dia azo atao mazava hoe: DH: "Kanefa raha tsy vonona ny hitondra ny tompoko amin'ny fitokiam-pianakaviana sy fahamendreham-pitokiana ianareo"

mba hitodiako miankavia na miankavanana

Ireo mety ho heviny dia 1) ny manapaka izay tokony atao dia resahina toy ny olona izay mitodika amin'ny lalana iray na mankany amin'ny lalana iray hafa. DH: "mba hahafantarako izay tokony atao" na 2) tian'ilay mpanompo ho fantatra raha mila manohy ny dia any amin'ny toeran-kafa izy. DH: "mba hahafahako manohy ny diako"

Genesis 24:50

Betoela

Rain'i Labana sy Rebeka izy.

Avy amin'i Yaveh izany zavatra izany

"nampitranga izao zavatra rehetra izao i Yaveh"

tsy afaka ny hilaza aminao na ratsy na tsara izahay

Milaza izy ireo fa tsy manana fahefana hitsara ho soa na ratsy ny amin'izay nataon'Andriamanitra. DH: "tsy sahinay ny hitsara izay ataon'i Yaveh"

Indro

Ny teny hoe "Indro" eto dia manasongadina izay manaraka azy.

eo anoloanao i Rebeka

"indro i Rebeka"

Genesis 24:52

ny tenin'izy ireo

"ny tenin'i Labana sy Betoela." Eto ny teny dia manambara izay nolazain'izy ireo. DH: "izay nolazain'i Labana sy Betoela"

niankohoka tamin'ny tany izy

Ny miankohoka amin'ny tany eo anatrehan'Andriamanitra dia fomba filaza ny fanomezam-boninahitra azy.

karazan-javatra volafotsy sy karazan-javatra volamena

"zavatra volafotsy sy volamena" na "zavatra natao tamin'ny volafotsy sy volamena"

fanomezana sarobidy

"fanomezana lafo" na "fanomezana manan-danja"

Genesis 24:54

izy sy ireo lehilahy izay niaraka taminy

"ny mpanompon'i Abrahama sy ireo lehilahy niaraka taminy"

Nitoetra tao nandritry ny alina

"natory tao tamin'iny alina iny"

nifoha maraina

"nifoha ny ampitson'iny"

Alefaso aho

"Aoka aho handao ary hiverina"

mandritry ny andro vitsivitsy, (...) folo andro farafahakeliny

"mbola misy folo andro farafahakeliny"

folo

"10"

Aorian'izany

"ary dia"

Genesis 24:56

hoy izy hoe

"ny mpanompon'i Abrahama niteny hoe"

tamin'izy ireo

"tamin'ny reny sy anadahin'i Rebeka"

Aza hazonina aho

"aza manao izay hahataraiky ahy" (UDB) na "Aza ampiandrasana aho"

nanambina ny lalako Yaveh

Eto ny "lalana" dia ilazana ny dia. DH: "nampahomby ny tanjon'ny diako i Yaveh"

Alefaso amin'ny lalako aho

"avelao aho hanainga"

Genesis 24:59

Koa dia nalefan'izy ireo (...) Rebeka anabavin'izy ireo

Koa dia nalefan'ny fianakaviana i Rebeka"

i Rebeka anabavin'izy ireo

Anabavin'i Labana i Rebeka. DH: "ny havan'izy ireo" na "ny anabavin'i Labana"

ny mpanompo vaviny

Ilazana ny mpanompo vavy izay namahana an'i Rebeka raha vao kely izy, nikarakara azy fony izy mbola zaza, ary mbola manompo azy hatrany.

Ranabavy / ry anabavinay

Tsy anabavin'ny olona rehetra tao amin'ny tranony i Rebeka. Kanefa niantso azy toy izany izy ireo mba hanehoana fa tian'izy ireo izy. DH: "Rebeka malalanay"

ho renin'ny aman'arivony sy aman'aliny anie ianao

Eto ny "reny" dia entina milaza ny razambe. DH: "ho razamben'ny olona an-tapitrisany anie ianao" na "hanana taranaka maro tokoa anie ianao"

aman'arivony sy aman'aliny

Ny heviny dia hoe: tsy tambo isaina.

ho tompon'ny vavahadin'ireo izay mankahala azy anie ireo taranakao

Ireo tafika dia hamaky avy eo amin'ny vavahadin'ireo tananàn'ny fahavalon'izy ireo ary handresy ny olona. DH: "Tena handresy tanteraka ireo izay mankahala azy anie ireo taranakao"

Genesis 24:61

Avy eo nitsangana Rebeka, ka nitaingina ireo rameva izy sy ireo mpanompo vaviny

"Ary dia nandeha i Rebeka sy ireo mpanompo vaviny ka nitaingina ireo rameva"

Koa nentin'ilay mpanompo i Rebeka, ary roso tamin'ny lalany izy

"Tamin'izany fomba izany no nangalan'ilay mpanompon'i Abrahama an'i Rebeka hiaraka aminy sy hiverina ho any amin'izay nihaviany"

Ary

Manamarika ny fiovan-tantara izany teny izany. Milaza mahakasika ny nahitan'ilay mpanompo vady, ary amin'izao dia hitantara momba an'i Isaka izany.

Bera-lahai-roy

Anarana lava-drano any Negeva izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:13.

Genesis 24:63

Nandeha nivoaka hariva mba hivavaka tany an-tsaha Isaka

"Indray hariva Isaka dia nandeha nivoaka ho any an-tsaha mba handinika." Tsy maintsy hoe fotoana ela tao aorian'ny nialan'ilay mpanompo sy Rebeka tany an-tranony izany satria efa nandeha lalan-davitra izy ireo.

Rehefa niandrandra izy dia nahita, indreny, nisy rameva tamy!

Ny teny hoe: "indreny" eto dia manaitra antsika hiaino tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka eo. "Rehefa nitraka izy dia taitra raha nahita rameva tamy"

Nitazana Rebeka

"niandrandra i Rebeka"

nitsambikina nidina avy teo amin'ny rameva izy

"nidina faingana avy eo amin'ny rameva"

Koa nalain'i Rebeka ny voaliny, ary nosaronany ny tenany

"koa dia nanarona ny tavany tamin'ny voaliny izy." Famantaram-panajana sy fanetre-tena manoloana ilay lehilahy izay hanambady azy izany. Ny tena hevitr'izany dia azo atao mazava.

voaly

Tapa-damba nampiasaina hanaronan'ny olona ny lohany, ny soriny sy ny tavany

Genesis 24:66

ka naka an'i Rebeka, dia lasa vadiny izy

Ireo fehezanteny roa ireo dia samy midika fa nanambady an'i Rebeka i Isaka. DH: "ary nanambady an'i Rebeka" na "ary naka azy ho vadiny"

Koa nionona Isaka

Afaka atao izany hoe: DH: "koa dia nampionona an'i Isaka i Rebeka"