Genesis 25

Genesis 25:1

Ireo rehetra ireo

Ilazana ny anaran'olona tao amin'ny andininy 2-4 izany.

Genesis 25:5

Nomen'i Abrahama an'Isaka izay nananany rehetra

"Nandova izay rehetra nananan'i Abrahama Isaka." Ara-dalana ho an'ny ray ny hizara ny fananany rehefa mby amin'ny fahanterana izy mba tsy hamela ireo hafa hanao izany ao aorian'ny fahafatesany.

Genesis 25:7

Ary ny andro niainan'i Abrahama dia 175 taona

"Niaina 175 taona i Abrahama"

Niala aina Abrahama ka maty

"Nitroka ny fofonainy farany Abrahama ary maty." Ny andian-teny hoe " fofonainy farany" na "Niala aina" na "maty" dia milaza zavatra iray ihany. DH: "maty i Abrahama"

Nitroka ny fofonainy farany/ Niala aina

Fomba mihaja ilazana ny fahafatesan'ny olona.

maty tratra antitra, lehilahy zokiolona voky andro

Milaza zavatra mitovitovy ihany izany andian-teny roa izany ary manasongadina fa niaina nandritra ny fotoana ela. DH: "rehefa niaina nandritra ny fotoana ela sy efa tena antitra"

lehilahy zokiolona voky andro

Ny lava andro iainana dia resahina toy ny hoe tahaka ny fitoeran-javatra izay mety feno ny fiainana.

nangonina ho any amin'ireo olony izy

Ny heviny dia hoe: tao aorian'ny nahafatesan'i Abrahama, ny fanahiny dia lasa nakany amin'ny toerana izay nisy ireo havany izay efa maty talohany. Afaka atao izany hoe: DH: "nanjohy ireo fianakavina izay efa maty izy"

Genesis 25:9

ilay lava-baton'i Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona

Nanana saha tao Makpela i Efrona ary ilay lava-bato dia tao anatin'ilay saha. Novidian'i Abrahama tamin'i Efrona ilay saha.

Makpela

Makpela dia anarana toerana na faritra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.

Efrona ... Zohara

Anaran-dehilahy ireo. Jereo ny nandikanao ireo anaran-dehilahy ireo ao amin'ny 23:7.

izay eo akaikin'ny Mamre

eo akaikin'ny Mamre i Makpela.

Mamre

Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Hebrona izany. Mety nampitondraina ny anaran'i Mamre izany, ilay naman'i Abrahama nonina tao. Jereo ny nandikanao izany anaran-toerana izany ao amin'ny 23:17.

Ilay saha izay novidian'i Abrahama

"Novidian'Abrahama izany saha izany"

ireo zanaka lahin'i Heta

"ireo taranak'i Heta" na "ireo Hetita." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:5.

Nalevina i Abrahama

Afaka atao izany hoe: DH: "nandevina an'i Abrahama izy ireo"

zanany lahy

"ny zanaka lahin'i Abrahama"

Bera-lahai-roy

Ny dikan'izany anarana izany dia "ilay fatsakan'ilay velona izay mahita ahy."Jereo ny nandikanao izany anaran-toerana izany ao amin'ny 16:13.

Genesis 25:12

Ary

Izany teny izany dia nampiasaina amin'ny teny Anglisy mba hampidirana ny fampahafantarana ny fizaran-tantara vaovao mahakasika an'i Ismaela.

Genesis 25:13

Ireo avy no zanaka lahin'Ismaela, ary ireo ny anaran'izy ireo, araka ny tanànany, sy ny toby misy azy ireo; andriana roa ambin'ny folo araka ny fokon'izy ireo

Afaka zaraina ho fehezan-teny roa izany. "Ireo no anaran'ireo roa ambin'ny folo lahy zanak'i Ismaela. Izy ireo dia nitarika ireo foko izay nampitondraina ny anaran'izy ireo, samy nanana ny tanànany sy ny tobiny avy izy ireo"

roa ambin'ny folo

"12"

andriana

Eto ny teny hoe "andrian-dahy" dia midika fa ireo lehilahy ireo dia mpitarika sy mpanapaka ireo foko; tsy midika izany fa zanaka mpanjaka izy ireo.

Genesis 25:17

Ny andro niainan'i Ismaela dia 137 taona

"Niaina 137 taona i Ismaela"

Niala aina ka maty

Ny hoe: "Nitroka ny fofonainy farany" sy "maty" dia milaza zavatra iray ihany. DH: "maty"

nangonina ho any amin'ireo olony izy

Ny heviny dia hoe: tao aorian'ny nahafatesan'i Ismaela, ny fanahiny dia lasa nakany amin'ny toerana izay nisy ireo havany izay efa maty talohany. Afaka atao izany hoe: DH: "nanjohy ireo fianakavina izay efa maty izy"

Nonina (...) izy ireo

"Nanorim-ponenana ireo taranany" (UDB)

tany Havila ka hatrany Sora

"teo anelanelan'i Havila sy Sora"

Havila

Any amin'ny tany efitr'i Arabia no misy an'i Havila. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:11.

ilay iray izay mankany Asyria

"any amin'ny lalana mankany..."

Niaina tamin'ny fifankahalana izy ireo

Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy niara-niaina am-pilaminana izy ireo" (UDB), na 2)" nonina lavitra tokoa an'ireo havany hafa izy ireo."

Genesis 25:19

Ireto avy ireo tranga nahakasika an'Isaka, zanaka lahin'i Abrahama

Izany fehezanteny izany dia mampiditra ny tantaran'ireo taranak'i Isaka ao amin'ny Genesisy 25:19-35:29. DH: "Toy izao ny tantaran'ireo taranak'i Isaka, zanaka lahin'i Abrahama"

Efa-polo taona

"40 taona"

raha naka vady an'i Rebeka izy

"raha nanambady an'i Rebeka izy"

Betoela

Rain'i Rebeka i Betoela. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:20.

Padan-Arama

Anarana hafa iantsoana ny faritr'i Mesopotamia izany, izay mitovy amin'izay misy an'i Iraka taty aoriana (Iraka vaovao).

Genesis 25:21

momba izy

"tsy nety ny ho bevohoka izy"

nitoe-jaza Rebeka

Afaka atao mazava izany fa nitoe-jaza anankiroa tamin'ny fotoana iray i Rebeka: "i Rebeka vadiny, dia bevohoka zaza kambana"

Niady tao an-kibony ireo zanany

"ireo zaza tao an-kibony dia nanohy nifanindry" na "nifanosika tao an-kibony ireo zaza"

ireo zaza tao an-kibony

Bevohoka kambana i Rebeka.

Koa nandeha nanontany an'i Yaveh momba izany izy

"nandeha ary nanontany an'i Yaveh momba izany izy." Tsy dia mazava loatra izay toerana nandehanany. Mety nandeha tany amin'ny toerana voatokana hivavahana izy, na mety nandeha tany amin'ny toerana fanolorana sorona izy.

Genesis 25:23

nilaza taminy hoe

"nilaza tamin'i Rebeka hoe"

Firenena roa ... hanompo ny zandriny

Asa soratra kanto izany. Raha manana fomba filaza ny hay kanto ny fiteninao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.

Firenena roa no ao an-kibonao

Eto ny "Firenena roa" dia ilazana ireo zaza roa. Ny zaza tsirairay dia samy ho rain'ny firenena. DH: "Firenena roa no ho avy amin'ireo kambana ao anatinao ireo"

ary vahoaka roa no ho sarahana avy ao anatinao

Eto ny "vahoaka roa" dia ilazana ireo zaza roa. Ny zaza tsirairay dia samy ho rain'ny firenena. Afaka atao izany hoe: DH: "ary rehefa miteraka ireo zaza ireo ianao dia hifandrafy izy ireo"

ny zokiny dia hanompo ny zandriny

Ireo mety ho heviny dia 1) "ilay zaza zokiny dia hanompo ilay zandriny" na 2) ireo taranak'ilay zokiny dia hanompo ireo taranak'ilay zandriny." Raha azo atao dia adikao izany mba hahazahoan'ny olona izay mety ho heviny.

Genesis 25:24

indro

Ny teny hoe: " indro" eto dia manasongadina izay manaraka azy. "eny tokoa"

mena tanteraka toy ny lamba voloina

Ireo mety ho heviny dia 1) mena ny hodiny ary rakotra volo ny vatany manontolo na 2) rakotra volo mena ny vatany manontolo. DH: "voloina sy mena tahaka ny lamba vita amin'ny hoditra biby"

Esao

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Esao dia mitovy fanonona toy ny teny hoe 'voloina.'''

Nihazona ny voditongotr'i Esao

"nitazona ny ivohon'ny tongotr'i Esao"

Jakoba

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Jakoba dia midika hoe 'nihazona ilay voditongotra izy.'''

Enim-polo taona

"60 taona"

Genesis 25:27

lasa mpihaza mahay

"tonga nanam-pahaizana tamin'ny fihazana sy famonoana biby ho atao sakafo"

lehilahy tsy be teny

"lehilahy tony" na "lehilahy tsy dia mihetsika"

izay nandany ny fotoany tao an-day

Miresaka momba ny fotoana toy ny zavatra tsy misy dikany izay lanilanian'ny olona fatany izany. DH: "izay mandany be loatra ny fotoanany ao an-day"

Ary

Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fiovan'ny fifantohana, fiovana avy eo amin'ny fampahafantarana fototry ny tantara mahakasika an'i Isaka sy Rebeka.

tian'Isaka

Eto ny teny hoe: "tia" dia midika hoe"mankasitraka" na "tia kokoa."

satria nihinana ireo biby izay voahazany izy

"koa satria nihinana ireo biby izay voahazan'i Esao izy" na "satria nankafy ny henan'ny biby izay voasambotr'i Esao izy"

Genesis 25:29

Nahandro (...) Jakoba

Koa satria fiandohan'ny tantara mahakasika izay nitranga tamin'izany fotoana, izany, misy ireo mpandika teny izay mety te hanomboka amin'ny fehezan-teny toy ny hoe "Indray andro, Jakoba dia nahandro" mitovitovy amin'ny ao amin'ny UDB.

nahandro hanina

"nampangotraka sakafo" na "nahandro lasopy." Vita amin'ny rom-boanemba izany lasopy izany.

nalemin'ny hanohanana izy

"nalemy satria refona tanteraka izy" na "tena noana mafy izy"

valaka loatra aho

"malemin'ny hanohanana aho" na "tena noana mafy aho"

Edoma

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Edoma dia midika hoe' mena.'"

Genesis 25:31

fizokiana

"zo handova ny ampahany betsaka amin'ny haren'ny raintsika amin'ny maha voalohan-teraka" (UDB)

efa ho faty aho

Nampitombo ny zava-nisy Esao mba hanindrina ny hanoanany. DH: "Tena refona aho ary toa tsapako fa ho faty aho"

Inona ny soa azoko avy amin'ny fizokiana?

Nampiasa izany fanontaniana izany Esao mba hanindrina fa manan-danja kokoa nohon'ny fizokiana ny fihinanan-kanina. Azo adika toy ny fanambarana izany. DH: "Tsy tsara ho ahy ny lova raha matin'ny hanoanana aho!"

mianianà aloha amiko

Izay tian'i Jakoba hianihanan'i Esao dia azo atao mazava. DH: "mianianà aloha amiko fa hivarotra ny fizokianao ianao"

voanemba

Toy ny tsaramaso izany, saingy ny voany dia boribory kely, ary toa fisapisaka.

Nanao tsinontsinona ny fizokiany i Esao

"Nasehon'i Esao fa tsy manome lanja ny fizokiany izy"