Genesis 23

Genesis 23:1

Niaina fito amby roapolo amby zato taona i Saraha

Fito taona - "Niaina 127 taona i Saraha"

Izany ny taona niainan'i Saraha

Misy ireo dikanteny izay tsy mampiditra izany fehezanteny izany.

Kiriata Arba

Anaran-tanàna izany.

Nisaona sy nitomany an'i Saraha i Abrahama

"Nalahelo mafy sy nitomany i Abrahama satria maty i Sarah"

Genesis 23:3

nitsangana ka niainga avy eo amin'ny fatin'ny vadiny

"nitsangana Abrahama ka namela ny fatin'ny vadiny"

ireo zanaka lahin'i Heta

Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. DH: "ireo taranak'i Heta" (UDB) na "ireo avy amin'ireo taranak'i Heta"

eto aminareo

Afaka atao milaza toerana izany hevitra izany. "eto amin'ny firenenareo" na "eto"

Mba omeo amin'ny toeranareo aho

"Hamaroty tany aho" na "Avelao aho mba hividy ampahan-tany"

ny faty izay ahy

DH: "ny vadiko izay maty" na "ny vadiko izay efa maty"

Genesis 23:5

ireo zanaka lahin'i Heta

Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta"

ry tompoko

Ity andian-teny ity dia nampiasaina hanehoana fanajana an'i Abrahama.

Andrian-dehibe an'Andriamanitra

Fomba fiteny izany. Ny tena hevitr'izay dia "lehilahy manan-kery" (UDB) na "mpitarika matanjaka."

ny faty izay anao

Afaka atao izany hoe: DH: "ny vadinao izay maty" na "ny vadinao"

ny fasanay izay safidinao indrindra

"ny tsara indrindra amin'ireo toerana fandevenanay"

handà izany fasana izany ho anao

"hitazona ny toerana fandevenany ho anao" na "handà ny hanome ny fasany ho anao"

Genesis 23:7

nandohalika

Ny dikany dia mamoritra ny lohalika na mandohalika farany ambany am-panetretena mba hanehoana fanajana sy voninahitra amin'ny olona iray.

tamin'ireo olon'ny tany, tamin'ireo zanaka lahin'i Heta

"amin'ireo zanaka lahin'i Heta izay nonina teo amin'ilay faritra"

ireo zanaka lahin'i Heta

Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3.

ny faty izay ahy

Afaka atao izany hoe: DH: "ny vadiko izay efa maty" na "ny vadiko"

Efrona ...Zohara

Anaran-dehilahy izy ireo.

ny lava-baton'i Makpela

"ilay lava-baton'i Makpela." Makpela no anaran'ilay toerana na faritra. Nanana saha any Makpela i Efrona ary ilay lava-bato dia ao anatin'ilay saha.

izay azy

Milaza zavatra momba an'ilay lava-bato izany. An'i Efrona ary ilay lava-bato.

izay any amin'ny faran'ny sahany

Milaza zavatra momba an'ilay lava-bato ihany koa izany. Any amin'ny faran'ny sahan'i Efrona ilay lava-bato.

hivarotra izany amiko ampahibemaso

"varoty izany amiko eto imason'ny rehetra" (UDB) na "varoty amiko eto amin'ny fanatrehanareo"

ho toy ny fananana

"ampahan-tany izay ho ahy ka afaka ampiasaiko"

Genesis 23:10

Ary nipetraka teo amin'ireo zanaka lahin'i Heta i Efrona

Eto ny "Ary" dia nampiasaina hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho any amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Efrona.

Efrona

Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.

ireo zanaka lahin'i Heta

Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3.

mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta

Afaka atao izany hoe: DH: "mba hahafahan'ireo zanaka lahin'i Heta maheno azy" na "raha nihaino ireo zanaka lahin'i Heta"

ireo rehetra izay tonga teo amin'ilay vavahadin'ny tanànany

Milaza ireo zanaka lahin'i Heta izay nihaino izany. DH: "ireo rehetra izay niangona teo amin'ny vavahadin'ny tanànany"

vavahadin'ny tanànany

Ny vavahadin'ny tanàna dia toerana izay hihaonan'ireo mpitarika ny tanàna handraisana ireo fanapahan-kevitra manan-danja.

ny tanànany

"ny tanàna izay honenany." Izany andian-teny izany dia maneho fa ao anisan'ny olona ao an- tanàna i Efrona. Tsy midika anefa izany fa tompon'izany izy.

ry tompoko

Ity andian-teny ity dia nampiasaina hanehoana fanajana an'i Abrahama.

teo anatrehan'ireo zanaka lahin'ny oloko

Eto ny "fanatrehana" dia milaza ny olona izay natao toy ny vavolombelona. DH: " toy ny vavolombelona miaraka amin'ireo mpiray firenena amiko"

ireo zanaka lahin'ny oloko

Ny dikan'izany dia "ireo mpiray firenena amiko" na "ireo Hetita mpiray firenena"

ny oloko

"ny oloko" izany andian-teny izany dia maneho fa Efrona dia ao anatin'ny vondron'ny olona. Tsy midika anefa izany fa mpitarika azy ireo izy.

Omeko anao izany mba handevenanao ny faty izay anao

"Omeko anao izany. Aleveno ny faty izay anao"

faty izay anao

Afaka atao izany hoe: DH: "ny vadinao izay efa maty" na "ny vadinao"

Genesis 23:12

nandohalika

Ny dikany dia mamoritra ny lohalika na mandohalika farany ambany am-panetretena mba hanehoana fanajana sy voninahitra amin'ny olona iray.

Ny olon'ny tany

"olona izay monina amin'ny toerana"

mba ho ren'ireo olon'ny tany

Afaka atao izany hoe: DH: "mba hahafahan'ireo olon'ny tany maheno azy" na "raha nihaino ireo olon'ny tany"

Kanefa raha sitrakao

Ny teny hoe "kanefa" dia maneho fifanoherana. Te hanome ny saha ho an'i Abrahama i Efrona; i Abrahama kosa te handoa ny vidin'izany. DH: "Tsia, kanefa raha sitrakao" na "Tsia, kanefa raha manaiky izany ianao"

Ho vidiako ny saha

"Homeko volo ianao ny amin'ny saha"

faty izay ahy

Afaka atao izany hoe: DH: "ny vadiko izay efa maty" na "ny vadiko"

Genesis 23:14

Efrona

Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.

Aoka re, ry tompoko, mihainoa re ahy

"mandrenesa ahy, ry tompoko" na "mihainoa ahy, ry lehilahy tsara fanahy"

ry tompoko

Ity andian-teny ity dia nampiasaina hanehoana fanajana an'i Abrahama.

Sekely volafotsy efa-jato no sahaza ny ampahan-tany iray, ho inona amintsika sy ianao izany?

Tian'i Efrona ambara fa satria izy sy Abrahama samy tena manan-karena, dia lelavola kely ny volafotsy 400. Izany fanontaniana fampisainana izany dia azo adika ho fanambarana. DH: "Sekely volafotsy efa-jato ihany no sahaza ny ampahan-tany iray. Tsy dia toy inona loatra izany, amiko sy aminao."

Sekely volafotsy efa-jato

Sahabo ho volafotsy 4.5 kilao izany.

efa-jato

"400"

Aleveno ny faty izay anao

Afaka atao izany hoe: DH: "Mandehana aleveno ny vadinao izay maty" na "Mandehana aleveno ny vadinao"

nolanjain'i Abrahama ho an'i Efrona ny fatran'ny volafotsy

"nandanja ny volafotsy Abrahama ka nanome ny fatra ho an'i Efrona" na "nanisa ny fatran'ny volafotsy ho an'i Efrona i Abrahama"

ny fatran'ny volafotsy izay noresahiny

"ny fatran'ny volafotsy izay nolazain'i Efrona"

mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta

Afaka atao izany hoe: DH: "mba hahafahan'ireo zanaka lahin'i Heta maheno azy" na "raha nihaino ireo zanaka lahin'i Heta"

ireo zanaka lahin'i Heta

Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta"

araka ny fandanjana mahazatra ny mpivarotra

"mampiasa mari-pandanjana mahazatra ny mpivarotra." Afaka atao ho fehezanteny vaovao izany. DH: "Nandanja ny volafotsy mitovy amin'ny fandanjana mahazatra ny mpivarotra izany izy"

Genesis 23:17

Makpela

Makpela no anaran'ilay toerana na faritra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.

Mamre

Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Hebrona izany. Mety nampitondraina ny anaran'i Mamre izany, ilay naman'i Abrahama nonina tao.

izany hoe, ilay saha, ilay lava-bato izay ao amin'izany, sy ireo hazo rehetra

Izany andian-teny izany dia manazava izay tian'ny mpanoratra ambara raha nanoratra ny hoe: "ny sahan'i Efrona" izy. Tsy ny saha ihany no ambarany amin'izany , fa ny lava-bato sy ireo hazo ao amin'ny saha ihany koa.

lasan'i Abrahama tamin'ny fividianana

"lasa fananan'i Abrahama raha nividy izany izy" na "lasa an'i Abrahama tao aorian'ny nividianany an'izany"

teo anatrehan'ireo zanaka lahin'ny Heta

Eto ny "fanatrehana" dia milaza ny olona izay natao toy ny vavolombelona. DH: " niaraka tamin'ireo olon'i Heta nanatri-maso toy ny vavolombelona"

ireo zanaka lahin'i Heta

Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta"

ireo rehetra izay tonga teo amin'ilay vavahadin'ny tanànany

Milaza ireo zanaka lahin'i Heta izay nahita an'i Abrahama nividy ilay saha (fananana). Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:10.

vavahadin'ny tanànany

Ny vavahadin'ny tanàna dia toerana izay hihaonan'ireo mpitarika ny tanàna handraisana ireo fanapahan-kevitra manan-danja.

ny tanànany

"ny tanàna izay honenany." Izany andian-teny izany dia maneho fa ao anisan'ny olona ao an- tanàna i Efrona. Tsy midika anefa izany fa tompon'izany izy.

Genesis 23:19

Tao aorian'izany

"Tao aorian'ny nividianany ny saha"

tao amin'ilay lava-baton'ilay saha

"ilay lava-bato tao amin'ilay saha"

ilay sahan'i Makpela

"ilay saha ao Makpela"

izany hoe, Hebrona

Ireo mety ho heviny dia 1)anarana hafa iantsoana an'i Mamre ny hoe: 'Hebrona' na 2)Hebrona no niantsoana an'i Mamre teo aloha na 3)tena teo akaikin'i Hebrona ilay tanàn-dehibe midadasika i Mamre, koa dia mahazatra ny olona ny miantso izany hoe: Hebrona.

lasa fananan'i Abrahama ho toeram-pandevenana, izy avy amin'ireo zanaka lahin'i Heta

"lasa fananan'i Abrahama ho tany fandevenana raha nividy izany avy amin'ireo zanaka lahin'i Heta izy"

ireo zanaka lahin'i Heta

Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta"