5

1 Ity no mirakitra ny taranak'i Adama. Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olombelona, dia nataony araka ny endriny ihany izy ireo. 2 Lahy sy vavy no nahariany azy ireo. Nitso-drano azy ireo Izy ary niantso azy hoe olombelona rehefa voaforona izy ireo. 3 Rehefa niaina 130 taona i Adama, dia tonga rain'ny zazalahy iray, araka ny endriny ihany, ary nataony hoe Seta ny anarany. 4 Taorian'ny niterahan'i Adama an'i Seta, dia niaina nandritry ny valonjato taona izy. Tonga rain'ny zaza lahy sy zanaka vavy maro izy. 5 Niaina 930 taona i Adama, ary maty taorian'izay. 6 Rehefa niaina 105 taona i Seta, dia niteraka an'i Enosy. 7 Taorian'ny niterahany an'i Enosy, dia niaina 807 taona izy ary niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro. 8 Niaina 912 taona i Seta, ary maty taorian'izay. 9 Rehefa niaina sivy folo taona i Enosy, dia niteraka an'i Kenana. 10 Taorian'ny niterahany an'i Kenana, dia niaina 815 taona i Enosy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 11 Niaina 915 taona i Enosy, ary maty taorian'izay. 12 Rehefa niaina fitopolo taona i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila. 13 Taorian'ny niterahany an'i Mahalalila, dia niaina 840 taona i Kenana. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 14 Niaina 910 taona i Kenana, ary maty taorian'izay. 15 Rehefa niaina dimy amby enimpolo taona i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda. 16 Taorian'ny niterahany an'i Jareda, dia niaina 830 taona izy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 17 Niaina 895 taona i Mahalalila, ary maty taorian'izay. 18 Rehefa niaina 162 taona i Jareda, dia niteraka an'i Enoka. 19 Taorian'ny niterahany an'i Enoka, dia niaina valonjato taona izy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 20 Niaina 962 taona i Jareda, ary maty taorian'izay. 21 Rehefa niaina dimy amby enimpolo taona i Enoka, dia niteraka an'i Metosela. 22 Nandeha tamim-pombàn'Andriamanitra nandritry ny telonjato taona i Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 23 Niaina 365 taona i Enoka. 24 Nandeha tamim-pombàn'Andriamanitra i Enoka, ary lasana izy, satria nalain'Andriamanitra. 25 Rehefa niaina 187 taona i Metosela, dia niteraka an'i Lameka. 26 Taorian'ny niterahany an'i Lameka, dia niaina 782 taona i Metosela. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 27 Niaina 969 taona i Metosela. Ary maty izy taorian'izay. 28 Rehefa niaina 182 taona i Lameka, dia niteraka zanaka lahy iray. 29 Nantsoiny hoe Noa ny anarany, ary nambarany hoe: “Ity no hanome fitsaharana ho antsika amin'ny asantsika sy amin'ny asa mafy ataon'ny tanantsika, izay tsy maintsy hataontsika noho ny tany izay nozonin'i Yaveh.” 30 Niaina 595 taona i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 31 Niaina 777 taona i Lameka. Taorian'izay dia maty izy. 32 Rehefa niaina dimanjato taona i Noa, dia niteraka an'i Sema, Hama sy Jafeta.