4

1 Niara-nandry tamin'i Eva vadiny ralehilahy. Nitoe-jaza izy ary niteraka an'i Kaina. Hoy izy hoe: “Nahazo zazalahy aho noho ny fanampian'i Yaveh.”

2 Avy eo dia niteraka an'i Abela rahalahiny indray izy. Ary Abela lasa mpiandry ondry, fa i Kaina kosa namboly ny tany. 3 Rehefa nandeha ny fotoana dia nitondra sasany tamin'ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Yaveh i Kaina. 4 Ny an'i Abela, dia ny sasany tamin'ny voalohan-janak'ondry aman'osiny sy ireo efa matavy no nentiny. Nankasitrahan'i Yaveh i Abela sy ny fanatiny, 5 fa i Kaina sy ny fanatiny kosa dia tsy nankasitrahany. Ka dia tezitra mafy i Kaina, ary vinitra izy. 6 Hoy Yaveh tamin'i Kaina hoe: “Nahoana ianao no tezitra ary nahoana no vinitra? 7 Raha manao izay marina ianao, tsy ho hankasitrahana ve? Fa raha tsy manao izay marina ianao, dia hamitsaka eo ambaravarana ny ota ary maniry ny hibaiko anao, kanefa tsy maintsy manapaka eo amin'izany ianao.

8 Niresaka tamin'i Abela rahalahiny i Kaina. Raha tany an-tsaha iny izy ireo, dia nitsangana hanohitra ny rahalahiny i Kaina ary namono azy. 1

9 Avy eo hoy Yaveh tamin'i Kaina hoe: “Aiza i Abela rahalahinao?” Hoy izy hoe: “Tsy fantatro. Moa mpiandry ny rahalahiko ve aho?” 10 Hoy Yaveh hoe: “Inona ity nataonao? Ny ràn'ny rahalahinao dia miantso Ahy mafy avy amin'ny tany. 11 Ankehitriny dia voaozona izay avy amin'ny tany, izay nanokatra ny vavany mba hitelina ny ràn'ny rahalahinao avy amin'ny tananao ianao. 12 Raha miasa tany ianao, dia tsy hamokatra ho anao izany manomboka izao. Ho mpanjenjena sy mpirenireny eny amin'ny tany ianao.” 13 Hoy Kaina tamin'i Yaveh hoe: “Mafy mihoatra noho izay tokony ho zakako ny saziko. 14 Noroahinao tamin'ity tany ity tokoa aho androany, ary hiafina amin'ny tavanao aho. Ho lasa mpanjenjena sy mpirenireny amin'izao tontolo izao aho, ary na iza na iza mahita ahy dia hamono ahy.” 15 Hoy Yaveh taminy hoe: “Raha misy mamono an'i Kaina, dia ho valiana im-pito heny aminy izany.” Avy eo nasian'i Yaveh famantarana i Kaina, ka raha misy mahita azy, dia tsy hamely azy izany olona izany. 16 Ka nandao an'i Yaveh i Kaina ary nonina tany amin'ny tanin'i Noda, any atsinanan'i Edena.

17 Niara-nandry tamin'ny vadiny i Kaina ka nitoe-jaza izy. Niteraka an' i Enoka izy. Nanorina tanàna izy ary nataony hoe Enoka araka ny anaran'i Enoka zanany lahy izany. 18 Enoka niteraka an'i Irada. Irada tonga rain'i Mehojaela. Mehojaela niteraka an'i Metosaela. Metosaela niteraka an'i Lameka. 19 Lameka nanana vady roa ho azy: Ada no anaran'ny anankiray, ary Zila no anaran'ilay iray hafa. 20 Ada niteraka an'i Jabala. Rain'ireo mpitoetra an-day izay manana biby fiompy izy. 21 Jobala no anaran'ny rahalahiny. Rain'ny ireo mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina izy. 22 Ary Zila kosa, niteraka an'i Tobala Kaina, mpanefy fitaovana varahina sy vy. Nama no anabavin'i Tobala Kaina.

23 Hoy Lameka tamin'ireo vadiny hoe: “Ry Ada sy Zila, mihainoa ny feoko; ianareo ry vadin'i Lameka, henoy izay lazaiko, efa namono lehilahy iray aho nohon'ny fandratrana ahy, ary tovolahy iray noho ny fanorotoroana ahy. 24 Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, dia fito amby fitopolo heny kosa ny an'i Lameka.”

25 Ary niara-nandry tamin'ny vadiny indray Adama, ka niteraka zazalahy hafa izy. Niantso ny anarany hoe Seta izy ary niteny hoe: “Nomen'Andriamanitra zanaka hafa ho solon'i Abela aho, satria novonoin'i Kaina izy. 26 Niteraka zazalahy i Seta ary nataony hoe Enosy ny anarany. Tamin'izany fotoana izany dia nanomboka niantso ny anaran'i Yaveh ny olona.


1Fanamarihana: ireo dika mitovy tsara indrindra taloha dia mivaky toy io. Kanefa, ny fandikan-teny sasany taloha sy ny fandikan-teny sasany taty aoriana dia mivaky toy izao: “Hoy Kaina tamin'i Abela rahalahiny hoe: “Andeha isika ho any an-tsaha.” raha tany an-tsaha iny izy ireo, dia nijoro hanohitra an'i Abela rahalahiny i Kaina ary namono azy.”