3

1 Ary ny menarana dia malina kokoa noho ny bibidia rehetra teo amin'ny saha izay namboarin'i Yaveh Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy hoe: “Tena nilaza tokoa ve Andriamanitra hoe: ‘Tsy azonareo hihinanana ny hazo rehetra ao amin'ny saha?’” 2 Dia hoy ravehivavy tamin'ilay menarana hoe: “Azonay hihinanana ny voan'ny hazo ao an-tsaha, 3 fa mahakasika ny hazo izay eo afovoan'ny saha kosa, dia hoy Andriamanitra hoe: ‘Tsy azonareo atao ny mihinana izany, na mikasika izany, fandrao ho faty ianareo.’” 4 Hoy ilay menarana tamin-dravehivavy hoe: “Tsy ho faty izany ianareo. 5 Fa fantatr'Andriamanitra fa amin'ny andro hihinananareo izany dia hahiratra ny masonareo, ary hitovy amin'Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy.” 6 Rehefa hitan-dravehivavy fa tsara ho hanina ny hazo, sady nahafinaritra ny maso, ary ilay hazo dia nampitsiriritra fa mampahendry, dia naka ny sasany tamin'ny voany izy ka nihinana izany. Avy eo dia notolorany ihany koa ny vadiny izay niaraka taminy, ka nihinana izy. 7 Nahiratra ny mason'izy ireo, ka dia fantatr'izy ireo fa nitanjaka izy ireo. Nanjaitra ravin'aviavy nakambana izy ireo ary nanamboatra fitafy ho an'ny tenany.

8 Nandre ny feon'i Yaveh Andiamanitra nandehandeha tao amin'ny saha izy ireo raha malomaloka iny ny andro, ka dia niery ny fanatrehan'i Yaveh Andriamanitra teo amin'ireo hazon'ny saha ralehilahy sy ny vadiny. 9 Niantso an-dralehilahy Yaveh Andriamanitra ka nanao taminy hoe: “Aiza ianao?” 10 Hoy ralehilahy hoe: “Nandre Anao tao an-tsaha aho, ka natahotra aho, satria nitanjaka. Noho izany dia niafina aho.” 11 Hoy Andriamanitra hoe: “Iza no nilaza taminao fa nitanjaka ianao? Moa ve ianao nihinana avy tamin'ilay hazo izay nandidiko anao tsy hihinànana?” 12 Hoy ralehilahy hoe: “Ny vehivavy izay nomenao hiaraka amiko, izy no nanome ahy ny voa avy tamin'ilay hazo, ka nihinana izany aho.” 13 Ary hoy Yaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy hoe: “Inona izao nataonao izao?” Ravehivavy nanao hoe: “Nandainga tamiko ny menarana, ka dia nihinana aho.” 14 Dia hoy Yaveh Andriamanitra tamin'ilay menarana hoe: “Satria nanao izao ianao, dia ianao irery no voaozona amin'ny biby fiompy sy ny bibi-dian'ny saha rehetra. Amin'ny kibonao no handehananao, ary vovoka no ho fihinanao amin'ny andro rehetra hiainanao. 15 Hasiako fifandrafiana eo aminao sy ny vehivavy, ary eo amin'ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” 16 Dia hoy Izy tamin-dravehivavy hoe: “Hampitomboiko ny fanaintainanao raha miteraka; amin'ny fanaintainana no hiterahanao ireo zanakao. Ny fanirianao dia ho an'ny vadinao, fa izy kosa hanapaka eo aminao.” 17 Dia hoy Izy tamin'i Adama hoe: “Satria nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ary nihinana tamin'ny hazo, momba izay nandidiko anao, manao hoe: ‘Tsy azonareo hihinanana izany,’ dia voaozona ny tany noho ny aminao; amin'ny alalan'ny asa feno fanaintainana no hihinananao avy amin'izany amin'ny andro rehetra hiainanao. 18 Hamokatra tsilo sy songosongo ho anao izany, ary hihinana ireo zava-manirin'ny saha ianao. 19 Amin'ny hatsembohan'ny tavanao no hihinananao mofo, mandram-piverinao amin'ny tany, fa avy amin'izany no nakana anao. Fa vovoka ianao, ary mbola hody vovoka indray.”

20 Eva no nataon-dralehilahy anaram-badiny satria izy no renin'ny manan'aina rehetra. 21 Dia nanamboaran'i Yaveh Andriamanitra akanjo hoditra i Adama sy ny vadiny ka nampitafy azy ireo.

22 Dia hoy Yaveh Andriamanitra hoe: “Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ralehilahy, mahalala ny tsara sy ny ratsy. Koa ankehitriny dia tsy azony atao ny mampitsotra ny tanany, maka avy eo amin'ny hazon'aina, hihinana izany, ka ho velona mandrakizay. 23 Ka noho izany dia noroahin'i Yaveh Andriamanitra hiala tao amin'ny saha Edena izy, mba hiasa ny tany izay nakana azy. 24 izany dia noroasin'Andriamanitra hiala ny saha ralehilahy, ary nametraka kerobima teo atsinanan'ny saha Edena Izy, ary sabatra mirehitr'afo izay mihodikodina, mba hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.