2

1 Ary dia vita ny lanitra sy ny tany, sy ny zava-manan'aina rehetra izay mameno azy. 2 Tamin'ny andro fahafito Andriamanitra dia efa hamarana ny asany izay nataony, ka noho izany dia nitsahatra tamin'ny asany rehetra Izy tamin'ny andro fahafito. 3 Notahin'Andriamanitra ny andro fahafito ary nanamasina izany, satria tamin'izany no nitsaharany tamin'ny asa rehetra izay nataony tamin'ny famoronany. 4 Ireto ny tranga mahakasika ny lanitra sy tany, rehefa nohariana izany, tamin'ny andro izay namoronan'i Yaveh Andriamanitra ny tany sy lanitra. 5 Tsy mbola nisy ny kirihitrin'ny saha teny amin'ny tany, ary tsy mbola nitsimoka ny zava-maniry teny an-tsaha, satria Yaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka orana tamin'ny tany, ary tsy nisy olona niasa tany. 6 Fa nisy zavona avy tamin'ny tany ka nandena ny velaran'ny tany rehetr. 7 Namolavola ny olona avy tamin'ny vovon-tany i Yaveh Andriamanitr, ary nofofoiny tamin'ny fofon'ain'ny fahavelomana ny vavorony, ka tonga olombelona. 8 Yaveh Andriamanitra nanamboatra saha tao atsinanana, tao Edena, ary napetrany tao ny olona izay novolavolainy. 9 Tambonin'ny tany no nampanirin'i Yaveh Andriamanitra ny hazo rehetra izay hita fa mahafinaritra ny maso sady tsara ho amin'ny sakafo. Anisan'izany ny hazon'aina izay teo afovoan'ny saha, sy ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

10 Nisy ony nivoaka avy ao Edena nanondraka ny saha. Nizarazara avy tany izany ka tonga ony efatra. 11 Pisona no anaran'ilay vohalohany. Izy irery ihany no mikoriana manodidina ilay tany rehetran'i Havila, izay misy volamena. 12 Tsara ny volamenan'izany tany izany. Misy bedola sy vato berila ihany koa. 13 Gihona no anaran'ilay ony faharoa. Izy io dia mikoriana manerana ny tany Kosy. 14 Ny anaran'ilay ony fahatelo dia Tigra, izay mikoriana atsinanan'i Asyria. Eofrata ny ony faha-efatra.

15 Nalain'i Yaveh Andriamanitra ralehilahy ary nametraka azy tao amin'ny saha Edena mba hiasa sy hihazona izany. 16 Nandidy an-dralehilahy Yaveh Andriamanitra, nanao hoe: “Avy amin'ny hazo rehetra any amin'ny saha dia azonao hihinana. 17 Fa avy amin'ilay hazon'ny fahalalana ny tsara sy ratsy kosa no tsy azonao hihinana, fa amin'ny andro hihinananao avy amin'izany, dia ho faty tokoa ianao.”

18 Avy eo Yaveh Andriamanitra niteny hoe: “Tsy tsara raha irery ralehilahy. Hanamboarako namana sahaza azy izy.” 19 Avy amin'ny tany no nanamboaran'i Yaveh Andriamanitra ny bibin'ny saha rehetra sy ny voron'ny habakabaka rehetra. Ary nentiny teo amin-dralehilahy izy rehetra mba hahitany izay mety hiantsoany azy. Na inona na inona niantsoan-dralehilahy ny zava-manan'aina tsirairay, dia izany no anarany. 20 Nomen-dralehilahy anarana daholo ny biby fiompy, ny voro-manidina rehetra eny amin'ny habakabaka, ary ny bibidian'ny saha. Nefa tsy nahitàna namana sahaza azy ralehilahy. 21 Nampatorian'i Yaveh Andriamanitra lalina ralehilahy, ka dia natory ralehilahy. Naka iray tamin'ny taolan-tehezany i Yaveh Andriamanitra ary nanakatona ny nofo izay nakany ilay taolan-tehezana. 22 Tamin'ilay taolan-tehezana izay nalain'i Yaveh Andriamanitra tamin-dralehilahy, no nanamboarany vehivavy iray sy nitondràna azy teo amin-dralehilahy. 23 Hoy ralehilahy hoe: “Izao kosa, dia taolana avy amin'ny taolako ity, ary nofo avy amin'ny nofoko. Hantsoina hoe ‘Vehivavy’ izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy.”

24 Noho izany handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy, hikambana amin'ny vadiny izy, ary ho tonga nofo iray izy ireo.

25 Samy nitanjaka izy ireo, ralehilahy sy ny vadiny, fa tsy nahalala menatra.