6

1 Rehefa nanomboka nihamaro teto an-tany ny olombelona ary niteraka zazavavy maro, 2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa maha-te ho tia ny zanaka vavin'ny olombelona. Naka vady ho azy izy ireo, na iza na iza nosafidiany tamin'izy ireo. 3 Hoy Yaveh hoe: “Tsy hitoetra amin'ny olombelona mandrakizay ny fanahiko, satria nofo izy ireo. Hiaina mandritry ny 120 taona izy ireo.”

4 Teto ambonin'ny tany ny olona goavana tamin'izany andro izany, ary taorian'izany ihany koa. Izany no nitranga rehefa nanambady ireo zanaka vavin'ny olombelona ireo zanak'Andriamanitra, ary niteraka tamin'izy ireo. Ireo no lehilahy mahery taloha, lehilahy nanana laza.

5 Hitan'i Yaveh fa lehibe ny faharatsian'ny olombelona teto an-tany, ary ny fironan'ny fisainana rehetra tao am-pon'izy ireo dia ratsy hatrany. 6 Nanenina tamin'ny nahariany ny olombelona teo an-tany Yaveh, ary nahasosotra ny fony izany. 7 Koa hoy Yaveh hoe: “Haringako hiala eo ambonin'ny tany ny olombelona izay nohariako; na ny olombelona na ireo biby vaventy, sy ireo zavatra mikisaka ary ireo voron'ny habakabaka, satria nanenina Aho namorona azy ireo.”

8 Fa Noa kosa nahita sitraka teo imason'i Yaveh. 9 Izao no tantara mahakasika an'i Noa. Noa dia lehilahy marina, ary tsy nisy tsiny teo amin'ny olona tamin'ny androny. Noa dia nandeha niaraka tamin'Andriamanitra. 10 Niteraka zanaka lahy telo i Noa: Sema, Hama, sy Jafeta.

11 Simba teo anatrehan'Andriamanitra ny tany, ary feno herisetra izany. 12 Hitan'Andriamanitra ny tany; ary indro, simba izany, satria nanimba ny lalan'izy ireo teo ambonin'ny tany ny nofo rehetra. 13 Hoy Andriamanitra tamin'i Noa hoe: “Hitako fa fotoana hamotehana ny nofo rehetra izao, satria feno herisetra amin'ny alalan'izy ireo ny tany. Haringako miaraka amin'ny tany tokoa izy ireo. 14 Manaova sambo-fiara vita amin'ny hazo kypreso ho an'ny tenanao. Asio efitra ao anatin'ilay sambo-fiara, ary asio dinty ao anatiny sy ivelan'izany. 15 Izao no fomba hanaovanao izany: telonjato hakiho ny halavan'ny sambo-fiara, dimampolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny haavony. 16 Asio tafo ny sambo-fiara, ary vitao amin'ny hakiho iray avy any ambony izany. Asio varavarana ny ilan'ilay sambo-fiara ary asio tokotanin-tsambo ambany, faharoa sy fahatelo. 17 Mihainoa, efa mby hitondra ilay safo-drano eny ambonin'ny tany Aho, mba hamotika ny nofo rehetra izay manana ny fofon'aina ambanin'ny lanitra ao aminy. Ho faty avokoa ny zavatra rehetra eny ambonin'ny tany. 18 Kanefa hanorina ny fanekeko aminao Aho. Ho avy ao amin'ilay sambo-fiara ianareo, ianao, sy ireo zanakao lahy, ary ny vadinao, sy ireo vinantovavinao. 19 Amin'ny zava-manan'aina rehetra amin'ny nofo rehetra, dia tsy maintsy hitondranao roa avy amin'ny karazany rehetra mankao anaty sambo-fiara, mba hihazonana azy ireo ho velona miaraka aminao, na lahy na vavy. 20 Ireo vorona samy araka ny karazany avy, ary ny biby vaventy samy araka ny karazany avy, ny zavatra mikisaka amin'ny tany rehetra samy araka ny karazany avy, dia hanatona anao avokoa ny roa amin'ny karazany rehetra, velomy izy ireo. 21 Hangony ho anao avokoa ny karazan-tsakafo rehetra izay fihinana ary tehirizo izany, mba ho sakafonao sy ho azy ireo.” 22 Ka dia nataon'i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra no nanaovany azy.