Toko 18

1 Tamin'io fotoa io avao la avy tamin'i Jesosy teo reo mpianany sady niresaky hoe: “ia ro lehibe mare agny amin'ny fanjakan'ny lanitsy?”

2 Jesosy niaiky aja kelikely ho agnaminy eo, nametraky gnazy taminy teo rozy, 3 voho niresaky hoe: “Resahako marina aminareo, fa laha tsy miova manahaky reo aja kelikely nareo la tsy hisy gny hevitsy gny bhiliranareo agny amin'ny fanjakan'ny lanitsy. 4 Nohon'io, ndra ia ia manetsy tena manahaky gny aja kelikely toy la bevara mare ie agny amin'ny fanjakan'ny lanitsy. 5 Ndra ia ia mandramby gny aja kelikely manahaky gnan'izao amin'ny agnarako la mandramby Gnahy.

6 Fa ndra ia ia mahatonga gny raiky amin'ireto aja kelikely reo zay mino Ahy regny, la ho soa tokoa ho gnazy gny hiantognan'ny fikosoham-bary bevata eo amin'ny vozony, ka halentiky agny amin'ny ranomasina laliky ie. 7 Loza ho gnan'izao tontolo zao noho gny fotoan'ny fanafintohina! Fa ila gny hiavian'io fotoa io, nefa loza ho gnan'ny olo zay niavian'io fotoa io! 8 Laha miteraky fanafintohia ho gnanao gny tagnanao na gny tombokao la tapaho io voho alao eo aminao. Soa tokoa ho gnanao militsy kilemaina na mandringa agny amin'ny fiaigna mandrakizay toy zay ho trobo agny amin'ny bolo tsy mety maty amin'ny fanagna tagna roe na tomboky roe. 9 Laha miteraky fanafintohia ho gnanao gny masonao raiky, homboto io voho alao eo aminao. Soa tokoa ho gnanao gny militsy agny amin'ny fiaigna mandrakizay miaraky amin'ny fijery ila toy zay trobo agny amin'ny bolo tsy mety maty miaraky amin'ny fijery roe.

10 Tandremo tsy hanao tsinotsino reo aja maliniky reo nareo. fa milaza aminareo Aho fa agny an-dagnitsy reo anjeliny la mijery gny endriky gny Raiko zay agny an-dagnitsy. 11 Fa gny Anak'olo la avy mba hamonjy zay trobo.” 12 Ino ro eritseritsareo? Laha misy mana aondry zato, ka magnagny amin'ny lalan-diso gny raiky amin-drozy, la tsy hagnenga gny sivam-polosiviamby eo amin'ny vohitsy va ie voho andeha hila lay raiky zay nagnagny amin'ny lalan-diso? 13 Laha hitany io, la resahako marina aminareo, la mifaly amin'io mandilatsy noho reo sivam-polo siviamby zay tsy nagnagny amin'ny lalan-diso ie. 14 Manahaky gnan'io avao koa, tsy sitraky gny Babanareo agny an-danitsy gny hahatrobo gny raiky amin'ireo maliniky reo.

15 Laha manota aminao gny rahalahinao, mandeha voho resaho gnazy gny hadisoany aminao voho resaho aminy raiky avao. Laha mijanjy gnanao ie, la hifankahazo amin'ny rahalahinao ndraiky iha. 16 kanefa laha tsy mijanjy gnanao ie, la mangala raiky na roe hafa miaraky aminao, amin'izay mba amin'ny tsihovin'ireo vavolombelo roe na telo ro ahafa manamarina gny safa iaby. 17 Voho laha manda gny hijanjy gnazy rozy, la resaho amin'ny fiangona gny raha mitranga. Laha tsy manaiky hijanjy gny fiangona avao koa ie, la engao ie hanahaky gny jentilisa voho mpamory hetra. 18 Lazaiko marina aminareo, na ino ino fehezinareo eto an-tany la ho fehezy agny an-dagnitsy; voho na ino ino vahanareo eto an-tany la ho vaha agny an-dagnitsy. 19 La mbo lazaiko aminareo ndraiky: “Laha misy roe aminareo mifagnenky eto an-tany gny amin'izay iaby angatahin-drozy, la ho azo ho avy amin'ny Raiko zay agny an-danitsy io. 20 Fa na aia aia misy roe na telo miaraky mivory amin'ny Agnarako, la eo agnivon-drozy Aho.”

21 Bakeo namonjy Petera voho niresaky tamin'i Jesosy hoe: “Tompo, impiry hanota amiko gny rahalahiko ka hamela gnazy aho? Hatramin'ny im-pito va?

22 Jesosy niresaky gnazy hoe: “Tsy miresaky aminao Aho hoe im-pito, fa hatramin'ny fitoamby fitopolo. 23 Nohon'io gny fanjakan'ny lanitsy la mitovy amin'ny mpanjaka raiky zay te hifandamy ara-bola miaraky amin'ireo mpanompony. 24 Laha vo nanomboky gny fandamina ie, la nisy mpanompo raiky nandesy taminy teo zay nanagnany talenta ray aly. 25 Nefa fotony tsy nana fomba handoava gnan'io ie, la nandidy gny hamarota gnazy gny tompony, miaraky amin'ny valiny voho reo anany voho zay hanagnany iaby, ka ho vita gny fandoavan-trosa. 26 Nohon'io la niondriky gmy mpanompo, voho niankohoky teo agnatrehany, sady niresaky hoe: “managna fahareta amiko, la haloako aminao gny raha iaby.” 27 Nohon'io gny tompon'io mpanompo io, la nahaferignay, ka nagnafaky gnazy voho namela gny trosa taminy. 28 Fa niboaky io mpanompo io ka nahajery gny raiky tamin'ireo mpiara-manompo aminy, zay nanagnany dinaria zato. Nisamboriny ie, nirambesiny tamin'ny tendany, voho niresaky hoe: “Aloavo amiko zay nitrosanao.”

29 Nefa niondriky io mpiara-manompo aminy io voho nitalaho taminy, nanao hoe: “Managna fahareta amiko, la haloako aminao io.” 30 Kanefa nanda gny mpanompo voalohany. Mifanohitsy amin'io, nandeha ie voho nataony tagny am-pigadra lay mpiara-manompo aminy mandra-pahaloany aminy zay nitrosany. 31 Lafa nahajery zay niseho reo mpiara-manompo aminy, la nahaferignay tokoa rozy. nandeha voho niresaky tamin'ny tompony zay iaby niseho rozy.

32 Bakeo nikaiky gnazy gny tompon'io mpanompo io, voho niresaky gnazy hoe: “Iha ry mpanompo raty fagnahy, namela gny trosa iaby taminao aho fotony iha nitalaho tamiko. 33 Tsy tokony hana famindram-po amin'ny mpiara-manompo aminao va iha, manahaky gny nanagnako famindram-po taminao?” 34 masiaky gny tompony voho nanday gnazy tagny amin'ireo mpampijaly mandra-pahaloany zay iaby nitrosany. 35 Manahaky gnan'io koa ro hataon'ny Raiko agny an-dagnitsy gnanareo, laha tsy samy mamela gny rahalahinareo amin'ny fonareo manontolo iaby.”