Rehefa maty Saraha, dia nisaona sy nitomany azy aloha Abrahama.
Nangataka tany mba atao toerana fandevenana i Abrahama.
Nanolotra ireo voafantina indrindra tamin'ny fasan'izy ireo an'i Abrahama ireo zanak'i Heta.
Nanolotra ny hanome ny lava-bato ary ny saha akaikin'izany ho an'i Abrahama i Efrona.
Nanolotra ny hividy ny saha sy ny lava-bato Abrahama.
Nangataka sekely volafotsy efajato ho vidin'ny saha sy ny lava-bato i Efrona.
Nandoa sekely volafotsy efajato tamin'i Efrona ho vidin'ny sombin-tany Abrahama.
Ny saha, ny lava-bato izay tao amin'izany, ary ny hazo rehetra izay tao an-tsaha ary ny sisintany rehetra manodidina izany no tafiditra tao amin'ny vidin'ny sahan'i Efrona.
Dia nandevina an'i Saraha tao amin'ilay lava-bato Abrahama.