Nilaza tamin'i Abrahama mba handeha any amin'ny tanin'ny Moria sy hanolotra an'i Isaka ho fanatitra dorana Andriamanitra.
Nifoha maraim-be i Abrahama ary nanainga ho any amin'ny toerana izay nolazain'Andriamanitra azy.
Nilaza ireo tovolahy roa i Abrahama fa handeha hanompo ary dia hiverina izy sy Isaka.
Nanontany an'i Abrahama i Isaka hoe: "Aiza ilay ondry ho atao fanatitra dorana?"
Nilaza Abrahama fa Andriamanitra mihitsy no hamatsy ilay ondry ho atao fanatitra dorana.
Nanomana an'Isaka ho fanatitra dorana tamin'ny famatorana azy sy fampandriana azy teo amin'ny alitara Abrahama.
Nilaza tamin'i Abrahama mba tsy handratra an'Isaka ilay anjelin'i Yaveh.
Nilaza ilay anjely fa fantany ankehitriny fa matahotra an'Andriamanitra i Abrahama.
Nisy ondry lahy nisaringotra tamin'ireo kirihitra tao aorian'i Abrahama, ka izay no nataon'i Abrahama fanatitra dorana.
Niantso ilay toerana hoe: "Yaveh no hamatsy" Abrahama.
Nilaza ilay anjelin'i Yaveh fa hitahy an'i Abrahama izy satria tsy niaro ny zanany lahy tokana i Abrahama.
Amin'ny alalan'ny taranak'i Abrahama no hitahiana ireo firenena rehetra eto an-tany, satria nankatoa ny feon'ny anjelin'i Yaveh i Abrahama.