Nitsidika an'i Saraha i Yaveh ka niteraka zaza lahy ho an'i Abrahama tamin'ny fotoana nampanantenaina izy.
Rehefa valo andro Isaka, dia namora azy Abrahama.
Nilaza Saraha fa nampihomehy azy Andriamanitra.
Nahita ny zanaka lahin'i Hagara naneso azy i Saraha.
Nilaza tamin'i Abrahama mba handroaka an'i Hagara sy ny zanany lahy i Saraha, satria tsy handova miaraka amin'i Isaka ny zanak'i Hagara.
Ory tamin'ny fangatahan'i Saraha i Abrahama.
Nilaza an'i Abrahama mba hihaino an'i Saraha Andriamanitra.
Nankany an'efitra i Hagara sy ny zanany.
Nilaza Andriamanitra fa hanao ny zanak'i Hagara ho firenena lehibe Izy.
Nampahiratra ny mason'i Hagara Andriamanitra ka nahita fantsakana izy.
Lasa mpandefa tsipìka ny zanak'i Hagara ary nahita vady ho azy tany Egypta ny reniny.
Tian'i Abimeleka hianiana Abrahama mba tsy hanao ratsy amin'i Abimeleka, na ny zanany, na ny taranany. Nangataka an'i Abrahama mba haneho azy ny fahatokisam-panekena izay nasehon'i Abimeleka tamin'i Abrahama aminy ihany izy.
Nitarana tamin'i Abimeleka momba ny fantsakan-drano izay nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny taminy i Abrahama.
Nandefa zanak'ondrivavy fito tany amin'i Abimeleka ho vavolombelona fa efa nangady ny fantsakana izy.
Niverina tany amin'ny tanin'ireo Filistina i Abimeleka.
Nanompo an'i Yaveh, ilay Andriamanitra mandrakizay Abrahama.
Nitoetra andro maro tany amin'ny tanin'ny Filistina i Abrahama.