Genesis 24

Genesis 24:1

Nasian'i Abrahama nianiana inona ny mpanompony zokiny indrindra?

Nasian'i Abrahama nianiana ny mpanompony zokiny indrindra fa hanome vady ho an'i Isaka avy amin'ireo havan'i Abrahama izy.

Genesis 24:5

Inona no nisisian'i Abrahama mba tsy hataon'ny mpanompony amin'Isaka?

Nisisika Abrahama mba tsy hamerina an'i Isaka any amin'ny tany izay nihavian'i Abrahama izy.

Genesis 24:12

Inona no nangatahan'ny mpanompon'i Abrahama mba hataon'Andriamanitra mba hanehoana azy izay vehivavy nofidian'Andriamanitra ho an'Isaka?

Nangataka ilay mpanompo fa ny vehivavy izay nangatahiny mba hampidina ny sininy mba haka rano no hanao tahaka izany ary hanome rano ny ramevany ihany koa.

Genesis 24:15

Inona no fifandraisan'i Rebeka sy Abrahama?

Zafikelin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama i Rebeka.

Genesis 24:17

Inona no nataon'i Rebeka rehefa nangataka ny hisotro rano ny mpanompon'i Abrahama?

Nanome rano ho an'ilay mpanompo i Rebeka.

Genesis 24:19

Inona no nolazain'i Rebeka rehefa avy nanome rano hosotroin'ilay mpanompo izy?

Rehefa avy nanome rano hosotroin'ilay mpanompo i Rebeka dia hoy izy: "Hisintomako rano ihany koa ireo ramevanao, ambara-pisotron'izy ireo hatramin'ny farany.''

Genesis 24:26

Inona no nataon'ilay mpanompo rehefa reny fa havan'i Abrahama i Rebeka ary afaka mandany ny alina miaraka amin'ny fianakaviany izy?

Nidera an'i Yaveh ilay mpanompo ary nisaotra Azy.

Genesis 24:31

Inona no nataon'i Labana rehefa nihaona tamin'ilay mpanompon'i Abrahama izy?

Nanasa ilay mpanompon'i Abrahama mba hitoetra ao an-tranony i Labana.

Genesis 24:33

Inona no nisisihan'ilay mpanompon'i Abrahama mba hatao mialohan'ny isakafoanany?

Nisisika ny hilaza ny antony nahatongavany ilay mpanompon'i Abrahama nialohan'ny nisakafoanany.

Genesis 24:39

Ahoana no nilazan'i Abrahama fa hampahombiazan'i Yaveh ny lalan'ny mpanompony?

Nilaza Abrahama fa haniraka anjely hiaraka amin'ilay mpanompo mba hampahomby ny lalany Yaveh.

Genesis 24:47

Inona no nomen'ilay mpanompo an'i Rebeka rehefa reny fa havan'i Abrahama izy?

Nanome kavin'orona volamena sy rojo ho an'ny sandriny an'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.

Genesis 24:50

Ahoana no navalin'i Labana sy Betoela ilay mpanompon'i Abrahama rehefa nanontany azy ireo izay tian'izy ireo atao amin'i Rebeka izy?

Namaly Labana sy Betoela fa tokony haka an'i Rebeka ilay mpanompo ary handeha, mba ho lasa vadin'ny zanak'i Abrahama i Rebeka.

Genesis 24:52

Inona no nataon'ilay mpanompon'i Abrahama rehefa reny ny valintenin'i Labana sy Betoela?

Niankohoka tamin'i Yaveh ary nanome fanomezana ho an'i Rebeka sy ho an'ny anadahiny sy ny reniny ilay mpanompo.

Genesis 24:54

Rehefa nifoha ny ampitso maraina izy ireo, dia inona no tian'ny anadahin'i Rebeka sy ny reniny mba hataon'ilay mpanompo?

Rehefa nifoha ny ampitso maraina izy ireo, dia tian'izy ireo hijanona niaraka tamin'izy ireo folo andro farafahakeliny ilay mpanompon'i Abrahama.

Genesis 24:56

Rehefa nilaza ilay mpanompon'i Abrahama fa te handeha teo noho eo izy, dia inona no nolazain'i Rebeka fa tiany atao?

Nilaza Rebeka fa te handeha hiaraka amin'ilay mpanompo izy.

Genesis 24:59

Tso-drano inona no nomen'ny fianakavian'i Rebeka azy raha niala niaraka amin'ilay mpanompon'i Abrahama izy?

Nitso-drano azy ny fianakavian'i Rebeka mba ho renin'ny aman'arivony sy aman'aliny anie izy, ary hanana ny vavahadin'ireo izay mankahala azy ireo anie ireo taranany.

Genesis 24:63

Inona no nataon'i Isaka rehefa tonga tao an-tranony i Rebeka?

Tany ivelan'ny saha nivavaka i Isaka.

Inona no nataon' Rebeka rehefa nahita an'Isaka izy?

Rehefa nahita an'Isaka izy, dia nitsambikina nidina avy teo amin'ny rameva ary nanarona ny tenany tamin'ny voaly.

Genesis 24:66

Inona no nataon'Isaka rehefa avy nitantara ny zavatra rehetra izay nataony ilay mpanompon'i Abrahama?

Nitondra an'i Rebeka tao amin'ny lain'i Saraha reniny ary naka an'i Rebeka ho vadiny i Isaka.