Genesis 5

Genesis 5:1

Mirakitra ny inona ny toko dimy ao amin'ny Genesisy?

Ny toko dimy ao amin'ny Genesisy dia rakitry ny taranak'i Adama.

Tahaka ny inona no nanaovana ny olombelona?

Natao tahaka an'Andriamanitra ny olombelona.

Lahy sa vavy ny olombelona noharian'Andriamanitra?

Lahy sy vavy ny olombelona noharian'Andriamanitra.

Genesis 5:3

Hafiriana no niveloman'i Adama?

Niaina 930 Adama.

Genesis 5:6

Hafiriana no niveloman'i Seta?

Niaina 912 taona Seta.

Genesis 5:12

Hafiriana no niveloman'i Kenana?

Niaina 910 taona Kenana.

Genesis 5:18

Hafiriana no niveloman'i Jareda?

Niaina 962 taona Jareda.

Genesis 5:21

Inona no fifandraisan'i Enoka tamin'Andriamanitra, ary inona no nahazo azy?

Nandeha niaraka tamin'Andriamanitra Enoka, ka dia naka azy Andriamanitra.

Genesis 5:28

Inona no nolazain'i Lameka momba an'i Noa zanany lahy?

Nilaza Lameka fa hanome fitsaharana ho an'ny olombelona amin'ny asa sy ny asa mafy vokatry ny tany izay nozonin'i Yaveh i Noa.

Genesis 5:32

Iza avy ireo zanaka lahin'i Noa?

Sema, Hama sy Jafeta no zanaka lahin'i Noa.