Naka vady ho azy ireo avy amin'ireo zanaka vavin'ny olombelona ireo zanaka lahin'Andriamanitra.
Nilaza Andriamanitra fa hiaina 120 taona ny olombelona.
Ireo goavana iizay teraka tamin'ny fanambadian'ireo zanaka lahin'Andriamanitra tamin'ireo zanakavavin'ny olona no lehilahy mahery taloha.
Hitan'i Yaveh fa lehibe ny faharatsian'ny olombelona, ary fa ratsy ny eritreritr'izy ireo.
Nanapa-kevitra ny handringana ny olombelona hiala amin'ny tany Yaveh.
Noa no nahita sitraka tamin'i Yaveh.
Noa dia lehilahy marina, ary tsy nisy tsiny, ary lehilahy izay nandeha niaraka tamin'i Yaveh.
Nilaza tamin'i Noa ny mba hanamboarany sambo Andriamanitra.
Nilaza Andriamanitra fa hitondra safo-drano eny ambonin'ny tany Izy.
Nanorina ny fanekeny tamin'i Noa Andriamanitra.
Nilaza tamin'i Noa ny hitondrany ny vadiny, ireo zanany telolahy, ary ireo vadin-janany Andriamanitra.
Roa avy amin'ny karazana zava-manan'aina rehetra, lahy sy vavy, no tsy maintsy nentina tao amin'ny sambo.
Nanao ny rehetra nandidian'Andriamanitra i Noa.