Genesis 4

Genesis 4:1

Inona no asa nataon'i Kaina sy Abela?

Niasa tany Kaina, ary mpiandry ondry Abela.

Genesis 4:3

Fanatitra inona no nentin'i Kaina ho an'i Yaveh?

Nitondra sasany tamin'ny vokatry ny taniny Kaina.

Fanatitra inona no nentin'i Abela ho an'i Yaveh?

Nitondra sasany tamin'ny voalohan-teraky ny ondry aman'osiny sy sasany tamin'ny matavy Abela.

Ahoana no navalin'i Yaveh ireo fanatitr'i Kaina sy Abela?

Nankasitrahan'i Yaveh ny fanatitr'i Abela, fa ny fanatitr'i Kaina tsy nankasitrahany.

Ahoana no fihetseham-pon'i Kaina?

Tezitra mafy i Kaina, ary vinitra izy.

Genesis 4:6

Inona no nolazain'i Yaveh an'i Kaina fa tokony hataony mba ho ankasitrahana izy?

Nilaza tamin'i Kaina ny mba hanaovana izay marina Yaveh ary dia ho ankasitrahana izy.

Genesis 4:8

Taty aoriana kely, dia inona no nitranga tamin'i Kaina sy Abela tao an-tsaha?

Nitsangana Kaina ka namono an'i Abela.

Rehefa nanontany an'i Kaina i Yaveh hoe aiza ny rahalahiny, dia inona no nolazain'i Kaina?

Hoy Kaina hoe: "Tsy fantatro. Moa mpiandry ny rahalahiko ve aho?"

Genesis 4:10

Inona no ozon'Andriamanitra tamin'i Kaina?

Ny ozona azon'i Kaina dia hoe tsy hamokatra ny heriny ho azy ny tany, ary ho mpanjenjena sy mpirenireny izy.

Genesis 4:13

Inona no nataon'i Yaveh mba hahazoana antoka fa tsy nisy olona namono an'i Kaina?

Nanisy marika an'i Kaina i Yaveh.

Genesis 4:16

Taiza no nalehan'i Kaina mba hitoerany?

Nonina tany amin'ny tanin'i Noda, any atsinanan'i Edena i Kaina.

Genesis 4:18

Nanambady firy Lameka taranak'i Kaina?

Nanambady roa Lameka.

Genesis 4:23

Inona no nolazain'i Lameka tamin'ireo vadiny fa nataony?

Nilaza tamin'ireo vadiny Lameka fa namono olona izy.

Genesis 4:25

Iza no anaran'ny zanaka lahy hafa izay naterak'i Adama sy Eva?

Nantsoina hoe Seta ny anaran'ny zanaka lahin'i Adama sy Eva hafa.

Inona no nanomboka nataon'ny olona tamin'ny andron'i Enosy zanaka lahin'i Seta?

Nanomboka niantso ny anaran'i Yaveh ny olona.