Toko faha 5

1 Satria nohamarinigny tamin'ny finoagna atsika, dia managna fiadanagna miaraka amin-Jagnahary amin'ny alalan'ny Tompontsika Jesôsy kristy. 2 Amin'ny alalany fogna no anagnantsika lalagna amin'ny finoagna mandaiha amin'ny zany fahasoavagna zay ijoroantsika zany. Miravoravo amin'ny fahatokiagna amen-Jagnahary zahay amin'ny ho avy zahay, fahatokiagna zay ho zaraintsika ao amin'ny voninahitr' i Zagnahary. 3 Tsy amin'ny zany fogna, fao atsika fogna koa dia miravo ao amin'ny fahoriantsika. Haintsika fa ny fahoriagna dia mamokatra faharaitagna. 4 Ny faharaitagna mitairaka fankatoavagna, ary ny fankatoavagna mitairaka fahatokiagna ho amin'ny hoavy. 5 Zany toky zany dia tsy mandiso fanatenagna, satria ny fitiavan-Jagnahary dia afa nalatsaka tao am-pôntsika tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigny, zay namiagna atsika. 6 Fao raha mbôla nalemy atsika, dia maty ara-potoagna ho an'ny ratsy fagnahy Kristy. 7 Fao soratra ho an'ny ôlogno araiky ny hofoaty ho an'ny ôlogno marigny. Fa, angamba mety misy ôlogno araiky mahasaiky hofoaty ho an'ôlogno tsara. 8 Fa Zagnahary magnaboaka ny fitiavany manokagna amintsika, satria raha mbôla mpanota atsika, dia maty ho antsika Kristy. 9 Mihotra noho zany aby, amizao. Koafa nohamarinigny tamin'ny liony atsika, dia ho voavonjin'zany amin'ny fahatezaran-Jagnahary 10 Fao raha, mbôla fahavalo atsika, dia nihavagna tamin-Jagnahary tamin'ny alalan'ny fahafataisan'ny Zanany, aveo mihoatra noho zany, koafa avy nampihavanigny, dia ho voavonjy amin'ny alalan'ny ainy atsika . 11 Ary tsy zany fogna, fao atsika fogna koa dia miravo ao amin-Jagnahary amin'ny alaln'i Tompontsika Jesôsy Kristy, zay nazahoantsika zany fihavanagna zany amizao. 12 Noho zany aveo, mitôvy ny idiran'ny ota tamin'ôlogno araiky tamin'izao tontolo izao, dia mitôvy zany koa no nidiran'ny fahafataisagna tamin'ny alalan'ny ota. Ary ny fahafataisagna dia nahazo tamin'ny ôlogno jiaby, satria samby nanota aby jiaby. 13 Nandra-pisiany lalàgna, dia teto amin'izao tontolo izao ny ota, fa tsisy fagnisahan-keloka koafa tsisy lalàgna. 14 Naifa na zany aby, ny fahafataisagna dia nanjaka nanomboka tamin'i adama kay hatramin'i Mosesy, na dia teo amin-jareo zay tsy nanota mitôvy ny tsy fankatoavan'i adama aby, zay kandindagna lehy hoavy. 15 Naifa na zany aby, ny fanomaizagna dia tsy mitôvy ny fahadisoagna. Fa raha tamin'ny alalan'ny fahadisoagnan'ny araiky no nahafaty ny maro, dia mihoatra lavitry no natan'ny fahasoavan-Jagnahary ndraiky fagnomiazagna avy amin'ny fahasoavan'ny lehy ôlogno araiky, Jesôsy Kristy, namiagna be ho an'ny maro. 16 Fan ny fgnomaizagna dia tsy karaha ny vokatra avy amin'ny lehy araiky zay nanota. Fao amin'ny lafiny araiky, tonga ny fitsaragna ho fagnamelohagna nohon'ny fahadisoagnan'ny ôlogno araiky. Fao amin'ny lafiny araiky hafa, ny fagnomaizagna miafara amin'ny fagnamarinagna dia tonga tafaran'ny fahadisoagna maro. 17 Fao raha, tamin'ny alaln'ny fahadisoagnan'ny araiky, no hanjakan'ny fahafataisagna amin'ny araiky, dia mihotra lavitry noho zany ny hanjakan-jareo zay man malaka ny hagidasan'ny fahasoavagna ndariky fagnomiazagna ny fahamarinagna amin'ny alalan'ny fiainagna lehy araiky, dia Jesôsy Kristy. 18 Noho zany ndraiky, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoagnan'ny araiky no hahatonga ny ôlogno ho amin'ny fagnamelohagna, dia amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarinagna ny araiky fogna koa no hatongavan'ny fagnamarinagna ny fiainagna ho an'ny ôlogno jiaby. 19 Fao satria avy amin'ny tsy fagnikaihan'ny ôlogno araiky no nahatonga ny maro ho mpanota, dia amin'ny alalan'ny fagnikaihan'ny araiky fogna koa no hahatonga ny maro ho marigny. 20 Fao tonga tao amin'ny zany ny lalàgna, mbô ho gaida ny fahadisogna. Naifa raha nahay gaida ny fahotagna, dia vao maika nahay gaida ny fahasoavagna. 21 Nisy zany mbô karaha ny nanjakan'ny fahotagna tamin'ny fahafataisagna, dia karaha zany koa no hanjakan'ny fahasoavagna amin'ny alalan'ny fahamarinagna ho amin'ny fainagna bariky ditany amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy Tompontsika.