Toko faha 6

1 Ino ary no hambarantsika? Tôkony hanôhy amin'ny fahotagna moa atsika mbo hitomboan'ny fahasoavagna? 2 Tsihoisy eky zany. Atsika zay maty ny amin'ny ota, amin'ny fomba manakôry moa no mbala hiaignantsika amin'ny zany foagna? 3 Tsy hainareo moa fao zareo jiaby natao batisa tao amin'i Kristy Jesôsy dia natao batisa tao amin'ny fahafataisany? 4 Koa, voalevigny, niaraka taminy tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafataisagna atsika. Niboaka zany mbo ho tôrotro ny fananganagna an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny vogninahitry ny Baba, no andihianantsika amin'ny fiainam-baovao fogna koa. 5 Fao raha mitambatra Aminazy amin'ny endriky ny fahafataisagna atsika, dia hitambatra amin'ny fitsanganany izy voanykoa. 6 Haintsika zany, fao ny taignantsika talôha dia nifantsaihagna niaraka taminazy, mbo hamotaihagna ny aignin'ny ota. Niboaka zany mbo ho andevozin'ny ota eky atsika. 7 Izy zay maty dia nambara fao marigny salakady afaka amin'ny fahotagna. 8 Fao raha maty niraka tamin'i Kristy atsika dia mankatô fao hiara-belogno Aminazy faogna. 9 Atsika dia mahay fao nitsangagna tamin'ny maty Kristy, ary tsy maty eky Izy. Tsy manjaka Aminazy eky ny fahafataisagna. 10 Fao raha momba ny fahafataisagna dia maty nohon'ny amin'ny fahotagna Izy, maty ndraiky mandaiha ho an'ny jiaby Izy. Kanaifa, ny fiaignagna zay hiaignany ho an-Jagnahary. 11 Dia tôrotro zany, tsy maintsy mandiniky ny taignanareo ho afa maty amin'ny fahotagna foagna koa areo, fao velogno ho an-Jagnahary ao amin'i Kristy Jesôsy. 12 Noho zany aza availa hanjaka ao amin'ny taignanareo mety maty ny ota mbo hagnarahanareo ny filàgna ratsy. 13 Aza atôlotro ho an'ny fahotagna ny rantsam-batagnareo, ho fitaovagna ampiasaigny amin'ny tsy fahamarignagna. Fao atolôro ho an-Jagnahary ny taignanareo, torotro ny ny nitsanganagna tamin'ny maty zay velogno avaïzo. Ary atolôry ho an-Jagnahary ny rantsam-batagnareo mbo ho fitaovagna ampiasaigny amin'ny fahamarignagna. 14 Aza availa hanjaka aminareo ny ota. Satria tsy ambanin'ny lalàgna areo, fao ambanin'ny fahasoavagna. 15 Kay ino ary? Tôkony hanota moa atsika satria tsy ambnin'ny lalagna, fao ambanin'ny fahasovagna? Tsy hoïsy eky zany. 16 Tsy hainareo moa fao lay araiky zay anolôranareo ny taignanareo ho mpanompo dia lay araiky zay ho hankatoavinareo? Marigny zany na mpanompon'ny fahotagna zay mitariky agny amin'ny fahafataisagna areo, na mpanompon'ny fanktoavagna zay mitariy agny amin'ny fahamarignagna. 17 Fao isaoragna Zagnahary! Satria afa mpanompon'ny fahotagna areo, kanaifa nankatô tao am-pônareo ny fomba fampianaragna zay namegny areo. 18 Nalagna tamin'ny ota areo, ary natao mpanompon'ny fahamarinagna. 19 Mivolagna tôrotro ny ologno zaho noho ny fahalemen'ny nôotronareo. Satria vantany vao nanôlotro ny rantsam-batagnareo ho andevon'ny fahalotoagna ndraiky ny ratsy areo, dia tôrotro zany koa zao, atolôry ho amin'ny fahamasinagna ny rantsam-batagnareo. 20 Fao mbala are andevon,ny ota, dia afaka tamin'ny fahamarinagna. 21 Amin-jeo, ino ary ny vokatra azonareo tamin'ny regny raha zay mahamaingatra areo avaïzo? Satria ny vokatr'iregny raha regny dia ny fahafataisagna. 22 Fao avaïzo koafa nalagna tamin'ny ota areo aveo nanjary mpanompon-Jagnahary, dia mahazo ny fahamasinagna. Ny vokatra dia ny fiainagna barokodontany. 23 Fao ny valin'ny ota dia fahafataisagna, fao ny fagnomaizan-Jagnahary ndraiky dia ny fiainagna barokodontany ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika.