Toko faha 4

1 Ino ary no hambarantsika fa hitan'i Abrahama, babantsika talôha tagny ny nôfotro? 2 Fa raha nohamarignigny tamin'ny asa Abrahama, dia nanagna antony hiraiharaihagna izy, naifa tsy akeo ankilan-jagnahary. 3 Fa ino no volagnin'ny soratra Masigny? "Abrahama dia nankatô zagnahary , aveo nandiniky ho fahamarignagna zany. 4 Ary ho an'ny lehy miasa, ny karamanazy dia tsy isahigny ho fahasoavagna, fa ho tôrotro lehy trosa. 5 Fa hoany lehy tsy miasa ndraiky naifa mankatô an'Ilay araiky lehy magnamarigny ny mpanositry zagnahary, dia isahigny ho fahamarignagna ny finoagna. 6 Davida koa dia nivôlagna tso-drano amin'ôlogno lehy isahin-jagnahary ho marigny naifa tsy miasa. 7 Nivôlagna izy hoe: "Sambatra reo lehy voavaila helony, aveo koa reo lehy voasagno ny fahotagna. 8 Sambatra lehy tsy isahiny Tômpo heloko." 9 Amin'ny reo voafora koa moa hivôlagnagna zany tso-drano zany, sa amin'ny reo tsy voafora koa? Fa nivôlagna atsika hoe: "Ny finoagna dia nisahin'i Abrahama ho fahamarignagna." 10 Kay akôry ary no nagnisahany zany? Tamin'i Abrahama afa voafora sa, tamin'ny izy mboala tsy voafora? Tsy tamin'ny izy afa voafora fa tamin'ny izy mboala tsy voafora. 11 Abrahama dia nalaka famantaràgnan'ny famoragna. Zany dia mariky ny fahamarignan'ny finoagna lehy afa nanagnany raha mboala tsy voafora izy. Ny valin'ny zany famantaragna zany dia nanjary baban'ny lehy mankatô jiaby izy, na dia mboala tsy voafora aby zareo. Midika zany fa ny fahamarignagna dia hisahigny hoan-jareo. 12 Nidika koa zany fa Abrahama dia nanjary baban'ny lehy voafora tsy ho an'ny reo lehy voafora araiky fôgna fa ho an'ny reo lehy mizôho finoagnan'i Abrahama babantsika koa talôhan'ny tsy mboala naha-voafora azy. 13 Fa ny fampanantainagna tamin'i Abrahama sy reo tamingany fa ho mpandôva tô tany tô izy dia tsy avy amin'ny alalan'ny lalàgna fa avy amin'ny alala'ny fahamarignan'ny finoagna. 14 Fa raha reo lehy miaigny amin'ny lalàgna no mpandôva, dia ho foagna ny finoagna, ary maivagna ny fampanantenagna. 15 Satria ny didy dia minday amin'ny fahavigniragna, fa agny amin'ny lehy tsisy lalàgna, dia tsisy fandikagna lalàgna. 16 Noho zany antony zany dia miboaka amin'ny finoagna zany, mbô hibidôhan'ny fampagnantainagna amin'ny fahasoavagna avakeo ho azo antoko amin'ny reo tamingan'i Abrahama jiaby tsy ho an'ny reo lehy ambanin'ny lalàgna fôgna, fa ho an'ny reo lehy mirasa ny finoagnan'i Abrahama koa. Babantsika jiaby izy, 17 araka voasôratra hoe: "Nitsaboiky ho baban'ny firenena fôntry anao." Teo amin'ny fagnatraihagnan'Ilay nitokiany Abrahama, dia, Zagnahary zany, lehy nagnamia fiainagna reo maty aveo nagnantso reo raha tsy mboala misy mbô hisy 18 Na dia teo aby reo zavatra mitranga ivailany, dia natoky tantairaka zagnahary i Abrahama amin'ny ho avy. Kay nanjary baban'ny firenena fôntry izy, araka lehy voavôlagna hoe: "Ho tôrotro zany ny taminganao." 19 Tsy narefo tamin'ny finoagna izy. Hain'i Abraha fa tsy afaka ny hanagna zanaka izy (Satria afa teo amin'ny zato tagno teo izy.) Nagneky fôgna koa izy fa bôkon'i Saraha dia tsy afaka ny hinday kibo eky. 20 Naifa nohon'ny fampanatainagnan-jagnahary, dia tsy nisalasala tamin'ny finoagna i Abrahama. Fa naifa nahay nafy tamin'ny finoagna izy aveo nidaira zagnahary. 21 Resy lahatra tantairaka izy fa lehy nampanantainan-jagnahary, dia afaka tantirahigny fôgna koa. 22 Noho zany dia nisahigny ho azy ho fahamarinagna zany 23 Naifa tsy nisoroatany ho tombontsoanazy zeraiky zany, fa nisahigny ho nihinazy zany. 24 Nosoroatagna ho antsika koa zany, ho an'ny lehy hagnisahagna zany, atsika lehy mankatô Azy lehy nanangagna an'i Jesôsy Tômpontsika tamin'ny maty. 25 Izy lehy araiky namiagna noho reo fahotagnantsika avakaeo nantsangagna mbô hankamarigny atsika