Toko faha 3

1 Kay na ino ave zany tombon-tsoa anagnan'ny Jiosy? Avakeo ino moa tombo-tsoan'ny famoràgna? 2 Tsara zany amin'ny fomba jiaby. Voanalohany, reo Jiosy dia nagankignagna ny fagnambaragna avy amin-jagnahary. 3 Fa manakôry raha tsy nanagna finoagna reo Jiosy sasany? Ny tsy finoagnan-jareo moa hahatonga ny fahatokian-jagnahary, tsy ho vita? 4 Tsy hisy marigny koa zany. Fa naifa, ambilao ho hita fa marigny zagnahary, na dia mpavandy aby ny ôlogno tsiraikeraiky, Araka lehy voasôratra hoe: "Hambara amin'ny vôlagnareo fa ôlogno mahitsy areo avakeo ambara izy koa fa homby ankagny amin'ny fitsaragna areo." 5 Fa izy koa ny tsy fahamarignantsika no magnambara ny fahamarignan-jagnahary, ino no azontsika hivolagnigny? Afaka mivôlagna moa atsika fa tsy marigny zagnahary amin'ny fagnamboahany ny havignirany amintsika, sa tsy zany? (Magnampiasa fandaharantenin'ônolombelogno zaho.) 6 Tsy hisy marigny koa zany! Satria amin'ny fomba akôry ary no hitsaran-jagnahary tô tany tô? 7 Fa izy koa ny fahamarinan-jagnahary kay magnomia fideragna fôntry ho Azy amin'ny alalan'ny vandiko, kay nagnino ary zaho mboala ho tsaraigny ho mpanota? 8 Fa nagnino no tsy mivôlagna, araka ny tatitra diso lehy nambara fa novolagnintsika, avakeo koa araka hamafisan'ny sasany fa nivolagnintsika hoe: "Ambilao zahay hagnano ratsy mbô havian'ny tsara." Rariny ny fitsaragna atao amin-jareo. 9 Kay ino ary? Magnomia rariny ny haignintsika moa atsika? Tsy zany fôgna. Fa atsika dia afa naganameloko ny Jiosy sindraiky Grika, izy jiaby, ho mpanota. 10 Zany dia araka lehy voasôratra hoe: "tsisy ôlogno marigny, na dia araiky aza. 11 Tsisy na araiky araiky aza mahay. Tsisy na araiky aza mizaha zagnahary. Lôsogno niala aby koa izy jiaby. 12 Lôsogno tsisy ilàgna azy izy jiaby. Tsisy mbô mitsabo ny tsara, tsisy, na dia araiky aby. 13 Ny ambôvogno zareo dia fasagna misôkatra. Ny lailan-jareo dia mavandy. Ny poizign'ny reo mainapitsoko dia akao ambanin'ny sognin-jareo. 14 Ny vavan-jareo dia feno ôzogno ny lôlom-pô. 15 Ny tongotro zareo dia havanagna amin'ny fandatsahan-dio. 16 Ny fandratisagna sindraiky fijaliagna dia agny amin'ny lalan-jareo. 17 Regny ôlogno regny dia tsy mahay lalan'ny fiadanagna. 18 Tsy mbô misy tahotra zagnahary akeo alohaka mason-jareo." 19 Avaizo haintsika fa na ino na ino ambarany lalàgna, dia miantaifa agny amin'ny reo lehy ambany lalàgna. Zany dia mbô hahatonga vavan'ny tsiraikeraiky hangigny, avakeo mbô hahazo valiny avy amin-jagnahary tô tany tô. 20 Zany dia satria tsy hisy nôfotro hankamarignigny amin'ny asan'ny lalàgna akeo imasony. Fa amin'ny alalan'ny lalàgna no havian'ny fahaizagna ny fotoagna. 21 Fa avaizo dia nambara koa fa ny fahamarignan-jagnahary tsy amin'ny lalàgna. Noporofoin'ny lalàgna sy reo mpagnazary, 22 fa zany, no fahamarignan-jagnahary amin'ny alalan'ny finoagna an'i Jesôsy Kristy ho an'ny lehy jiaby mankantô. Satria tsisy fagnavahagna 23 Fa nanoto ny ôlo-jiaby kay tsy managna vogninahitry zagnahary, 24 ary zareo dia hamarignigny maimaimpoagna amin'ny fahasoavagna amin'ny alalan'ny fagnavôtagna lehy akao amin'ny Kristy Jesôsy. 25 Zagnahary nangnomia an'i Kristy Jesôsy ho fagnomaizagna amin'ny alalan'ny finoagna ny liony. Namiany ho profon'ny fahamarinagnany Kristy nohon'ny tsy fizahavagna any ota tagny alôha 26 amin'ny faharaitagna. Nitranga zany jiaby zany ho fagnambaragna ny fahamarignany amin'ny tô fotoagna avaizo tô. Zany dia mbô hahavitany magnaporofo fa marigny ny haigniny, avakeo mbô hagnambaragna fa Izy dia magnamarigny ny jiaby nohon'ny finoagna an'i Jesôsy. 27 Aiza ary zany firaiharaihagna zany? Voafafa zany. Fa ino no antony? Amin'ny asa moa? Tsia fa nohon'ny fankatoavagna. 28 Manapa-kevitra zany atsika fa ny ôlogno araiky dia hamarignigny araka ny finoagna tsisy reo asan'ny lalàgna. 29 Sa zagnahariny Jiosy zeraiky fôgna moa zagnahary? Kay tsy zagnaharin-jareo jentilisa koa moa izy. Ia, nihiny jentilisa koa. 30 Raha araiky tatô zagnahary, dia ho hamarignigny amin'ny finoagna reo voafora koa amin'ny alalan'ny finoagna. 31 Foagnantsika amin'ny alalan'ny finoagna moa zany ny lalàgna. Tsy hoisy zany! Fa naifa, magneky ny lalàgna atsika .