Toko faha 2

1 Noho zany dia tsy managna fialantsigny anao, ry ôlogno, anao zay mitsara, fao lehy itsaranao ny hafa no agnamelohanao ny tegnanao. Fa anao zay mitsra dia magnano reo fogna koa. 2 Kanaifa haintsika fao ny fitsaragnan-Jagnahary dia araka ny marigny izy koa lavo amin-jareo zay magnano raha mitôvy reo zany. 3 Fao Heritrereto zao, ry ôlogno, anao zay mitsara reo zay magnano raha mitôvy reo na dia magnano mitôvy regny koa aby anao. Hilaifa ny fitsaragnan-Jagnahary moa anao? 4 Sa hamaivagninao ny hariagnan'ny hatsaram-pagnahiny, ny fandifairany, aveo ny faharaitany? tsy hainao moa fao ny hatsaram-pgnahiny dia natao hitariky anao amin'ny fibaibahagna? 5 Fa zany dia ho amin'ny hagidazan'ny hamafy ndraiky tsy fibaibahan'ny fônareo no hamompaonanareo fahatezairagna ho an'ny haigninareo amin'ny andro fahatezairagna, zany dia, ny andron'ny fampisehoagna ny fitsaragna marin-Jagnahary. 6 Hamaly ny ôlogno jiaby amin'ny hairagna mitôvy amin'ny lehy nitabony Izy: 7 Hagnomia araka ny faharaitagna, ny asa tsara mitady daira, vogninahitry, ny tsy fahafataisagna, fiainagnabariky ditany Izy. 8 Fa hoan-jareo zay mitady ho an'ny haigniny, zay tsy mankatoa ny marigny fao mankatoa ny tsy fahamarinagana, dia hoavy ny fahatezairagna sy ndraiky fasiàhagna. 9 Zagnahary dia hitondra fahoriagna aveo fahantragna amin'ny fagnahin'ôlogno jiaby zay nagnano ratsy, amin'ny jiosy alaohaka aveo amin'ny grika fogna koa. 10 Fa daira, laza, ary fiadanagna no hoavy amin-jareo zay magnano tsara, amin'ny Jiosy alohaka aveo amin'ny Grika fogna koa. 11 Fa tsisy fiangaragna miaraka amin-Jgnahary. 12 Fao zay jiaby nanota tsy nanagna ny lalàgna dia ho very tsy managna lalàgna ihany koa, aveo zay jiaby nanota niaraka fagnajagna ny lalàgna dia ho tsaraigny araka ny lalàgna. 13 Fao tsy reo mpagnambara ny lalàgna no marigny eo agnatraihan-Jagnahary, fa reo zay mampihatra ny lalàgna no nihamarinigny. 14 Fa reo Jetilisa, zay tsy managna ny lalàgna, koafa magnano raha mikasiky ny lalàgna araka ny voajagnahary, dia zareo no lalàgna ho an'ny haigniny, na dia tsy managna ny lalà aby zareo. 15 Amin'izany no agnamboahan-jareo fao ny asa angatahin'ny lalàgna dia voasaoratra ao am-pôn-jareo. Ny fieritreretan-jareo koa dia vavolombelogno hoan-jareo, ary ny fisaignan-jareo manaokagna dia na magnameloko na miaro zareo amin'ny haignin-jareo 16 aveo koa amin-Jagnahary. Zany dia hitranga amin'ny andro zay hitsaran-Jagnahary reo tsiambaratelon'ôlojiaby, araka ny vaovao mahafaliko, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy. 17 Naifa raha toa ka Jiosy no agnantsaovanao ny haigninao ary miakigny amin'ny lalàgna ndraiky miraiharaiha ao amin-Jagnahary, 18 ary mahay ny sitrapony ndraiky mamantratra zay raha tsara tatôbe satria nampianarigny tamin'ny lalàgna anao, 19 ary izy koa resy lahatra anao fa ny haigninao dia mpitariky ny gila, fahazavagna hoan-jareo zay ao amin'ny mahizigny, 20 mpagnitsy ny laifaka, mpagnanatra ny zaza madiniky, ary anagnanao ao amin'ny lalàgna ny bika ny fahalalàgna sy marigny, dia akôry zany fiantraikan'izany amin'ny fomba hiaignanao ny fiaignanao? 21 Ary anao zay mpagnanatra reo sasany, tsy mampianatra ny haigninao moa anao? Anao zay mitory manohitra ny halatra, mangalatra moa anao? 22 Anao zay mivolagna fao tsy tôkony hijanganjanga, mijangajanga moa anao? anao zay malaigny ny sampy, mandravagna reo tempoly moa anao 23 Anao zay ravo miraiharaiha ao amin'ny lalàgna, magnalabaraka an-Jagnahary moa anao amin'io fandikanao ny lalàgna io? 24 Fa "ny agnaran-Jagnahary dia afa afa-baraka teo amin-jareo Jetilisa nohony areo" araka zay afa voasoratra. 25 Fa mahazo tômbony amin'ny famoragna tatô areo izy koa mankatô ny lalàgna, fao raha mandika ny lalàgn areo, dia lasa tsy voafora na dia afa voafora aby areo. 26 Nohon'zany, raha ôlogno tsy voafora no mitandrigny zay takin'ny lalàgna, tsy hatao ho agnisan'ny voafora moa izy na dia tsy voafora aby? 27 Ary tsy ho helohin'ny lehy araiky zay mifora ara-bojagnahary moa areo izy koa mitandrigny ny lalàgna izy? Zany dia satria managna ny lalàgna voasaoratra ndraiky famoràgna areo, naifa mbôla mandiniky ny lalàgna! 28 Fa izy dia tsy jiosy amin'ny bika ivailany fogna; na amin'ny famoràgna zay miboaka amin'ny bika ivailan'ny nôfotro fogna. 29 Fa izy dia jiosy ao agnaty, ary ny famoràgna zay an'ny fô, ao amin'ny Fagnahy, fa tsy ao amin'ny saoratra. Ny fideragna ny ôlogno hotra zany dia tsy avy amin'ny ôlogno fa avy amin-Jagnahary.