Toko faha 8

1 Raha novohan'gne Zanak'ondry gne tombo-kase fahafito, da nisihy gne tagne an-dagnitry teo amy gn'antsasaky aro teo. 2 Avy eo da hitako gn'anjely fito izay nitsanga teo ankatrean'Andriamanitra, ary nome trompetra fito indreo. 3 Nisy anjely hafa avy, nita lasety volamena fagnoroa ditin-kazo magnitry, nitsanga teo ambonin'gne alitara. Ditin-kazo magnitry maro gne nome enazy mba hagnomezany izany mbamin'ny vavaky gne mpino agnaby eo ambonin'gn'alitara volamena fagnoroa ditin-kazo magnitry eo aloan'gne sezam-boninahitry. 4 Gne setroky gne ditin-kazo magnitry, mbamin'ny vavaky gne mpino, da niakatry teo alohan'Andriamanitra avy amè tagnany gn'anjely. 5 Nangala gne lasety fagnoroa ditin-kazo magnitry gn'anjely ary nameno izany tamè gn'afo avy amy gn'alitara. Avy eo natorakiny tamy gne tany izany, ary nisy varatry nagneno, feom-baratry, elatry, ary horohoron-tany. 6 Gn'anjely fito izay nana gne trompetra fito da nioma hitsotry enizany. 7 Nitsotry gne trompetrany gn'anjely volohany, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natakiny tety an-tany izany mba ho may gne ampahatelon'izany, may gn'ampahatelon'e hazo, ary may agnaby gne ahi-metso. (Fagnamariha: Gne sasany amy gne dika-zaka taloha da mangala gne hoe:"mba ho may gne ampahatelon'izay.") 8 Nitsotry gne trompetrany gn'anjely faha roy, ary nisy rahà akoy gne vohitry zakabe nirehitr'afo natorakiny tagny an-dranomasy. Lasa rà gne ampahatelon'e ranomasy, 9 maty gn'ampahatelon'e rahà managnay tao an-dranomasy, ary rava gn'ampahatelon'gne sambo. 10 Nitsotry gne trompetrany gn'ajely fahatelo, ary nisy kinta zakabe nilatsaky avy agny an-dagnitry akoy gne fanilo, tamy gn'ampahatelon'gne ony sy loharano. 11 Rahà mafaitry gn'agnagnaran'io kinta io. Lasa nafaitry gn'ampahatelon'e rano, ary olo maro gne maty tamy gne rano izay lasa nafaitry. 12 Nitsotry gne trompetrany gn'anjely faha-efetry, ary niova gn'ampatelon'e vola sy gn'ampahatelon'gne kinta. Noho izany da lasa mity gn'ampahatelon'gne; tsy nisy hazava gn'ampahatelon'gn'andro sy gny ampahatelon'gn'aririva. 13 Nagnety iaho, ary nahare voro-mahery izay nandrembo tegny ategnategnan'gne lagnitry, nangaiky tamè feo mafy hoe:""Loza, loza, loza, ho an'gne izay mipetraky egny amy gne tany, nohon'gne feona trompetra sisa izay efa ho tsofin'gn'anjely telo."