Toko faha 7

1 Tafaran'izany da nahita anjely efatry nitsanga teo amè zoro tany efatry iaho, nanohitry mafy gne rivotry efatry gne tany, mba tsy hisy rivotry hitsotry amè tany, amè ranomasy, na hifanohitry amy gne hazo agnaby. 2 Nahita anjely hafa iaho niakatry avy tagny antsignana, izay nana gne tambo-kasen'Andriamanitra velo. Nikoiky tamè feo mafy tamy gn'anjely efatry izay nahazo alala hanimba gne tany sy gne ranomasina izy hoe: 3 "Ka simba gny tany, gne ranomasy, na gne hazo mandra-pagnisiantsika gne tombo-kase eo amy gne pandan'gne mpanompon'Andriamanitra." 4 Nahare gne isan'izay voatombo-kase iaho: 144,000, gne voatombo-kase avy tamè fokon'olon'israely agnaby: 5 Roy arivo sy ray aly gne voatombo-kase avy tamè fokon'i Joda, roy arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Robena, roa arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Gada, 6 roy arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Asera, roy arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Naftaly, roy arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Manase. 7 Roy arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Simeona, roy arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Levy, roy arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Isakara, 8 roy arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Zebolono, roy arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Josefa, ary roy arivo sy ray aly avy tamè fokon'i Benjamina gne voatombo-kase. 9 Tafaran'gne rahà gne da nagnety iaho, ary nisy olo maro be izay tsy tody isaina--- avy tamè firenena, foko, olo, ary fizaka agnaby--- nitsanga teo nagnatriky gne seza fiandriana sy teo alohan'gne Zanak'ondry. Nanao ankajo lava fotsy sy mita sampa-drofia tegny amè tagnandreo, 10 ary nangaiky mafy tamè feo mahery indreo nagnano hoe:"Gne famonje da an'Andriamanitrintsika izay mipetraky eo ambonon'gne seza fiandriana, sy an'gne Zanak'ondry!" 11 Gn'anjely agnaby nitsanga magnodidy gne seza fiandriana sy magnodidy gne loholo sy gne rahà managnay efatry, ary indreo da nampiondriky gne tarehindreo teo agnatrehan'gne seza fiandriana. Nivavaka tamè gn'Andriamanitra indreo 12 nagnano hoe: "Amena! Dera, voninahitra, fahendre, fisora, fahefa, ary gne hery anie ho an'Andriamanitrintsika mandrakizay doria! Amena!" 13 Avy eo raiky tamy gne loholo nagnontany enahy hoe:" Ia gne, magnano akanjolava fotsy, ary avy aia indreo?" 14 Hoy iaho taminazy:"Tompoko, Enao mahafantatry," ary hoy izy taminahy:" Io gne hijotsoako avy amy gne Fahoria Zakabe. Nosasandreo gn'akanjolavany ary nofotsia tamy gne ràn,e Zanak'ondry. 15 Noho izany antony izany, da eo alohan'e seza fiandrianan'Andriamanitra indreo, sy mivavaky aminazy andro atoandro sy ariva ao amè tempoliny. Gne raiky izay nipetraky teo amè seza fiandriana da hamelatry gne lainy amindreo. 16 Tsy ho mosary isanaky indreo, na hangetaheta koa. Tsy hamely enazy gne masoandro, na gne hafana magnoro. 17 Fa gne Zanak'ondry eo atagnategnan'e seza fiandriana gne ho mpiamby endreo sy hitari-dala endreo agny amè loharanon'e rano velo ary hofafan'Andriamanitra agna gne ranomaso amè masondreo."