TOKO FAHA 3

1 Sorato ho an'gne anjelin'gne fiangona agny Sardisy hoe: 'Izao gne zakain'gne mitàgna gne Fagnahy fiton'Andriamanitra sy ireo kintagny fito. ''Fantako izay namboarinao. Malaza ho velo anao, nefa anao maty. 2 Mifohaza ary atanjahy izay tavela, fa efa ho faty, satria tsy hitako vita ireo asanao eo imason'Andriamanitrako. 3 Tadidio, noho izany, izay noraisinareo sy regninareo. Arahy izany, ary mibebaha. Fa raha tsy mifoha anareo, da ho avy akô gne mpangalatry Iaho, ary tsy holalanareo gne lera hiaviako aminareo. 4 Fa misy agnaran'olo vitsivitsy agny Sardisy izay tsy nandoto gne akanjondreo. Handeha hiaraky aminaha indreo misiky lamba fotsy satria mendriky. 5 Gne raiky izay mandresy da ho ampisikina lamba fotsy, ary tsy hamafa gne agnarany ame Bokin'gne Fiainagny mihitsy Iaho, ary hizaka gne agnarany eo agnatrehan'gne Raiko, sy eo antrehan'gne anjeliny. 6 Aoka ze manan-tadigny hiteno izay zakain'gne Fagnahy ame fengona.''''' 7 ''Soraty ho an'gne anjelin'gne fiangona agny Filadelfia hoe: 'Izao gne zakain'gne raiky izay masina sy marina_ izy gne mitazogny gne lakilen'i Davida, izy gne mamoha ary tsy misy ndre ia ndre ia mangidy, izy no magnidy ary tsy misy na iza na iza afaky mamoha. 8 "Fantako izay vitanareo. Indro, nagnapetrahako varavara mivoha eo alohanareo izay tsy afaka hidin'ia n'ia. Fantako fa mana hery kidy ianareo, ka nagnaraky gne zakako ary tsy nandà gne egnarako. 9 Igny! Indreo izay an'gne synagogan'gne satana, ireo izay mizaka fa jiosy indreo. Haniko avy da handohaliky eo an-tongonao indreo, ary ho avy indreo mba hahalala fa nitia anao Iaho. 10 satria efa nitandrigny gne bekiko tame fahareta enareo, da hiaro anareo ame andro fitsapa izay efa ho avy am'izao tontolo aby izao evaokoa Iaho, mba hitsapa ireo izay miay eo ambonin'gne tany. 11 Ho avy tsy ho ela Aho. Tazomy mafy izay anagnanao mba tsisy afaky hangala gne satro-boninahitrao. 12 Amboariko anakandry eo ame fiangon'Andriamanitrako izay mandresy, ary tsy hiala eo mihitsy izy. Ho soratako eo aminazy gne agnaran'Andriamanitrako, gne agnaran'gne tanàn'gne Andriamanitrako (ilay Jerosalema vaoavao, izay midigny avy agny andagnitry avy amin'Andriamanitrako), sy gne agnarako vaovao. 13 Aokaizay mana tadigny hiteno izay zakain'gne Fagnahy am'ireo fiangona.''''' 14 "Soraty ho an'gne anjelin'gne fiangona agny Laodikia hoe: "Izao gne zakan'gne Amena, gne vavolombelo matoky sy marigny, mpanapaky gne raha-namboarin'Andriamanitry. 15 "Fatako izay naninareo, ary tsy mangatseky na mafana enareo. Magniry Iaho mba ho mangatseky na mafana enareo! 16 Noho izany, satria enareo marimaritry_sady tsy mafana no tsy mangatseky_da efa haloan'gne vavako enareo. 17 Fa hoy enareo hoe: 'Manan-kare iaho, nana fitaova maro, ka tsy mila ndre ino ndre ino. 'kanefa tsy fantanareo fa enereo gne tena mijaly, mapalahelo, mahantra, jamba ary miborida. 18 Tenomo gne torohevitriko: Mividiana volamena voadio tame afo aminaha mba ho lasa mpanan-kare enereo, ary akanjo fotsy mataniky mba ho afaky mampisiky gne tegnanereo enereo ka tsy hagnabôky gne hegnetry gne fiboridagnanareo, ary hagnosotry gne masonareo mba hahiratanareo. 19 Ampihofaniko gne tsiraikiraiky aby izay tiako, ary hapianariko andreo gne fomba tokony hiaignandreo. Noho izany, mazotoa ary mivaloza. 20 Igny, mitsanga eto ame varangara Iaho ary mandondo. Raha misy mahare gne feoko ka mamoha gne varangara, da ho avy ao an-dragnony Iaho da hihina miraky aminazy, ary izy miaraky aminaha. 21 Gne raiky izay mandresy, homeko anazy gne sitraky hidoboky miaray aminaha eo ame seaza volamenako, mitovy ame nandreseko evaokoa ka nidobohako nindray tame Abako teo ame seza volamenany. 22 Aoka izay manan-tadigny hiteno izay zakain'gne Fagnahy am'ireo fiangona.''''''