Toko faha 2

1 Soraty ho an'gne anjelin'gne fiangona fito ao Efesosy hoe: " Itoa gne zaka avy amin'ilay raiky izay mitagna gne kitagny fito ame tagnany ankavana ary mandeha eo ame fagnamboaran-jiro volamena fito, 2 "Fantako izay efa nanìnao sy gne asa mafinao ary gne fiaretananao elabe. Fatako fa tsy afaky handefitry ame olon-dratsy anao. Fatako fa notsapainao indreo izay mizaka anazy ho apostoly, nefa tsy izy, ary hitanao indreo fasandoky. 3 Fantako fa da mana fahareta ianao, ary nijaly mafy nohon'gne agnarako, ary tsy nilavo lefo ianao. 4 Nefa manohitry anao iaho satria nagnapetraky gne fitiavanao volohany enao. 5 Tsarovy noho izany gne toera izay nahalavo enao. mibebaha ary magnano a gne raha raha izay namboarinao volohany. Fa raha tsy mibebaky enao, da ho avy agny aminao iaho ary nangala gne fagnapetrahan-jironao amè fipetrahany. 6 Kanefa izao gne amboarinao: " halanao gne Raha vitan'gne Nikolaita, izany da halako evakoa. 7 Aoka izay manan-tsofy hiteno izay zakain'gne Fagnahy ho an'gne fiangona. Ho an'gne raiky izay mandresy da homeko alala hihina gne avy ame hazon'gne fiaigna, izay aoame paradisan'Andriamanitry." 8 Soraty ho an'gne anjelin'gne fiangona agny Smyrna hoe: "Itoa gne zakan'gne raiky izay voalohany sady farany, gne raiky efa maty kanefa velo indraiky: 9 " Fantako gne fijalianao sy gne fahantranao, kanefa manan-kare anao. Fatako gne fizaka ratsindreo izay mizaka gne tegnany fa Jiosy, kanefa tsy izy. synagogan'gne demonia indreo. 10 Ka matahotry gne am'izay efa heretanao. Igny! Gne devoly da hanoraky gne sasany aminareo agny ame tragno figadra mba ho tsapay anareo. Matokisa mandrapahafaty, da homeko anareo gne satro-boninahitry gne fiaigna. 11 Izay manan-tadigny aoka izy hiteno izay zakain'gne fagnahy ame fiangona. Gne raiky izay mandresy da tsy ho simban'gne fahafatesa fagnindroany." 12 Soraty ho an'gne anjelin'gne fiagnona agny Pergamosy hoe: "Itoa gne zakan'ge raiky izay mana sabatry roy lela: 13 "Fantako izay odianao, da ao ame hidobohan'gne seza volamenan'gne demonia. Ary am'izay mitagna mafy gne agnarako enao. Fatako fa tsy nandà gne finoanao gne aminaha enao, ndre da taman'gne andron'i Antipasy vavolombeloko, izay natoky Anahy,izay novonoy teo aminareo, tao ame tragnon'i satana. 14 Fa manan-dresaky kidy aminao Aho: " Misy sasany aminareo mitagna mafy gne fampianaran'i Balama, izay nampianatry an'i Balaka hagnisy fandavoa eo agnoloan'gne zanak'Israely, mba hinanandreo gne sakafo nany soro ho an'gne sikidy ary ho fijangajanga. 15 Akô izany koa, misy sasany aminareo izay mitagna mafy gne fampianaran'gne Nikolaita. 16 Mibebaha ,noho izany! Fa raha tsy izany, da ho avy malaky agny aminareo Iaho, ary hifampità amindreo Iaho miaraky ame sabatry gne vavako. 17 Aoka izay manan-tadigny hiteno izay zakain'ny Fagnahy ho an'gne fiangona. Ho andreo izay mandresy, homeko gne sasany amin'ireo mana mifiny, ary homeko vato fotsy moaraky ame agnaram-baovao voasoratry eo ame vato, agnara izay tsy fantan'olo afa tsy izay mangala anazy avao." 18 Soraty ho an'gne anjelin'gne fiangona ao Tyatiara hoe: 'Itoa gne zakan'gne Zanak'Andriamanitra, izay mana maso akô gne lelafo ary tongotry akô gne varahy mangilatry: 19 " Fatako izay vitanao: Gne fitiavanao sy gne finoanao sy gne fanompoanao ary gne fahadignasanao. Fantako fa izay vitanao farany da maro noho iza vitanao voalohany. 20 Kanefa izao gne hanoherako anao: leferinao ilay viavy zezebela, izay mangaiky gne tegnany ho mpaminany viavy. Ame alalan'gne fampianarany da mamitaky gne mpanompoko izy mba hijangajanga sy hihina sakafo any soro ho an'gne sikidy. 21 Nagnome fotoa mba hibebahany Iaho, kanefa tsy mety hivalo gne ame fijangajanga izy. 22 Hataoko marary eo ampandria izy, ary ireo izay mijangajanga miaraky aminazy da hampijaliako mafy, raha tsy mivalo ame asa ratsin'igny viavy igny indreo. 23 Ho viniko ho faty gne zanany, ary gne fiangona agnaby da hahalala fa Izaho gne mahita gne fieritrereta sy fetseham-po. Homeko araky gne asanareo tsiraidraiky aby enareo. 24 gne aminareo izay sisa ao Tyatira, izay rehetra tsy mitagna izao fampianara izao, sy tsy mahalala izay antson'gne sasany hoe sain-dalin'i satana— Izao gne zakaiko aminareo hoe: 25 "Tsy vesarako enta hafa enareo. "Ndre izany aza, tsy maintsy mitagna mafy gne finoareo ianareo mandram-piaviako. 26 Gne raiky izay mandresy sy izay magnano izay vitako hatram'nge farany, da homeko azy gne fahefa ame firenena agnaby. 27 'Hanampaky eo amindreo miaraky ame tehim-by izy, mitivy ame fandisandisana vilagny tany gne hamoteha andreo.' 28 Akô gne nangalako avy ame Raiko, gne hagnomezako anazy kintagny mandraigny evakoa. 29 Aoka gne raiky izay mana-tadigny hiteno izay zakain'gne Fagnahy ho an'gne fiangona.'''''