TOKO FAHA 4

1 Tafaran'izany raha izany da nagnety iaho, ary nahita varangara raiky nivoha tegny ame lagnitry. Gne feo voalohany izay reko da niresaky taminaha mitovy ame atsiva, nagnano hoe: " Miakara aty, ary hambarako anao izay tsy maintsy hibôky afaran'ireo raha ireo." 2 Nisy fotoa iaho voatariky gne Fagnahy, ary nahita fa nisy seza volamena niperaky tegny ame lagnitry, nisy olo nidoboky teo ambonin'izany. 3 Gne raiky izay nidoboky teo ambonininy da mangalatahiky gne jaspa sy karneola. Nisy ava nagnodidy gne seza volamena. Gne ava da mitovy ame emeraoda. 4 Nitsy seza volamena efatra amby roapolo nagnodidy ila seza volamena, ary loholo efatry amby roapolo gne nidoboky teo amboni'ireo seza volamena, nisiky akanjo fotsy, niaraky tame satro-boninahitry volamena tegny ame lohandreo. 5 Avy tamin'gne seza volamena gne nisy tsela-pahazava, godo, ary godom-baratry. Nisy jiro fito nirehitry teo agnoloan'gne seza volamaena, jiro izay fagnahy fiton'Andriamanitry. 6 Teo alohan'gne seza volamena da nisy ranomasy fitaratry, mitovy gne kristay. Ireo zava-managnay efatry da ategnategnan'gne seza volamena sy nagnodidy izany, feno maso, teo agnoloany sy tao an-damosiny. 9 Na ovia nao ovia ireo raha mana'gnay da hanome voninahitry, laza, ary fisaora an'gne raiky midoboky eo ame seza volamena, gne raiky izay velo mandrakizay doria, 10 ireo loholo efatry amby roapolo da nampandohaliky gne tegnandreo eo agnolon'gne raiky izay midoboky eo ame seza volamena. Mandohaliky eo ame raiky izay velo mandrakizay doria indreo,ary nanoraky gne satro-boninahitr'indreo teo agnolon'gne seza volame, mizaka hoe: 11 "Mendriky enareo, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray gne voninahitry sy laza ary gne hery. Fa Ienao gne namorigny gne raha aby, ary tame alalan'gne sitraponao, da nisy indreo ary nohary."