Toko faha 21

1 Avy eo iaho nahita lagnitry vavao sy tany vaovao, fa foa gne lagnitry volohany sy gne tany volohany, ary tsy nisy esanaky gne ranomasina. 2 Hitako gne tanà masina, Jerosalema vaovao, izay nidina avy agny an-dagnitry avy amin'Andriamanitra, voaoma akoy gne ampekary ampengoa ho an'e vadiny. 3 Nahare feo mahery avy agny amè seza fiandriana iaho magnano hoe: "Io! Eo ame gn'olo gne toeran'gne tabernaken'Andriamantra, ary hatahora miaraky amindreo izy. Ho olony indreo, ary Andriamanitra tegnany hiaraky amindreo ary Izy ho Andriamanitrin-dreo. 4 Hamafa gne ranomaso agnaby amè mason-dreo Izy, ary tsy hisy fahafatesa esanaky, na alahelo, na tamagny, na faharareza. efa lasa gne rahà, teo aloha. 5 Gne raiky nipetraky teo amè seza fiandriana nizaka hoe:"Io! Naniko vaovao gne rahà agnaby." Hoy Izy:"Soraty izao satria ity zakako ity da mahatoky sy marina." 6 Hoy Izy taminahy hoe:"Efa vita io rahà io! Iaho gn'Alfa sy Omega, gne fiandoha sy fiafara. Izay mangetaheta da homeko ho indranomy maimaim-poana avy amè lahoranon'ny fiaina. 7 Izay mandresy da handova gne rahà, ary Iaho no ho Andriaminitriny, ary izy ho zanako. 8 Fa io gn'osa, tsy manam-pinoa, mampitsanga volovolo, mpagnano aody, mpanompo sampy, sy mavandy, da agny amè farihy mirehitr'afo solifara gne toeran-dreo. Izay gne fahafatesa fahaharoy." 9 Nagnato enahy gne raiky tamy gn'anjaly fito, gne raiky izay nana gne lasety fito feno gne loza fito farany, ary hoy izy hoe: "Avy ety. Ho ambodaky anao gne ampekary, vadin'gne Zanok'ondry." 10 Avy eo dia netiny tamè Fagnaha tagny amè vohitry abo iaho ary nambarany enahy gne Jerosalema tanà masina midigny avy agny an-dagnitry avy amin'Andriamanitra. 11 Nana gne voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, ary gne famimpiratany da akoy gne vato soa sarobidy, akoy gne vato kristalina jaspy madio. 12 Nana rindry abo zakabe niaraky tamè vavahady roy ambin'ny folo izany, niaraky tamy gn'anjely roy ambin'ny folo teo amè vavahady. Teo amè vavahady gne vosoratry gn'agnaran'gne foko roy ambin'ny folo zanak'Israely. 13 Nisy vavahady telo teo antsignana, vavahady telo teo avaratry, vavahady telo teo atsimo, ary vavahady telo teo akandrefo. 14 Nana fototry roy ambin'ny folo gne rindrin'gne tanà, ary teo amin'io gne nisy gn'agnara roy ambin'ny folon'gn'apostolin'gne Zanak'ondry. 15 Gne raiky izay nikora taminahy da nana fandrefesa volotara vita tamè volamena mba handrefesa gne tanà, gne vavahady, ary gne rindry. 16 Akoy gn'efa-joro gne tanà; mitovy gn'andavany sy asakany. Nandrefy gny tanà tamè fandrefesa volotara izy, roy arivo stadio gne halavany (mitovy gn'andavany, gn'asakany' ary gn'ahabony). 17 Nandrefy gne rindrin'izany koa izy, 114 hakiho raha refin'gn'olo (izay refin'gn'anjely evakoa). 18 Vita tamè jaspy gne rindry ary tamè volamena tsy misy fangarony, mitovy ame fitaratry Madio. 19 Gne fototry gne rindry da voravaky tamè karaza vato sarobidy agnaby. Gne volohany da jaspy, gne faharoy safira, gne fahatelo kalkedona, gne fahefatry emerolda, 20 gne fahadimy sardiniksa, gne fahenina karneola, gne fahafito krysolita, gne fahavalo beryla, gne fahasivy topaza, gne fahafolo krysopraso, gne faha raiky ambin'ny folo jacinta, gne faha roy ambin'ny folo ametysta. 21 Gne vavahady roy ambin'ny folo da vato soa roy ambin'ny folo; gne tsiraikiraiky Amy gne vavahady da vita tamè vato soa raiky. Gne lalam-be teo an-tanà da volamena tsy misy fangarony, mitovy ame fitaratry mangarahara. 22 Tsy nahita tempoly tao amè tanà iaho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha sy gne Zanak'ondry gne tempoliny. 23 Gne tanà da tsy nila masoandro na vola mba hamirapiratry amizany satria gne voninahitr'Andriamanitra da namirapiratry tamizany, ary gne Zanak'ondry gne jiron'izany. 24 Handeha amè fahazavan'izany tanà zany gne firenena. Gne mpanjakan'gne tany da hinday gne fahatsaran-dreo ho ao amizany. (Fagnamariha: Gne antontan-taratasy taloha sasany da mivaky hoe:"Gne firenena izay voavonjy da handeha amè fahazavan'izany tanà zany.") 25 Tsy hidy gne vavahadin,izany mandritry gn'andro, ary tsy hisy ariva agny. 26 Hitondra gne fahatsara sy gne hajan'gne firenena ao amizany indreo, 27 ary tsy hisy maloto hiditra ao amizany mihitsy. Tsy hisy ndre ia ndre ia hagnano rahà mahamegnatry na mamitaky hiditra ao, fa gne izay vosoratry agnara ao amè Bokin'gne Zanak'ondrin'gne fiaina avao.